effectif ao an-dakilasy

21. Nehemiah ( 08/02/2013 13:52)
Ny lycée fitohizan'ny kolejy ihany, fa ny université zavatra hafa.

Raha manelingelina ny fianarana ny effectif mihoampampana ve dia mety ? Marina fa tsy mba izay ihany no gaboraraka @ fanabeazana malagasy, fa tsy azo atao ambanin-javatra kosa, averiko ihany. Izaho aloha dia leon'ny mahita ankizy tsy mahomby @ fianarany.

Ka inona no tena mety anatsatohana fantsika anaty rindrina ? Martoa natao indrindra ho an'izany sa lakile tsy natao ho an'izany fa saingy atao ady gasy be fotsiny ?
Avela toy izao ny toe-java-misa sa mba miezaka hanatsara zavatra ? (Tsy manao politika aho eto lol).
22. Ratoa ( 08/02/2013 22:44)
salama daholo
tiako ho marihina aloha fa iray ihany na maternelle na CEG na lycee na université. Nahoana? Ampahin-javatra iray izy ireny,na ambaratonga, amin' ny fanabeazana. Raha fintinina amin'ny teny vazaha dia "composantes d'un même système" na "cycles". Ny système éducatif no resahina eto.
Matoa be dia be no tonga ao amin'ny lycee dia be dia be izany no tao amin'ny CEG, dia ohatra izay koa ny momba ny CEG sy ny université.
Samy misy fiatraikany amin'ny fampianarana sy ny fianarana daholo na ny isan'ny mpianatra, ny fahaizan'ny mpampianatra, ny fomba fampianarana sy ny fomba fianarana, ny trano sekoly sy ny manodidina azy.
Tsy eto Madagasikara irery no mitranga ny mpianatra be an'isa ao an-dakilasy fa vokatry ny tsy fahampian'ny isan'ny mpampianatra sy ny ezaka "EPT na éducation pour tous" izany (UNESCO, Jomtien). Ary koa vokatry ny explosion démographique eran-tany
Eo anatrehan'ny hamaroan'ny isan'ny mpianatra aza dia misy ny atao hoe "pédagogie des grands groupes" efa ho 30 taona izao no fisian'izy io. Raha mpampianatra ianao ka tianao ny handalina izany dia jereo amin'ny internet sy mizaha boky momba ny pédagogie des grands groupes. Misy fikarohana koa momba azy io eny amin'ny ENS Ampefiloha.
Satria fantatra fa misy fiatraikany ny hamaroan'ny mpianatra, izay tsy voatery ho ratsy akory. Saingy raha tsy niofana ho amin'nzany ny mpampianatra dia ho sarotra ho azy ny manazary ny asany sy ny fianaran'ny ankizy maro be.
23. Nehemiah ( 09/02/2013 05:54)
Misaotra ho an'ilay soso-kevitra, mety manampy izany. Nefa na izany na tsy izany, mikiry @ hevitro aho satria ny masoko mihitsy no efa nahita fa à l'aise kokoa ny mpianatra rehefa tsy dia betsaka loatra.

Io pédagogie des grands groupes resahanao io mety manampy tokoa, fa manampy tahaky ny famotsipotsihana fils de contact hampandeha fiara rehefa tsy misy clé de contact. Satria na dia omena manuels na alefa @ bibliothèque hitady ny fianarana tsy ampy azy ireo ny ankizy na inona dia tsy maintsy hipetraka foana ny olana hoe : ahoana ny anarahana ny fianaran'ny tsirairay, ahoana no ahitàna fotoana hijerena ny enti-modin'ny tsirairay na hanome fanazavàna ny tsirairay rehefa misy tsy azony ? Mihalalina ny olona araka ny idinana @ ambaratonga fampianarana : ny EPP no tena voa mafy. Sady tsy voatery mahay ny valiny foana ny ray aman-dreny (izay tsy manana bacc indraindray).
24. Ratoa ( 09/02/2013 20:06)
ka izay indrindra ny antony iofanana amin'ny pédagogie des grands groupes. Rehefa niofana ianao dia hitanao daholo ny fomba itondrana ilay mpianatra maro be. Lakile ny pédagogie des grands groupes fa tsy vonjy tavan'andro na tandrametaka.
Ny olana amintsika angamba dia tsy tonga aty io pédagogie io ? Tsy mandà mihitsy aho fa aleo vitsy an'isa ny mpinatra.
Tsy hisy intsony anefa izany satria mihamaro haingana dia haingana laotra ny isan'ny mpianatra ary tsy haharaka ny fitombon'ny isany mihitsy ny isan'ny mpampianatra nohon'ny antony maro samihafa. Aninisan'izany ny hakelin'ny karama zay mampandositra zay kely sisa mba mihevitra ny hampianatra. Ffa indrindra indrindra, ny ezaka hampianatra ny daholo be sy ny fampidirana ny TIC any antsekoly.
Ireo mpanambola (bailleurs de fonds) tsy hanaiky ny hitomboan'ny isan'ny mpampianatra mihitsy fa lafo be izany. Amin'izao fotoana izao aza zay tsy hitomboan'ny karaman'ny mpampianatra no imasoany mafy ary gejainy araky izany ny mpitondra rehetra.
Madagasikara tsy hivoana amin'izany fa voabango ao.
Efa tamin'ny taona 1966 no efa nahatratra 90 ny isan'ny ankizy anaty kilasy iray amin'ny EPP, eto Antananarivoe renivohitra. 1970 dia efa niakatra any amin'ny 70 ny CEG. Tsy azo ariana tsy hiananatra ny zana-bahoaka izay tsy mahatakatra hafa tsy ny sekolim-panjakana ary maro dia maro an'isa.
Ny fanafodiny izany dia ny fanofanana ny mpampianatra izay mbbola maha fohy tena eo anatrehan'ny tsy fahampiana, hiatrika ny fitoboan'ny isan'ny mpianatra. Na hifikitrra mafy dia mafy amin'ny hevitrao aza ianao, tsy misy azo atao hafa tsy ny manofana tsara ny mpampianatra.
Minoa ahy ianao fa mahomby ny pédagogie des grands groupes any amin'ny tany hafa, mandroso (développés) sy an-dalam-pandrosoana . Ambaka ve isika malagasy? Mason-tsokona izy ity ka izay kely anana no ahiratra. Ary mahay sy misy saina anie ny zaza malagasy sy mpampianatra malagasy ê!
Tsy azo ahodina hiverina ny fiainana fa ny mety dia ny manaraka ny fivoarana, fivoarana ny pédagogie des grands groupes. Inoako marina fa écoles vitsy manavakavaka be sy lafo be sisa any aoriana any no afaka mitana izany lakilasy vitsy an'isa izany.
Averiko ihany tsy roue de secours ny pédagogie des grands groupes fa tena fanala hidy.
25. Nehemiah ( 11/02/2013 12:38)
Maharesy lahatra tokoa ny hevitrao. Rehefa mijery ny manodidina aho dia onena ery mahita ireo ankizy be dia be tsy maharaka fianarana satria tavela fotsiny eo. Tsara raisina ihany io pédagogie io raha manampy ny ankizy tsirairay @ fianarany.

