Samy miantso Yeshoua saingy ny iray mandrava ny lalàna ny iray mandrava ny testamenta vaovao

1. didi10 ( 06/02/2013 09:39)
Amin'ny mpandalina ny finoana ny tena satria ho ny Tompo hoe:" Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara" dia nandinika ireto fiangonana 2 ireto aho.
1- Ny fiangonan'i Episkopo Edouard izay milaza fa mahafaty ny lalàna sy ny didy folo, raha tsy averina atao Batisa ao amin'ny fiangonany daholo hono ny olona dia ho very avokoa, mampitoetra ny fotom-pampianarany eo amin'ny Epistilin'i Paoly izy ary mampianatra momba ny OVNIE sy Extra-terrestre ary miantso ilay Mpamonjy hoe: Yahoshoua
2- Ny fiangonan'i Kohen Bera izay milaza fa efa nodorana tany Roma daholo ny "original" ny testamenta vaovao fa avy amin'i Satana ny Baiboly traduction sy ny Epistilin'i Paoly ary ny Evanjely efatra ka ny bokin'ny lalàna ihany no manankery hitadiavana famonjena. Fiangonan'i Satana hono ny fiangonana: misy fahagagana, misy faminaniana sy fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, misy fandroahana Demonia ...Avy amin'ny Jiosy hono ny famonjena ka tsy maintsy Jiosy taranak'i Levita ihany hono vao afaka manao Mpisoroana (Pasitera), Miantso ilay mpamonjy ho Yeshoua ihany koa anefa ity fiangonana ity.

Marihina fa samy ikohizana ny fahaizan'ireo olona 2 ireo manazava sy manohitra ny testamenta vaovao sy testamenta taloha ary samy mitompo teny fatratra fa ao aminy ihany no misy famonjena;
Ahoana ny hevitrareo?
novalian'i RA TAN ny 17/05/2017 12:13
2. Tefigasy ( 06/02/2013 09:50)
didi10:

Lio.6:42: "Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe : Ry rahalahy , aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao , nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao ? Ry mpihatsara-velatsihy , esory aloha ny andry eo amin'ny masonao , ary amin'izay dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao ."
3. didi10 ( 06/02/2013 10:00)
Misaotra anao namana Tefigasy fa voaray ny hafatrao: mbola hanala ny andry eo amin'ny masonao aloha izany ianao va hiresaka ny momba ny sombin-kazo eo amin'ny hafa; misaotra fa fanetre-tena lehibe izany. ;-)
4. Tefigasy ( 06/02/2013 10:04)
didi10:

Misaotra anao namana Tefigasy fa voaray ny hafatrao: mbola hanala ny andry eo amin'ny masonao aloha izany ianao va hiresaka ny momba ny sombin-kazo eo amin'ny hafa; misaotra fa fanetre-tena lehibe izany. ;-)

Lio.14:11 : " Fa izay rehetra manandra-tena no hahetry ; ary izay manetry tena no hasandratra ."
5. moustaraf ( 06/02/2013 13:02)

Tefigasy:

didi10:

Misaotra anao namana Tefigasy fa voaray ny hafatrao: mbola hanala ny andry eo amin'ny masonao aloha izany ianao va hiresaka ny momba ny sombin-kazo eo amin'ny hafa; misaotra fa fanetre-tena lehibe izany. ;-)

Lio.14:11 : " Fa izay rehetra manandra-tena no hahetry ; ary izay manetry tena no hasandratra ."

Salama namana,
Amiko manokana dia fanehoan_kevitra no atao eto, ka tsy ary hitovy avokoa izay avoaka ka itondrana fanamelohana sy fifanebahana tsy hita lany!

1. Raha izay ela izay ngamba dia samy efa namaky teto daholo fa Yeshu'a no tena anaran'ilay Mesia mpamonjy (fa tsy J.K araka ny nandikana azy akory)

2.Eo @ foto-pinoana no misy tsy itovizana kely tahaka ny Kristiana samy miantso J.K nefa maro be ireo tsy itoviana hevitra iihany koa (Sabata, Alahady, biby maloto sa madio,....)

