Lalàn'i Kristy (Mesia)

1. Maranatha ( 22/02/2013 10:38)
Ny lalàn'ny Fisoronana no niova taorian'ny nilazan'ny Tompo teo ambony hazo fijaliana hoe VITA. Isan'izany ny fanaovana fanatitra noho ny ota. Ny paska, Ny toerana fanaovana fivoriana masina sns... Izany hoe ireeo lalàm-pisoronana rehetra.
Ny paska
Ny fanovana ny Paska ho lasa fandraisana ny fanasan'ny Tompo dia isany lalàna nampianarin'ny Tompo ny mpianatra. Maty Izy mba ho Paska ho an-tsika. Tsy nihinana anamangidy Izy teo, tsy nihinana zanak'ondry intsony, toy ny fanaony teo aloha, fa Mofo sy Divay (ranom-boloboka tsy niotrika) no niarahany nihinana t@ mpianatra.
Io izany no fomba anakiray apetraka ho an'ny izay mino Azy rehetra. Noamafisin'ny Apostoly izany taty aoriana araka ity Ikor11:23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina]25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.

Tsy mijanona toy ny isan-taona intsony izany izy io fa NA OVIANA NA OVIANA rehefa mandray ny fanasan'ny tompo.

T@io fotoana io ihany koa ny Tompo dia nampianatra ny FIFANASAN-TONGOTRA. Isaky ny mandray ihany koa izany dia tokony hifanasa tongotra.

Ny famerenana ny olona mbola hankalaza ny andron'ny Paska dia mitarika ny olona mbola hiverina any amin'ny tandindona. Izay midika fa mbola tsy mino ny nahatanterahan'i Tompo ilay sorona efa nataony sy ny Rà izay nalatsany.

Fampianaran'I Roma (vatican) ihany koa io. Mbola manaraka ireo fomba nataon'ireo Raby sy mpanora-dalana izy mba hisarihana ny olona ho very. Apok 13:4.....Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?

Afatsy izay manana ny anarany voasoratra ao amin'ny bokin'ny Zanakondry Apok 17:14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
novalian'i bor2lais ny 26/02/2013 10:19
2. didi10 ( 22/02/2013 11:46)
Paska Talohan'i Mesia

Eks 12,8
8 Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy. 9 Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. 10 Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahiny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.

Paska ankehitriny

Kor I 5;8
Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;

Efe 6,14
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan''ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;

Aza adino koa fa nataon'Andriamanitra ho lalàna mandrakizay ny fankalazana ny Paska (Eks 12;17)
3. moustaraf ( 22/02/2013 16:49)
Salama namana,

"ARY @ IZANY ALINA IZANY DIA HOTSARAIKO NY ANDRIANAN'i EGYPTIANA"
io no tena antom-pisian'i Peshar, io ilay antsoina @ teny Hebreo hoe "Mishpat" adika @ teny gasy hoe"misy faty" na fitsarana misy didim-pitsarana manameloka ny Devoly"

Aorianan'ny Peshar no miditra ny Ranomasina mena (yam adom); ka hoy Yeshu'a hoe: "izay Mino sy atao batisa no vonjena"
Mino= mihinana (ny paska=fandraisana ny mofo sy divay), izay vao atao batisa
MAZAVA IO FILAHATRY NY RAFITRA HATRAMIN'NY FIANDOHANA
4. Miharena ( 23/02/2013 01:46)
Ireo rehetra ireo dia azo fintinina amin'ny hoe fihavaozana, famonoana ny zavatra teo aloha ary mifoha amin'ny fahaterahana indray. Fidirana amin'ny fahadiovana tsy misy pentina. Fidirana amin'ny Fanjakan'ny Lanitra. Hoy i Jesoa, raha tsy miverina toy ny zaza ianareo dia tsy ho tafiditra ny fanjakan'ny lanitra.

ila fanidnihantena, fiverenana ao anaty io asa Paska io. Ary raha ny tena marina dia indray mandeha monja dia efa miaina ilay fahafahana tanteraka ao amin'Andriamanitra Ray ny tsirairay izay efa azo lazaina fa nihoatra ilay fefy teo aloha.
5. Maranatha ( 25/02/2013 06:59)

didi10:

Paska ankehitriny

[/u][/b]
Kor I 5;8
Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;

Aza adino koa fa nataon'Andriamanitra ho lalàna mandrakizay ny fankalazana ny Paska (Eks 12;17)

Mitombina tsara io . Fa Raha mbola te hiverina hanao ny Paska izany dia mamono indray an'i Kristy satria izay no fanao. Mamono Azy isan-taona .