Nefa kosa tsy mba azo antenaina ve ny fanomezana ny asana mpampianatra ny hasina sahaza azy ? Tsy hoe je prêche pour mon propre saint, fa ny zava-misy dia tsy mahay raha ny sarambabembahoaka satria tsy manjary ny fampianarana. Ary rehefa tsy mahay raha ny vahoaka dia mora ambakaina andeha hamono tena any Ambohitsorohitra raha tsy hilaza afa-tsy izay. Mahita vola anamboarana hôpitaly manara-penitra ny mpitondra nefa tsy mahita vola anamboarana sekoly na kolejy ara-dalàna. Marina angamba ny anao fa tena fanahy inian'ny mpitondra io. Izao tsy rototra ny olona mivalan-drano eran'ny arabe iray manontolo.

Mila fandavan-tena goavana be ny asana mpampianatra satria ingrat izy io. Ary marina koa fa ny tsy fahampian'ny sasany fiofanana no anisan'ny mahatonga io gaboraraka io. Ny fampidirana io pédagogie io dia tsy tokony ahasakany ny fanentanana ny vahoaka momba an'ity asa ity, izay tsy tahaky ny asa rehetra fa manana hasina, tahaky ny asana dokotera, mpitandro filaminana, mpamponjy voina ary mpitsara (ary tsy mahagaga raha samy tafiditra @ fonction publique daholo izy ireo).
26. Ratoa ( 12/02/2013 21:27)
Marina mihitsy fa tokony omena ny hasina tandrifiny azy ny mpampianatra sy ny fampianarana. Tokony ho vitsy kokoa ny isan'ny mpianatra.
Marina fa ny fampianarana sy ny fanabeazana no zava-dehibe indrindra; saingy ilaina anie ny hopitaly ê, ary be ny zavatra tokony ho sahanina eto amin'ny tany an-dala-mpandrosoana.
Saingy ny fanabeazana no misongandina satria io no be an'isa indrindra.Azo atao saingy sarotra ny mampitombo an'isa ny mpampianatra, satria antaona maro vao mahavokatra mpampianatra iray ary ho ela vao ho tratra izany tanjona izany ka ny haingana indrindra izao dia ny manofana izay efa an-toerana dia miampy tsy kelikely eo .
Kely mantsy lay herin'ny tany toa ny antsika!

Aza mora kivy fa tsy" ingrat" izany ny asan'ny mpampianatra, izany no asa mahafinaritra sy tsara indridra; Moa ve miisy tsara noho izany hoe mamolavola ny sain'ny ankizy sy ny tanora ? Mpampianatra aho no miteny aminao. 120 (roa polo ambizato) no isan'ny mpianatro ary misy kilasy efatra.
Ny fahafinaretako dia ny mahita folo na roapolo taona aty aoriana fa lasa ingénieur, mpampianatra, ministra ets... ny mpianatro. Ary indrindra, rehefa mifanena an-dalana min'ny sasany aho tsy mahatadidy azy fa izy ireo no manantona ahy :"bonjour madama, mpianatrao aho tamin'ny taona XXXXX"
27. vahiny2004 ( 23/08/2013 08:37)

Izaho koa aloha manao hoe na misy formation spéciale hampianarana "grands groupes" aza tsy hitovy mihintsy ny résultats azo @ hoe ankizy maro iray kilasy sy vitsy ny iray kilasy e

Plus maro ny ankizy , plus miparitaka ny niveau sy ny fomba fisainan'ny ao an-dakilasy, ary ilay mpampianatra na nahazo formation tahaka ny inona aza tsy haharaka ny rehetra

Raha tsy hoe angaha misy sivana be aty am-pidirana hoe ny niveau toy izao no miray kilasy dia mampianatra ny mpampianatra dia izay mahazo mahazo dia izay tsy mahazo tsy mahazo

Fa raha tsy misy sivana izany 75 iray kilasy izany dia minoa ahy nareo fa misy miesona any ho any ary tsy hitan'ilay mpampianatra akory
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6871