3.ho anay mpandala ny finoana fototra HEBREO (fa tsy Judaïsme) dia TSY MIFANOHITRA VELIVELY ny Bokin'ny lalàna sy ny mpaminany , ary ny Bokin'ny Evanjily, fa saingy , ilàna fitandremana fatratra ny famakiana ny BOKY VAOVAO noho izy NASIAM-PANOVANA sy misy nandrombinana, ka mety hibirioka mihitsy raha tsy ampy fahalalana no manazava azy!

4. I Mosesy dia nanoratra milaza an'i Yeshu'a ka TSY HIFANOHITRA VELIVELY IREO; fa isika aty aoriana tsy dia ampy fahalalana no mampifanohitra sy mapifandrafy ny tandindony @ tena Izy.

5.Ny fisoronana araka ny baiboly dia mizara roa mazava tsara:
-fisoronan'i Malkitsedek : mofo sy ny divay, tsy manameloka eo noho eo fa mampaha ela ny andron'ny ratsy fanahy mba iovàny @ ratsy fanaony, rafitra fisokiana: lahy matoa
-fisoronn'i Arona: fanatitra alatsa-drà, misy levita, misy fanmelohana ho faty avy hatrany,...

Ankehitriny (Araka ny boky vaovao) dia naverina ny fisoronan'I Malkitsedek @ alalan'Yeshua, tapitra ny fisoronan'i Arona sy ny taranany , misy levita, fanatitra alatsa-drà, famonoana ho faty avy hatrany,sns...

Mbola misy fisoronana (any an-danitra), ary misy fisoronana masina atao isan'andro @ alalan'ny vavaka (fanatitra ankasitrahana)

MAHEREZA DAHOLO
6. Nehemiah ( 06/02/2013 13:13)
Ny anay FJKM kalvinista indray dia ny fahasoavana avy @ finoana no hany mahavonjy fa tsy ny asan'ny Lalàna na ny fanompoam-pivavahana, fa kosa rehefa mino dia voasoratra ao anatin'ny fontsika ny lalàn'Andriamanitra, ka mahavita manao ny sitrapony ho azy. Tsy ny olona rehetra milaza fa manana an'izay no voavonjy, fa raha tsy hita taratra aty ivelany @ alalan'ny toetra tsara fanaovan-tsoa dia tsy manana ny finoana mahavonjy izy.

Ahoana indray ny an'ny FJKHFP ?
7. ialahy ( 06/02/2013 14:18)
"Raha araka ny lalana dia tsy misy ny hovonjena"
fa i Jesoa Kristy zanak'Andriamanitra no efa nampanantena hoe andeha aho ary hanamboatra toerana ho anareo, rehefa vita izany dia ho avy aho haka anareo indray, tahaka nahitanareo Ahy niala teto no ahitanareo Ahy miverina rehefa vita ny toerana voahomako ho anareo, fa izao aloha dia torio ny Evanjely, ampahalalao ny vazan-tany rehetra fa Izy no ilay zanak'Andriamanitra nidina tety hamonjy antsika. Ary didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo.
Ary voafehin'io didy io daholo ny didy rehetra, raha Tia ianao tsy misaina ratsy, raha Tia ianao tsy andeha hitsiriritra fanan'olona, raha Tia ianao hanaja ny ray aman-dreninao...
Tsy ady hevitra no ataoko fa ho fanazavana fotsiny ny fotrotra hijoroan'ny atao hoe finoana Kristianina.
Mankasitraka ry rahalahy sy anabavy isany.
8. Miharena ( 06/02/2013 17:26)
Raha ny fahitako azy ndray dia ireo resaka ataon'ny namana mpiatarika isany ireo dia tantara tiana hovoizina fotsiny ihany ary tsy mba azo heverina ho mandatsaka anaty ny finoana sy fiovam-po. Ny fanohanana foto-kevitra tsy mahavonjy velively amiko fa mamery hevitra na mampifantoka amin-kevi-diso tsy maneho izay marina sy azo tsapaina ho fahamarinana ara-panahy.

