Io ary hoa aho hametram-pilana i benoit XVI

21. mirananirina ( 15/02/2013 08:35)
Tena zaza tokoa aho raha hoe biby=fanjakana ? Izay mahatonga ahy hiteny hoe aiza ny tany tsy misy bibidia= fanjakana mba andehanako fa eto antany toa misy fanjakana=bibidia daholo ary bibidia amiko dia ratsy fa tsy toy ny biby rht!

Fa mazava be fa vokatry ny nahitany ny zavamiafin'ny Babilona ary mitady hivadika @ bibidia izy dia noterena hiala aloha. Ry zareo Franc-maçon sy ny iluminati no manery azy hiala. raha mbola te hijanona eo dia mamerina sy manala iny heverindry zareo fa fahadisoana goavana iny izy. (Ny nahitana ny fahadisoana ny fankalazana ny 25 decembre). Ny fandavana izany dia fatapaha-tenda (vonoina, na poizinina na misy mitifitra mihintsy sns...

Mbola tsy naheno olona novonoina tao vatican aho aloha na 1 aza ,fa noho ny maha zaza ahy angamba no tsy ahalalako izany :p !
Mbola tsy naheno koa aho fa hoe bibidia no ao Vatican aho noho ny maha zaza ahy ihany no tsy afantarako izany

Hay ve miresaka @ zaza vao miana-mandeha ity izaho mbola ronono hay no fihinany.
Ny Biby= fanjakana
Daniela 7:19 Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;......23 Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra et? ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.

Koa satria mbola ronono no fihinanao dia aza manadrakandrana Tolana mihintsy fa sao tsy haniry ny nifinao. na ny vetin-kanina sao harary ny kibonao

22. Fitia2 ( 21/03/2013 10:29)
Miarahaba antsika rehetra, indrindra isika naman'ny fahamarinana. Zava-dehibe ny nahaterahan'i Jesosy, tena marina izany! Fa raha fintinina anefa dia ny tena tanjon'ny diany tety an-tany dia hitory momba ilay Fanjakana ary HAMOY NY AINY HO ANTSIKA! Tsy zava-dehibe kokoa ary ve ny mankalaza ny namoizin'i Jesosy ny ainy nohon'ny mankalaza ny tsingerintaona nahaterahany?! Satria tokoa mantsy na teraka aza izy kanefa nivadika tamin'i Jehovah ka tsy nanaiky tampoka ny hanao sorona ny ainy dia "... ho zava-poana ny finoatsika..." !! [1 KOR 15:13-18]

Manaraka izany, raha ny tena marina, na i Jesosy na Andriamanitra rainy dia tsy nandidy antsika hoe hankalazao ny nahaterahan'ilay Mesia, fa i Jesosy kosa dia nandidy hoe hankalazao ilay Sakafo hariva nataony niaraka tamin'ny mpianany mialohan'ny namonoana azy: " Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy " [LIO 22:19]

Dia mirary soa e !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0068