MITIA

1. YDIFAS ( 13/02/2013 07:39)
Faly tafahaona aminao indray amin'ny alalan'izao hafatra izao indray. Ny Fahasoavan'Ilay Ray Tsitoha ary ny Fiadanan'i Kristy anie hitobaka eo amin'ny fiainantsika manontolo.

Dradradradraina maneran-tany ny hoe: "mifankatiava" ary tsy misy olona tsy mitady izany raha mbola hoe manam-pofonaina eto amin'ity izao tontolo izao ity. Ankalazaina "ny andro manokana ho an'ny mpifankatia"... nefa mbola manjàka hatrany ny fankahalàna. manjàka ny fitiavan-tena, hany ka miroso hatrany amin'ny fahapotehana ny zanak'olombelona. Inona no mety ho vahaolana amin'izany? Aiza ny fanalahidy hanokafana ny fo mihidy? hanasitrana ny fo voaratran'ity fiainana mandalo ity?

Re etsy sy eroa ny olona mitaraina sy mimenomenona amin'ny toetran'ny vady, ray aman-dreny, havana, mpiray tanàna, mpiara-miasa… noho ny "toeran-tsy zaka" ataon'izy ireo. Toa mariky ny tsy fitiavana no andraisantsika ny ataon'ireny olona ireny. Toa lasa "iharam-boina" (victime) hatrany isika manolona ireny tranga ireny.
Tantara kely: Tamin'iny fiandohan'ny taona iny, rehefa nifampiarahaba ny nahatrarana ny taona ireto mpinamana dia hoy ity iray: aza manoroka ahy fa voan'ny sery be aho ka hifindra aminao izany. Nefa hoy ilay namany: Tsy maintsy manoroka anao aho. Nahoana no ny aretina ihany no eketsika ho tsy maintsy hifindra? Ndeha hamindrako fahasalamàna ianao...
Nahoana tokoa, ry havana malala, no ny fankahalàna no manenika ny tany?
Ankehitriny, mamporisika antsika: mijoroa, reseo amin'ny fitiavana izany fankahalàna izany. Valio amin'ny fahalemem-panahy, amin'ny fahatsoram-po, amin'ny fahadiovan'ny saina ny ratra alefan'ny hafa amintsika.
Ndeha isika hiteny tahak'ilay namana ta hamindra ny fahasalamany amin'ilay namany marary. Aoka hahery vaika ao anatintsika izany hevitra izany ka hiboiboika eo amin'ny tenitsika, eo amin'ny fihetsik'isika ny fitiavana ireo mpiara-belona amintsika.
Mety handà sy hanontany angamba ianao hoe: tsy vitako izany, tsy resiko izany, tsy tantiko ny ataony, tsy sahiko izany... nefa hoy aho hoe: isika mihitsy no andrasana ny amin'izany. Tsy ny hamaly ny ratsy mihatra amintsika tsy akory fa ny hampandresena ny fitiavana, mandresy ny marina, lazao hoe: tsy maintsy manjàka ny tsara ary tsy maintsy mifindra ny fitiavako.
Amin’ny fomba ahoana nefa?

Tsotra ny valiny, ry havana malala: tadiavo ny Fototra, miverena any amin'izay niandohàna.
Aoka isika hiray amin'ny Ilay Loharano ("connecter à la Source"), hiraikitra amin'Ilay Fitiavana fa "...Andriamanitra dia Fitiavana" (1 Jaona 4/8b).
Marina ny filazanao fa tsy vitan'ny herintsika ny hitia ny manisy ratsy antsika, ny hanova ny "mpankahala" (ao anatin'izany ny vady, zanaka, ray aman-dreny, havantsika...) ho tia antsika.
Ny ahafahantsika mizàra dia tsy maintsy mandray aloha isika, tsy maintsy manana aloha isika vao afaka manome. Izany hoe, ndeha hanovo fitiavana amin’Ilay Fitiavana isika.
Hoy indrindra Izy: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao…” Jeremia 31/3.
Raiso izany Fitiavany izany fa voalazany fa tsy manam-pahataperana izany, koa inona no mbola mampisalasala antsika?