Raha miresaka fahampiana fahalalàna ohatra ny namana Moustaraf dia rehefa tena zohina dia arakaraka ny mahabetsaka ny teny heverina fa hinoana na hevitra heverina fa hinoana no mamery ny fahalalàna.
Raha hazavaina tsotra izany dia misy vesatra azo avy amin'ny hevitra maro mifamahofaho ary very momoka ao amin'izany ny tena fahalalàna, dia ny aina IRAY noforoni'nAndriamanitra Mpahary voalohany izay ifandraisantsika AMINY mandrakariva tsy azo hozongozonina satria efa IZY no mampisy azy. Io Fototra io izay nasiana saina mandinika no mampitombo ao aminy ireo hevitra maro mifamahofaho, sy ny fanombanana fahamarinana izay tsy manome velively ny fahamarinana ankehitriny mandrakizay ao AMINY sy ao anatintsika.

Matetika ny Kristianina ankehitriny dia mandà hatrany io fomba fiheverana tsotra sy mazava io ka mamboly izao tantara rehetra izao hanorenana finoana.
9. andry2013 ( 07/02/2013 04:00)
didi10:

Amin'ny mpandalina ny finoana ny tena satria ho ny Tompo hoe:" Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara" dia nandinika ireto fiangonana 2 ireto aho.
1- Ny fiangonan'i Episkopo Edouard izay milaza fa mahafaty ny lalàna sy ny didy folo, raha tsy averina atao Batisa ao amin'ny fiangonany daholo hono ny olona dia ho very avokoa, mampitoetra ny fotom-pampianarany eo amin'ny Epistilin'i Paoly izy ary mampianatra momba ny OVNIE sy Extra-terrestre ary miantso ilay Mpamonjy hoe: Yahoshoua
2- Ny fiangonan'i Kohen Bera izay milaza fa efa nodorana tany Roma daholo ny "original" ny testamenta vaovao fa avy amin'i Satana ny Baiboly traduction sy ny Epistilin'i Paoly ary ny Evanjely efatra ka ny bokin'ny lalàna ihany no manankery hitadiavana famonjena. Fiangonan'i Satana hono ny fiangonana: misy fahagagana, misy faminaniana sy fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, misy fandroahana Demonia ...Avy amin'ny Jiosy hono ny famonjena ka tsy maintsy Jiosy taranak'i Levita ihany hono vao afaka manao Mpisoroana (Pasitera), Miantso ilay mpamonjy ho Yeshoua ihany koa anefa ity fiangonana ity.

Marihina fa samy ikohizana ny fahaizan'ireo olona 2 ireo manazava sy manohitra ny testamenta vaovao sy testamenta taloha ary samy mitompo teny fatratra fa ao aminy ihany no misy famonjena;
Ahoana ny hevitrareo?

Ny Fitiavana no Fahatanterahan'ny Lalana sy ny Mpaminany Rehetra

« Nony ren'ny Farisiana fa nataon'i Jeso tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin'izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy hoe: Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? Ary hoy Jesoa taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany." (Matio 22, 34-40)

"Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsiriri-javatr'olona, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy ao amin'ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany. (Romanina 13, 8-12)

"Ny antony kendrena amin'izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin'ny fo madio sy kosiansy tsara ary finoana tsy misy famahony; fa efa nivilian'ny sasany izany, ka nilaozany nankany amin'ny bedibedy foana; mihambo ho mpampiana-dalàna izy ireny, nefa tsy mahalala izay lazainy sy itompoany ho marina akory. Fantatsika fa tsara ny Lalàna, raha ampiasain'ny olona araka ny antony marina,sy heveriny tsara fa tsy natao ho an'ny olo-marina izy, fa ho an'ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, 10ny mpijangajanga, ny mpiray samy lehilahy, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, mbamin'ny hafa rehetra manao zavatra mifanohitra amin'ny fampianarana marina, atoron'ny Evanjelin'ny voninahitr'Andriamanitra sambatra" (1 Timote 1, 5-11)

10. didi10 ( 07/02/2013 07:50)

moustaraf:

Tefigasy:

didi10:

Misaotra anao namana Tefigasy fa voaray ny hafatrao: mbola hanala ny andry eo amin'ny masonao aloha izany ianao va hiresaka ny momba ny sombin-kazo eo amin'ny hafa; misaotra fa fanetre-tena lehibe izany. ;-)

Lio.14:11 : " Fa izay rehetra manandra-tena no hahetry ; ary izay manetry tena no hasandratra ."

