Mino ny fiangonana iray
1. smileyah
(
05/03/2013 08:21)
Ao amin'ny fiekem-pinoana dia misy koa ny hoe: "MINO NY FIANGONANA IRAY, MASINA, kATOLIKA" : izany hoe manerana izao tontolo izao.
Ahoana ny momba an'io?
Ahoana ny momba an'io?
novalian'i bor2lais ny 06/03/2013 14:31
3. bor2lais
(
05/03/2013 13:36)
radidi:
Izany hono ry Hery sy Andry 2013 a!
Izay rehetra manao fanekem-pinoana apostolika angamba no iantefan'ny fanontaniana eto ka !
"Mino ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao (la Sainte Eglise Universelle = la Sainte Eglise Catholique)" :-)
Fahitako azy :
Toa misy karazany 2 ny antsoina hoe Fiangonana (raha tsy diso aho) : ny hita maso (FJKM, EKAR, sns) sy ny tsy hita maso. Ka io Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao io no antsoina hoe Fiangonana tsy hita maso.
Fanontaniana kely fotsiny : io "Fiangonana Masina" io ve ilay antsoina hoe "Fiombonan'ny olona masina" (izay mifampitohy amin'itsy voalohany) sa zavatra roa samihafa (tsy misy ifandraisany) izy ireo ? Izany hoe fanazavana ny atao hoe "Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao" ve ilay manaraka hoe "Fiombonan'ny olona masina" sa tsia ?
Miala tsiny fa somary be fanontaniana satria mba te-ahalala e ! :-)
Fanamarihana farany : ataoko kosa angamba fa tsy ny fitambaran'ny Fiangonana Kristiana hita maso rehetra manerana izao tontolo izao (dans le monde) no tondroina eto satria amiko ny hita maso tsy inoana intsony ! Sa ahoana hoy ianareo ? :-)
4. smileyah
(
05/03/2013 14:50)
bor2lais>> Amiko aloha dia ny fiangonana hita maso ety ambonin'ny tany io resahana io, satria tsy ho nilaina intsony ny anampiana hoe ny fiombonan'ny olo-masina.
5. Miharena
(
05/03/2013 14:53)
Angamba aloha efa voasoratra ireo tsy hita maso e! Dia izay voalaza ao amin'y Apokalypsy rehetra: Ny loholona 24, ireo 144000 sy ny olomasina marobe nenjehina noho ny finoany izay mitondra akanjo fotsy satria voalaza fa nanadio ny fitafiany. Ireo dia tsy hoe tsy hita maso fa efa hitan'i Jaona maso raha dinihina tsara.
Izay azo tsapain-tanana angamba no ilazana ilay hita maso lazain'ny namana Borlais. Ireo indray dia izay manao ilay fanekem-pinoana eto an-tany eto.
Izay azo tsapain-tanana angamba no ilazana ilay hita maso lazain'ny namana Borlais. Ireo indray dia izay manao ilay fanekem-pinoana eto an-tany eto.
6. niryna
(
05/03/2013 17:34)
Miharena:dia iza izany ireo tsy ita maso ireo? satria mantsy amin'izao isika miteny izao dia misy fiangonana sahy miteny fa ry zareo ireo 144000
Angamba aloha efa voasoratra ireo tsy hita maso e! Dia izay voalaza ao amin'y Apokalypsy rehetra: Ny loholona 24, ireo 144000 sy ny olomasina marobe nenjehina noho ny finoany izay mitondra akanjo fotsy satria voalaza fa nanadio ny fitafiany. Ireo dia tsy hoe tsy hita maso fa efa hitan'i Jaona maso raha dinihina tsara.
Izay azo tsapain-tanana angamba no ilazana ilay hita maso lazain'ny namana Borlais. Ireo indray dia izay manao ilay fanekem-pinoana eto an-tany eto.
7. didi10
(
06/03/2013 05:53)
smileyah:
Ao amin'ny fiekem-pinoana dia misy koa ny hoe: "MINO NY FIANGONANA IRAY, MASINA, kATOLIKA" : izany hoe manerana izao tontolo izao.
Ahoana ny momba an'io?
Mazava tsara fa fanekem-pinoana ny fiangonana no atao eto :
Mino ny fiangonana = mankato izay rehetra ampianariny sy manaja ny didiny sy ny fombany
8. Miharena
(
06/03/2013 06:32)
Niryna:
dia iza izany ireo tsy ita maso ireo? satria mantsy amin'izao isika miteny izao dia misy fiangonana sahy miteny fa ry zareo ireo 144000
Io indray aloha namana Niryna dia tsy azontsika heverina loatra hoe amin'izao fotoana izao va misy ilay 144000, efa misy ireo ao an-danitra amiko. Karazana fakana tahaka ihany ho an'ireo azo tsapain-tanana io, izany hoe maka tanjona toa an'ireo olona ireo izay milaza ny tenany ho isan'ireo 144000 ireo. Toa antsika fiangonana maka anarana avy ao amin'ny Baiboly ihany io, misy endrika tiana iainana avy amin'ny Baiboly.
9. bor2lais
(
06/03/2013 14:31)
smileyah:
bor2lais>> Amiko aloha dia ny fiangonana hita maso ety ambonin'ny tany io resahana io, satria tsy ho nilaina intsony ny anampiana hoe ny fiombonan'ny olo-masina.
Misaotra anao : izay mihitsy no antony nametrahako ilay fanontaniana ka ! :-)
Mety ho azoko ihany ilay lazainao raha toa ka ilay izy hoe : ny fiangonana (Kristiana) rehetra manerana izao tontolo izao !
Sa raisina amin'ny hevitra fitambarana ho tokana (réunification) ilay izy, izany hoe mino fa indray andro any dia mbola hitambatra ho tokana ny Fiangonana Masina rehetra manerana izao tontolo izao ? :-)
"Ho iray ihany izy ireo tahaka ny maha iray antsika" !
radidi:
Mazava tsara fa fanekem-pinoana ny fiangonana no atao eto :
Mino ny fiangonana = mankato izay rehetra ampianariny sy manaja ny didiny sy ny fombany
Engagement (atao ao anaty fiangonana iray) indray ny fandraisako an'io lazainao io radidi fa tsy finoana a ! :-)