Ho antsika tsy mety hamela heloka indray, sarotra amintsika izany hoe mamela heloka izany nefa aoka isika handinika lalina hoe: ohatra ny ahoana isika? (toetra, fiaina, fanao, fiteny) ary Andriamanitra (Toetra, Fahalehibiazana, Fahamasinana, Fahamboniana)? Manao ahoana isika manoloana an’Andriamanitra?
Ho antsika no nahatongavan’I Jesosy ary ho antsika tsy mendrika ny ho tiavina indrindra no nitenenany “fa toa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy.” Jaona 3/16.
Tena tia antsika fatratra Izy ka nanome ny fara-Fitiavany ho antsika. Nanaiky Izy ny hitia antsika ary hatramin’ny fahafatesana izany (Filipiana 2/7-8); noho iza? Noho izaho sy ianao, noho ny fahotantsika noho ny tsy fananantsika fitiavana ary noho ny tsy fahaizantsika mitia. Iza moa isika no havela heloka sy hotiavina? Tsy misy tsy diso koa saintsaino izany.
Raiso izany Fitiavany tsy manam-pahataperana izany fa ho mora amintsika ny hizara sy hiaina izany Fitiavany izany. Efa navela heloka isika ka notiavina koa ndeha hamela ny hafa sy hitia azy ireo indray.
Mety miadana ny fiovàna azontsika, mety vao mainka hahazo teny maharary isika rehefa mizara izany fitiavana izany. Nefa mahereza, ankamamio ary ifikiro Ilay nitiavan’Andriamanitra antsika. Minoa fa tsy maintsy hiova io: "Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?" Romana 8/31. Ho resin'ny Fitiavan'i Kristy izy ireo. Aleloia

Farany, misy amintsika ihany koa ny tsy mahay mitia afa-tsy izay tia antsika. Ekena ny maha fitiavana izany fa saingy voafetra ihany. Voalaza hoe: “Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa ho azonareo? Fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy. Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany ihany. Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, moa inona moa no soa tokony ho azonareo? Fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray”. Lioka 6/32-34.
Angamba tsy hohazavaiko intsony fa efa mahitsy ho antsika ny Teny. Ary feheziny amin'ny hoe: “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny Ainy hamonjy antsika, ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.” 1 Jaona 3/16

Mino aho fa noraisintsika Ilay Fitiavana natolotry ny Ray ho antsika ary mba ahafahantsika hizara amin’ny mpiara-miaina amintsika rehetra Izany Fitiavany Izany isika.
Mahereza, mazotoa mizara fitiavana amin’ny olona rehetra (tsy fitiavana ara-nofo tsy akory fa fitiavana madio avy amin’Andriamanitra). Ho hitantsika fa rehefa manome isika dia handray.

Fampisainana: Ahoana indray no ahafahantsika mandray raha feno ny tanantsika? Noho izany mizarà, mitiava, zarao izay tsara ao anatitsika. Hoy ilay ray ara-panahy iray izay hoe: “Lany angaha ny tsara ao anatinao no dia ny ratsy no avoakanao?”.

Hafatra: “fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin’inina na amin’inona (aza manantena valiny), dia lehibe ny valim-pitianareo, ary ho ZANAKY NY AVO INDRINDRA IANAREO, fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo Mpamindra fo” Lioka 6/35-36

Ho an’Andriamanitra anie ny Voninahitra mandrakizay ary ho antsika mpamaky izay mandray ny Fitiavany sy hizara Izany ny fiadanana tsy manam-pahataperana. Amen
2. CAZOU ( 13/02/2013 09:13)
Misaotra e
3. mirananirina ( 13/02/2013 11:39)
Tsy mety fitinina angaha fa lava loatra tsy voavakiko akory :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4182