Salama namana,
Amiko manokana dia fanehoan_kevitra no atao eto, ka tsy ary hitovy avokoa izay avoaka ka itondrana fanamelohana sy fifanebahana tsy hita lany!

1. Raha izay ela izay ngamba dia samy efa namaky teto daholo fa Yeshu'a no tena anaran'ilay Mesia mpamonjy (fa tsy J.K araka ny nandikana azy akory)

2.Eo @ foto-pinoana no misy tsy itovizana kely tahaka ny Kristiana samy miantso J.K nefa maro be ireo tsy itoviana hevitra iihany koa (Sabata, Alahady, biby maloto sa madio,....)

3.ho anay mpandala ny finoana fototra HEBREO (fa tsy Judaïsme) dia TSY MIFANOHITRA VELIVELY ny Bokin'ny lalàna sy ny mpaminany , ary ny Bokin'ny Evanjily, fa saingy , ilàna fitandremana fatratra ny famakiana ny BOKY VAOVAO noho izy NASIAM-PANOVANA sy misy nandrombinana, ka mety hibirioka mihitsy raha tsy ampy fahalalana no manazava azy!

4. I Mosesy dia nanoratra milaza an'i Yeshu'a ka TSY HIFANOHITRA VELIVELY IREO; fa isika aty aoriana tsy dia ampy fahalalana no mampifanohitra sy mapifandrafy ny tandindony @ tena Izy.

5.Ny fisoronana araka ny baiboly dia mizara roa mazava tsara:
-fisoronan'i Malkitsedek : mofo sy ny divay, tsy manameloka eo noho eo fa mampaha ela ny andron'ny ratsy fanahy mba iovàny @ ratsy fanaony, rafitra fisokiana: lahy matoa
-fisoronn'i Arona: fanatitra alatsa-drà, misy levita, misy fanmelohana ho faty avy hatrany,...

Ankehitriny (Araka ny boky vaovao) dia naverina ny fisoronan'I Malkitsedek @ alalan'Yeshua, tapitra ny fisoronan'i Arona sy ny taranany , misy levita, fanatitra alatsa-drà, famonoana ho faty avy hatrany,sns...

Mbola misy fisoronana (any an-danitra), ary misy fisoronana masina atao isan'andro @ alalan'ny vavaka (fanatitra ankasitrahana)

MAHEREZA DAHOLO

Misaotra ny namana,

Ny tena mahazendana ahy amin'ity Kohen ity namana dia ny filazany tsotra izao fa tsy avy amin' Andriamanin-kafa hony ny fanaovana fahagagana isan-karazany, ny faminaniana maro samihafa, indrindra ny fitenanana amin'ny teny tsy fantatra satria hono sady tsy voasoratra tao amin'ny Torah no ilay Mesia ihany hono no afaka handray ilay menarana (Satana) ao amin'ny hatony sady hanitsaka ny rambony.
Miray hevitra aminy ve ianao?
11. didi10 ( 07/02/2013 08:03)

Nehemiah:

Ny anay FJKM kalvinista indray dia ny fahasoavana avy @ finoana no hany mahavonjy fa tsy ny asan'ny Lalàna na ny fanompoam-pivavahana, fa kosa rehefa mino dia voasoratra ao anatin'ny fontsika ny lalàn'Andriamanitra, ka mahavita manao ny sitrapony ho azy. Tsy ny olona rehetra milaza fa manana an'izay no voavonjy, fa raha tsy hita taratra aty ivelany @ alalan'ny toetra tsara fanaovan-tsoa dia tsy manana ny finoana mahavonjy izy.

Ahoana indray ny an'ny FJKHFP ?

Misaotra ny namana

Tsy afaka miteny amin'ny anaran'io fiangonana io aho sady tsy fampianaram-piangonana rahateo no tiana asongadina fa ny fahamarinana ara-baiboly.
Raha ny zava-misy ao fotsiny dia afaka lazaiko aminao fa ny Baiboly velona ampiasainy dia ny fitambaran'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta vaovao rehetra ery ekena fa Tenin'Andriamanitra.

