rehoka miraikitra ao am tenda

1. guant ( 13/02/2013 08:19)
bjr,
Hono oa azafady,midina ao am tendako ao ny rehoka.Aona ny fanalana azy fa miraikitra ao ts mety miala ho azy, indrindra rehefa mandry enao!torohevitra ankoatran'ny fanafody amin'ny pharmacie no tena tsara!
misaotra tompoko
novalian'i Maranatha ny 22/04/2013 05:18
2. Nehemiah ( 13/02/2013 08:35)
Manandramana mihinana zavatra mampafana ny tendanao tahaky ny sakay sy ny tantely.
3. mirananirina ( 13/02/2013 11:44)
na koa sakamalao sy taoka iray sotrokely ,na tamenaka atody
4. sitlo ( 20/02/2013 03:15)
Sao dia ilay traotraoka kosa no kely?

Voasarimakirana dia mihirahira na miteny mafy matetika. (sigara koa fa saingy ny alany no betsaka noho ny tombony, tsy dia )

Amin'ny taoiste, ny glandes ao amin'ny tenda dia mila kojakojaina ihany koa, ka isa-maraina ry zareo rehefa mikotrana dia mamerimberina ny voyelle rehetra a o i e... manaraka ny fomba fisefo rehefa matory.

Raha misy mahay chi gong fantatrao dia anontanio azy fa ireny no tena mahay mampikotrana ny ao an-tenda.

Na manarao karaoke koa dia efa ahazoana tombony.

Somary betsaka ny malagasy nanarina fa ny mangina volamena sns fa indraindray mahasalama ny mitabataba.
5. matah ( 08/03/2013 05:27)
mandrehoaka e, ataovy izay ivoahany betsaka

poudre de canelle (na canelle no totoina, mitovy ihany) 1 sotro kely ampiarahana amin'ny tantely 1 sotrobe
mandamina vavony io raha hoe lasa any foana aza ny rehoka
Mirary fahasalamana e
6. Maranatha ( 22/04/2013 05:18)

guant:

bjr,
Hono oa azafady,midina ao am tendako ao ny rehoka.Aona ny fanalana azy fa miraikitra ao ts mety miala ho azy, indrindra rehefa mandry enao!torohevitra ankoatran'ny fanafody amin'ny pharmacie no tena tsara!
misaotra tompoko

RAha azoko azoko tsara izany mety ho voan'ny sunis hianao na marary tratra, tsotra ny fanafodiny raha eto M/car hianao no mipetraka . Mividiana hianao ireny baume relax ireny dia mamanĂ  rano ataovy mangotraka dia alaivo io baume relax io, kely fotsiny eran'ny vodi-trotso dia ataovy ao anatin'ilay rano dia evohy ao anatina lamba, rehefa alohan'ny hatory sy rehefa mifoha maraina hianao. Ho hitanao eo ny vokany.
Fa izao ajanony rehefa hitanao fa mihamaina be indray ny tendanao sao mitarika aretina hafa. sady manasitrana ny sunisite ihany koa io raha voan'izany hianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.478