Aoka hotandremana amin'ny fotoany ny Paska (Nom 9;2)

21. didi10 ( 21/02/2013 08:04)

Nehemiah:

Tsy mampaninona ahy ahie raha atao alarobia ilay izy. Fa ny tontolo manodidina ahy no manery ahy hankalaza azy Alahady.

Fa ny zava-dehibe dia alok'i Kristy sy ny asany tany Kalvary ny Paska Jiosy.


Tsy misy mifampibaby mankany an-danitra kanefa ny jamba mifampitantana mankany amin'ny fahaverezana, tsara aloha rehefa manaiky ny fahamarinana satria ny Teny milaza hoe :
Tes II 2,11
" 11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, 12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

Tsy Alarobia ny Paska amin'ity ka!!

Alatsinainy 11/03 ny taombaovao (1 Abiba)
Alahady 24/03 ny 14 Abiba fa ny Paska dia ny Sabotsy alina (23/03)
Alatsinainy 25/03 ny 15 Abiba (Sabata Paska andro firavoravoana= misy fotoam-bavaka)
Alahady 31/03 : Famaranana ny andro firavoravoana (misy fotoam-bavaka)
22. Nehemiah ( 21/02/2013 08:17)
Mora loatra ny mampiasa andinin'ny Baiboly hanendrikendrena olona.

Ny epistily ho an'ny Hebreo no mandalina an'ity resaka fanavahana ny aloky ny fanompoana taloha sy ny Fanekena Vaovao idirantsika @ finoana nohon'ny asa lavorarin'i Kristy. Tsy manda an'iza na iza hankalaza ny Paska @ 14 Abiba aho, ary tsy mandà an'iza na iza hampahalala ny foto-pinoany aho fa aoka kosa tsy hitsaratsara foana ny hafa izay te-hivelona @ fahafahana izay omen'i Kristy maimaim-poana antsika.
23. didi10 ( 21/02/2013 08:48)
Eo amin'ilay fizirizirina hankalaza ilay Paska Alahady amin'ny fahafantarana ny fahamarinana anie no olana namana e!

Jaona 8;32

Ny marina hanafaka anareo tsy ho andevo

Aza manaiky andevozin'ny fombafombam-pivavahana avy amin'ny didin'olombelona namana.


Marka 7;7

Koa FOANA ny ivavahan'ireo Amiko raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy.
24. didi10 ( 21/02/2013 08:56)

moustaraf:


Salama namana,

Mba handray kely @ ity resaka Paska ity na Peshar hooy ny hebreo:
1. Fa voavono ny Mesia Peshar ho antsika:
t@ Ora faha faha 6 Hatramin'ny Ora faha 9 nilatsaka ny aizina = efa Sabata izany andro izany (@ fanisana Hebreo) fa tsy Zoma intsony (araka ny fanisana tandrefana), eo dia efa diso be sahady ilay fanisana;



Ora faha 6 izany anie namana manodidina ny amin'ny 12 atoandro e! ny ora faha 9 manodidina ny amin'ny 3 ora folakandro, mbola tsy Sabata izany io fa maizina fotsiny ny andro.
25. moustaraf ( 05/03/2013 16:15)
salama namana,
Toa mahaliana ahy ilay filazana hoe "Tsy mila manao an'ireny intsony mba ho vonjena"
Amin'ny ampahany ve izany sa @ rehetra?
-Ilay milaza hoe"manaja ny Sabata ihany no mbola manambara hoe Aza mangalatra,sns....De ahoana???
ilay sorona biby no tsy atao intsony satria, Izy no fahatanterahan'ny zanak'ondry tsy misy kilema, atolotra in-1 mandeha monja,
fa ny sorona isan'andro= fanoloran-tena dia tsy maintsy atao, ary @ fotoany avokoa!
Tsy misy niala ny Taloha satria tanterahina aty @ vaovao!

Tsy mahagaga raha maro no tsy mahalala akory izay lazain'ny bokin'ny lalàna satria "Nasiana tombokase"= Nahidy izany boky izany, nandritra ny fotoana ela; ka tonga ankehitriny ilay fotoana voalaza ao @ bokin'ny fanambarana hoe"Ilay zanak'ondry irery ihany no nahasokatra indray ilay boky";
"Avia mihinana nefa tsy amim-bola na aminkarena"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2244