Ny fanontaniana mipetraka dia ahoana ny hevitrao momba ny fahagagana, faminaniana, ary ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, satria ao anaty testamenta vaovao daholo no nisy ireo voalaza ireo?
12. Nehemiah ( 07/02/2013 08:44)
Ny fahagagàna dia tsy natao ho spectacle tahaky ny fanaon'ny mpitondra fivavahana mpanao "Rallye des Miracles", fa na dia ny Tompo azy dia niteny ny olona nasiany soa t@ fahagagàna mba tsy hampiely an'izay. Mandeha @ finoana antsika fa tsy @ fahagagàna hita maso. Nanakiana mihitsy i Jesoa hoe : "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy" (Jn. 4:48). Ny fahagagàna dia asa soa, ary efa niteny i Kristy t@ Toriteny teny @ Tendrombohitra fa tsy ilaina manao doka antsika rehefa manao asa soa.

Raha ny faminaniana indray dia tsotra ny test : "Raha miteny amin’ ny anaran’ i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain’ i Jehovah izany: tamin’ ny fahasahisahiana no nilazan’ ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy." (Dt. 18:22). Ny mahasamihafa ny mpaminany sy ny mpanao hitsakandro dia tsy maintsy tanteraka 100% ny faminaniana rehetra izay ataon'ny mpaminany (ary izay koa no ahafantarantsika ny fahamarinan'ny Baiboly, satria raha ny faminanian'i Mosesy momba ny Zanak'Isiraely ohatra dia 1 noho ny 100 000 000 000 000 000 000 ny chances ho tanteraka @ fomba kisendrasendra izany ;) ).

Efa nampitandrina antsika moa ny Baiboly momba ny mpaminany sandoka (Mt. 24:24, Mk. 13:22). Nefa tsy dia fantatro loatra raha mpisandoka tsotra izao ireny olona ireny na voa ny sainy na tena manana hery avy @ Satana (2 Te. 2:9)

Raha ny fiteny @ teny tsy fantatra dia tsy maintsy faritana tsara ilay izy : @ Asa 4, rehefa mahazo an'izay fanomezana izay ny Apostoly, dia niteny ny tenindrazan'ny olona nifaneraserany, izay mbola tsy fantany, satria nisy firenena marobe t@ fanjakana romana, fa ny fiteny grika no fiteny ifaneraseran'ny olona samihafa firenena. Tsy mba ny fiteny hafahafa ataon'ireny "fiangonana zandriny" ireny izany.
Nanana fanomezam-pahasoavana tahak'izay koa i Nenilava. Tsy mba nianatra izy, nefa lasa mahay teny frantsay sy anglisy.
13. sitlo ( 08/02/2013 22:09)
fampianaran-diso
14. Nehemiah ( 09/02/2013 05:37)
Ny inona ?
15. niryna ( 09/02/2013 06:12)

didi10:

Amin'ny mpandalina ny finoana ny tena satria ho ny Tompo hoe:" Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara" dia nandinika ireto fiangonana 2 ireto aho.
1- Ny fiangonan'i Episkopo Edouard izay milaza fa mahafaty ny lalàna sy ny didy folo, raha tsy averina atao Batisa ao amin'ny fiangonany daholo hono ny olona dia ho very avokoa, mampitoetra ny fotom-pampianarany eo amin'ny Epistilin'i Paoly izy ary mampianatra momba ny OVNIE sy Extra-terrestre ary miantso ilay Mpamonjy hoe: Yahoshoua
2- Ny fiangonan'i Kohen Bera izay milaza fa efa nodorana tany Roma daholo ny "original" ny testamenta vaovao fa avy amin'i Satana ny Baiboly traduction sy ny Epistilin'i Paoly ary ny Evanjely efatra ka ny bokin'ny lalàna ihany no manankery hitadiavana famonjena. Fiangonan'i Satana hono ny fiangonana: misy fahagagana, misy faminaniana sy fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, misy fandroahana Demonia ...Avy amin'ny Jiosy hono ny famonjena ka tsy maintsy Jiosy taranak'i Levita ihany hono vao afaka manao Mpisoroana (Pasitera), Miantso ilay mpamonjy ho Yeshoua ihany koa anefa ity fiangonana ity.