Ie tena Lalàna mandrakizay io toy ny hoe mitondra rà vao voavela heloka. Izao ve nefa hianao mbola mitondra rà ihany. tsy efa vitan'ilay rà nentiny t@ Izy teo ambony hazo fijaliana ve ???

Mandiniha tsara. Fakafakao fa aza mihinana ambolony.
6. Maranatha ( 25/02/2013 07:05)

moustaraf:

Salama namana,

"ARY @ IZANY ALINA IZANY DIA HOTSARAIKO NY ANDRIANAN'i EGYPTIANA"
io no tena antom-pisian'i Peshar, io ilay antsoina @ teny Hebreo hoe "Mishpat" adika @ teny gasy hoe"misy faty" na fitsarana misy didim-pitsarana manameloka ny Devoly"

Aorianan'ny Peshar no miditra ny Ranomasina mena (yam adom); ka hoy Yeshu'a hoe: "izay Mino sy atao batisa no vonjena"
Mino= mihinana (ny paska=fandraisana ny mofo sy divay), izay vao atao batisa
MAZAVA IO FILAHATRY NY RAFITRA HATRAMIN'NY FIANDOHANA

Ny Batisa dia famorana ka izany no mahatonga ity teny ity hoe Eksed 12:43 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
44 Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.45 Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
46 Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.47 Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
Ny hevitry batisa dia famorana tsy maintsy voafora vao mihinana
7. didi10 ( 25/02/2013 10:40)

Maranatha:

didi10:

Paska ankehitriny

[/u][/b]
Kor I 5;8
Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; 8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana;

Aza adino koa fa nataon'Andriamanitra ho lalàna mandrakizay ny fankalazana ny Paska (Eks 12;17)

Mitombina tsara io . Fa Raha mbola te hiverina hanao ny Paska izany dia mamono indray an'i Kristy satria izay no fanao. Mamono Azy isan-taona .

Ie tena Lalàna mandrakizay io toy ny hoe mitondra rà vao voavela heloka. Izao ve nefa hianao mbola mitondra rà ihany. tsy efa vitan'ilay rà nentiny t@ Izy teo ambony hazo fijaliana ve ???

Mandiniha tsara. Fakafakao fa aza mihinana ambolony.

Misaotra anao.

Eks 12;14
14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakIzay.

Namana a!!! mazava ny voasoratra fa fahatsirovana hoy Jehovah, f'angaha moa miverina mivoaka an'Egypta isan-taona ny Israely rehefa mankalaza ny Paska?

Lioka 22;19
Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy

Namana a!!! mazava ny voasoratra fa fahatsiarovana no ankalazaina, mitohy tamin'ny efa voasoratra tamin'ny TT (Eks 12.14), satria lalàna mandrakizay io saingy tsy mamono ondry intsony fa ny nofo sy ny ran'i Jesosy Kristy no hanina sy sotroina, tsy niova ny daty, tsy niova ny lera.
8. Maranatha ( 26/02/2013 05:40)

Eny ary koa. Ny ahy moa dia milaza aminao no anjarako fa tsy ny mandresy lahatra anao. Tahaka ny hoe lazaiko hianao fa misy arina ny tarehinao rehefa hoy moa hianao hoe izao mihintsy no izy sy maha izaho ahy. Inona intsony moa no ho lazaiko vita ny adidiko.
9. bor2lais ( 26/02/2013 10:19)
maranatha:

Eny ary koa. Ny ahy moa dia milaza aminao no anjarako fa tsy ny mandresy lahatra anao. Tahaka ny hoe lazaiko hianao fa misy arina ny tarehinao rehefa hoy moa hianao hoe izao mihintsy no izy sy maha izaho ahy. Inona intsony moa no ho lazaiko vita ny adidiko.

Sao dia ny "grain de beauté" kosa no lazainao fa arina koa ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1991