Ho an'io milaza fa tsy azo ekena ho teraka andro ririnina i Jesosy

21. Nehemiah ( 22/02/2013 06:27)

sitlo:

Iaraha-mahalala fa taorinan'ny "ère glaciaire" dia +/- stable ny hafanan'ny tany fa ny latitube sisa no mitondra ny saison. Raha ny docs no tadiavinao amin'izany dia tsy ahagaga raha lava be tsy ho voavaky ny dinika. Indrindra mbola mila porofoina koa hoe mitovy ny inclinaison-n'ny tany tamin'izany sns?

Hitanao, izay fotsiny no notadiaviko. Valiny tsotra, mitombina ara-tsiansa tanteraka, manohana ny hevitrao. Exemples fotsiny ny resaka docs na fôsily. Fa tsy nilaina taritina fifandirana lava be.

Ny fehiny izany dia manohana ny hevitra hoe mety t@ andro mafanafana no nahaterahan'i Jesoa, fa tsy manaporofo azy tanteraka moa (sarotra ny manaporofo azy tanteraka) satria mety miovaova ihany ny toetr'andro na dia tafaran'ny ére glaciaire aza. Ohatra, nangatsiaka be ny toetr'andro tany Fransa t@ faramparan'ny Moyen-Âge, jereo fotsiny ireny tantarana amboadia manafika tanàna noho ny hatsiaka sy ny hanoanany rehefa ririnina.
22. nilex ( 22/02/2013 06:53)
Fanamarihina ho an'i stilo ity.Miala tsiny fa amin'ny dinika rehetra ato dia tsapako fa tsy dia mahay mihaino loatra ianao ary tsy aiko na tsy ampy fandalinana ko na irony olona pesimista irony fa mino aho mitovy amin'ny fomba fijeriko daholo ny olona eto fa rehefa miresaka aminao dia toa olona manao botolo izany ianao.Na inona sujet na inona.Fomba fijeriko fotsiny izay fa anao kosa ny fomba fijerinao.Asa raha ianao sy i Andrywui re no miady hevitra mety hanao aoana e.
23. sitlo ( 22/02/2013 08:10)
haha, esy e rey olona e!

Aleo ary azavaiko kely fa efa nabolilanareo ihany moa ny diniko. Raha nianatra nanampy ianareo tamin'ny T1 dia nampiasa ratsan-tanana. Fa nony lehibe ianareo dia 4+10=14 tsy misy iadiana hevitra amin'ny ratsan-tanana.
Raha hanala bacc ianareo dia mila manao ipp hoe integrale log x = x logx - x . Fa rehefa tonga teny Ankatso tsy nila nanaporofo an'izany intsony.

Raha mandinika ianareo akoatra an'ity dinika ity dia tsy mba mamaly lava aho fa tonga dia ny voamasony no potsiriko. Tsy tiako ny manoratra mihoatra ny 10 na 15 lignes eo, satria tonga dia diagonale no hamakian'ny olona azy. Ka raha diagonale ihany, tsy aleo tonga dia fintiniko?

Antsoy amin'izay anarana rehetra aho, tsy hanova ahy akory izany.

Raha mba mamonjy an'ireny conference ireny ianareo dia jereo fa raha misy dia 10 na 20 secondes ianareo no mandray fitenenana.

Ho an'i Nehemiah manokana, tsy hainao ary ny ho lazaiko anao ny toaviko ka ajanony ny fisokirana fa izaho koa mba olona misaina. Ny zavatra tsara ho tsaroanao dia ny olona dia sarotiny amin'ny toaviny. Tahaka anao sarotiny amin'ny Baiboly ihany.
24. Nehemiah ( 22/02/2013 08:27)
Izany akory tsy manome zo anao miampanga tsy misy porofo. Satria ianao mitaky fifanajàna io no tena tsy maneho fifanajàna.
Nefa moa zavatra azo atao tsara izay raha tsy misy Mpanao Lalàna Faratampony manan-ko lazaina @ fomba itondrantsika ny fiainantsika, sa tsy izay ?
25. sitlo ( 22/02/2013 08:31)
Nehemiah:
Izaho koa @'izany dia manana ny mari-drefy mafy orina hahafantarako hoe izao no marina izao no diso dia ny Baiboly izay Tenin'Andriamanitra. Ianao kosa tsy manana.


Amen
26. Nehemiah ( 22/02/2013 08:44)
Nolazainao ahy ihany izany ny toavinao. Misaotra.
27. sitlo ( 22/02/2013 08:45)
sanatria
28. nilex ( 22/02/2013 09:53)
Miala tsiny fa izaho dia mahatsapa eto fa ity sitlo ity dia tsy fantatro na olona tsy dia ampy fandinihina loatra na ahoana fa tsy dia manana fomba fieraka maharesy lahatra loatra fa toa ireny olona manao botolo ireny fotsiny ka somary mahasorena ny mijery ny firesany eto.
Sehatra hifanakalozana ity fa natao ho an'ny olona pesimista ka hanaratsy sy hanenjika izay lazain'ny sasany fotsiny.Fantatra ihany ny hoe hevitra mitombina sy tsy mitombona fa ity sitlo ity dia any amin'ny partie contre foana no misy azy.
Aza manimba resaka e.
29. sitlo ( 22/02/2013 10:12)
Izay iantsoan'i nilex ahy hoy aho maninona fa tsy hanova ahy.

Contre aho matetika fa satria contre an'i Jesosy ho Andriamanitra, izay tsy eken'ny sain'ireo mpitompo tena fatratra.

Raha misy niezaka tsy nivadika ny resaka notaritiko eto dia izaho. Fa jereo ny valiteninao ry nilex.

Tsy mahagaga ahy ankehitriny ny fanirianao hanasaraka ny zaobavinao sy ny olotiany. Vao maika ary ianareo ireto mampaharikoriko ahy ny kristianina.
30. Nehemiah ( 23/02/2013 05:23)
@'izay tsy mihatsaravelatsihy. Nefa mba manontany tena ihany aho : inona no fiheveranao an'i Jesoa ? Olona adala sa mpisoloky ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2099