Marihina fa samy ikohizana ny fahaizan'ireo olona 2 ireo manazava sy manohitra ny testamenta vaovao sy testamenta taloha ary samy mitompo teny fatratra fa ao aminy ihany no misy famonjena;
Ahoana ny hevitrareo?

hay ve misy an'izany ho an'ny mpandalina e, e,tsy mba mpandalina ny tena no sady tsy dia miraharaha firy ny hevitry ny olona milaza azy ho avara-pianarana be ka manao ny an'ny hafa ho tsy izy e.Raha izaho izao no teneninao ireo dia tsy mampihotsina ahy akory ,naheno vaovao mikasika ny an'ny hafa fotsiny aho saingy "tanako mafy ny finoako " satria fantatro ny Andriamanitra hivavahako .Misaotra e
16. niryna ( 09/02/2013 06:15)

Tefigasy:

[quote=didi10]
Amin'ny mpandalina ny finoana ny tena satria ho ny Tompo hoe:" Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara" dia nandinika ireto fiangonana 2 ireto aho.
1- Ny fiangonan'i Episkopo Edouard izay milaza fa mahafaty ny lalàna sy ny didy folo, raha tsy averina atao Batisa ao amin'ny fiangonany daholo hono ny olona dia ho very avokoa, mampitoetra ny fotom-pampianarany eo amin'ny Epistilin'i Paoly izy ary mampianatra momba ny OVNIE sy Extra-terrestre ary miantso ilay Mpamonjy hoe: Yahoshoua
2- Ny fiangonan'i Kohen Bera izay milaza fa efa nodorana tany Roma daholo ny "original" ny testamenta vaovao fa avy amin'i Satana ny Baiboly traduction sy ny Epistilin'i Paoly ary ny Evanjely efatra ka ny bokin'ny lalàna ihany no manankery hitadiavana famonjena. Fiangonan'i Satana hono ny fiangonana: misy fahagagana, misy faminaniana sy fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, misy fandroahana Demonia ...Avy amin'ny Jiosy hono ny famonjena ka tsy maintsy Jiosy taranak'i Levita ihany hono vao afaka manao Mpisoroana (Pasitera), Miantso ilay mpamonjy ho Yeshoua ihany koa anefa ity fiangonana ity.

Marihina fa samy ikohizana ny fahaizan'ireo olona 2 ireo manazava sy manohitra ny testamenta vaovao sy testamenta taloha ary samy mitompo teny fatratra fa ao aminy ihany no misy famonjena;
Ahoana ny hevitrareo?

Lio.6:42: "Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe : Ry rahalahy , aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao , nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao ? Ry mpihatsara-velatsihy , esory aloha ny andry eo amin'ny masonao , ary amin'izay dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao ."
Tsy azoko? Tsy mahazo mizara izay zavatra kely fantany ve izany izy? mety izay no finoany sy nolalininy hoy izy dia zarainy amintsik.Tsara ho fantatra fotsiny angamba kosa e fa tsy tonga dia tsindromina be toa izao kosa e .Manjary kivy ny olona mba te hizara sao misy mba mandray ihany kosa aloha e
17. Miharena ( 09/02/2013 17:31)
Raha tena dinihina tsara ilay izy dia samy manana sombin-kazo daholo na iza na iza, eny na ny namana Didi10 nametraka ilay lohahevitra aza dia manana ihany koa.

Rehefa tena te-hanana fahazavan-tsaina tsara isika dia miaraka mamelatra izay fantany avy aloha dia avy eo manao hoe marina daholo ny voalazantsika fa andeha hiombona ka rehefa misy tsy metimety dia fafana tsy horaisina ho fahamarinana avokoa ny an'ny andaniny na ny an'ny ankilany. rehefa tanteraka izay dia mahafantatra avokoa ny rehetra fa hay iray ihany fa ny hevitra fotsiny no mibirioka.
18. RA TAN ( 17/05/2017 12:13)
RAVA NY DIDY FOLO (LALÀN'I MOSHÈ) fa raha tsy izany ny hafa firenena (malagasy) tsy afaka miaraka @ A/tra: EFESIANA,2:15.

YAHOSHUAH no araran'ilay zanak'A/tra nandrava ny didy folo teo @ hazo fijaliana; io anarany io irary no ahazoana famonjena na aiza na aiza eto ambonin'ny tany ASA,4:12.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0427