Dia ho diso indray izany ny rehetra an

21. niryna ( 22/02/2013 06:28)

Nehemiah:

Lazaiko aminareo marina tokoa fa raha maharesy lahatra ahy ianareo fa ara-Baiboly ny fivavahana katôlika dia mivadika katôlika izao dia izao aho.

Nefa mbola tsy nisy nahavita an'izay hatr@'izao. Fa nahoana ?
Nefa tsy mba tery saina aho. Manakiana ahy ary indraindray ny namako hoe malalaka saina loatra aho indraindray.

Ny mahavoa antsika gasy dia entim-po, eny, tena to fo mihitsy, hany ka sarotra ny ananana ady hevitra vanona.
ka eo tokoa no olana indraindray fa mora tezitra isika e,ary angamba tsy isika irery fa ny olona mihitsy indrindra moa rehefa misy zavatra manohatohana azy izay dia e,e dray ,dray ,dray ha,ha
22. niryna ( 22/02/2013 06:30)

Miharena:

Lasa fifamaliana ilay lohahevitra.

Eny tokoa hoy aho e,toa tsy tonga tany amin'izay lohahevitra ilay izy? Mbola ho tonga ihany angamba ka
23. Nehemiah ( 22/02/2013 07:15)

niryna:

ka eo tokoa no olana indraindray fa mora tezitra isika e,ary angamba tsy isika irery fa ny olona mihitsy indrindra moa rehefa misy zavatra manohatohana azy izay dia e,e dray ,dray ,dray ha,ha

Eny, samy manana ny eboebontsika antsika, malaky mahita an'izay eo @ olona iresahantsika fa tsy mba mahita azy ao anatintsika, ary ny olona tena be eboebo no milaza azy ho tsy manana eboebo. Ny zavatra tena sarotra dia ny famonoana an'izay eboebo anatintsika izay satria io no ota mahery vaika indrindra.
24. niryna ( 28/02/2013 17:36)

ka izay ilay mahatonga antsika hibebaka isan'andro anie e,mangataka Azy mba hanana fo madio,mba ho dioviny isan'andro ny toetrantsika ka hanana fo hietry fa tsy hanandra-trena . Misaotra e
25. Nehemiah ( 01/03/2013 05:53)

niryna:
ka izay ilay mahatonga antsika hibebaka isan'andro anie e

Fanamarihana kely fotsiny : hafa mihitsy ny mibebaka sy ny mifona. Ny fibebahana dia fandikan'ny teny grika "metanoia" (fiovana fisainana), izany hoe miova ny fisainantsika, ny fontsika, ny fanahintsika, ny fomba fiainantsika iray manontolo rehefa manaiky ny tenantsika ho mpanota ka manaiky an'i Kristy ho Tompo antsika.

Nefa ny zavatra mbola afaka mitranga dia mbola mety manota antsika (indrindra rehefa mbola tsy matotra ara-panahy iny), satria efa nohamarinina antsika fa mbola tsy nohamasinina (rehefa maty moa voa tanteraka izay fahamasinana izay). Ka eo voa miditra an-tsehatra ny 1 Jn. 1:9 : "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra.". Izany no fifonàna.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1434