"Raha tsy miady tsy mifankatia" ahoana tokoa mo izany ?

1. miarana ( 01/02/2013 06:02)
"Raha tsy miady tsy mifankatia" ahoana tokoa mo izany ?

Betsaka ny manohana io hevitra io na ny mpivavaka na tsia, fa inona tokoa ny ao ambadiky ny "ady" ? voatery tsy maintsy miady ve vao tena azo lazaina hoe mifankatia ?

Mba mila hevitra avy aminareo e !
novalian'i amig0 ny 06/03/2013 22:19
2. Nehemiah ( 01/02/2013 07:18)
"Raha tsy miady tsy mifankatia" ? Avy taiza koa izao hadalam-bevava izao ?
3. miarana ( 01/02/2013 08:34)
raha misy afaka mijoro vavolombelona (nahita soa / tsy mitombona) ihany koa dia tena ankasitrahana. Misaotra mialoha e
4. nilex ( 08/02/2013 08:03)
1-Antony voalohany mety hampiady ny mpifankatia dia noho ny tontolo sy ny kolotsaina roa samihafa niaviana sy ny niainana.Ao ny fitaizana ,ao koa ny fiarahamonina,ny fianarana vita ...,sns.
Tena mety hiteraka ady ireo satria mety miteraka tsy fitoviana eo amin'ny fijery ohatra.Mety misy toetra eo aminy nefa mety toetran'olona tsy tianao mihintsy ilay izy ohatra.Eo anefa no tena handrefesana na tena tianao tokoa ilay olona na tsia fa raha tena tia azy ianao dia tokony ho tianao koa ny toetrany.Miezaka mifanintsy fotsiny no tokony hatao.Eo no miditra ilay fitiavana satria sarotra ny mifanintsy raha toa ka olona tsy dia mahay miresaka loatra ohatra ny miaraka aminao.Mety ho mora tohina koa.
Sarotra ny mifankatia an,tsy ny miady no tsara fa ny mifampitaiza sy mifanintsy no mety indrindra.Tsy mateza ny fifankatiavana raha toa ka olona roa tsy mahay mifampihaino sy mifanitsy no miaraka.
5. ral_ ( 08/02/2013 12:47)
Matsatso izany leiroa ka tsara ampiana sira, sakay na siramamy.
Tandrovy tsara fa mahatonga ny iray hitady fofony hafa...

6. mirananirina ( 09/02/2013 09:49)
Amiko raha miady ny mpifankatia na mpihavana dia rehefa mifankatia na mihavana ry zareo avy eo dia lasa mamy be sy mafy be ny fifankatiavana
7. sitlo ( 09/02/2013 23:50)
Raha manahirana be ilay izy dia misy fomba fiteny hafa:

Ny isavorovoron-kilantoana.
8. rakhaba ( 11/02/2013 06:55)

Mety azo andikana azy koa dia hoe : Tsy hiady amin'olona tsy tianao izany ianao, satria tsy misy ifandraisanao aminy. Tsy maintsy ny olona mifandray aminao (tianao = olon-tiana, ray aman-dreny, iray tam-po, mpinamana sns...) ihany no iadiavanao, nefa tsy maintsy hifandray (hifankatia) ihany avy eo.
9. mirananirina ( 13/02/2013 12:09)

rakhaba:


Mety azo andikana azy koa dia hoe : Tsy hiady amin'olona tsy tianao izany ianao, satria tsy misy ifandraisanao aminy. Tsy maintsy ny olona mifandray aminao (tianao = olon-tiana, ray aman-dreny, iray tam-po, mpinamana sns...) ihany no iadiavanao, nefa tsy maintsy hifandray (hifankatia) ihany avy eo.

Dia ahoana izany ireny olona bdb miady ireny? ohatra ny mpanao politika,misy tsy mifankahalala akory dia miady be mifannenjika sns,
Ao koa ireo mifandona eny andalana dia miady!
10. miarana ( 16/02/2013 06:37)
Ahoana zany raha misy hatezerana tsy maharitra ? (oh : tsy nampandré mialoha ny fiovan'ny programa nomanina), azo lazaina hoe ady ve izany ?
Misy mpifankatia zay nilaza fa mbola tsy niady mihitsy nandritra izay 3 taona niarahany izay (raha eto izy dia afaka manohana ny heviny azafady)
11. rakhaba ( 18/02/2013 10:56)
Zao koa e : Ilaina ihany ny ady, izay tsy miady olom-bodo fa izay to fo mamosavy e
miarana:

Ahoana zany raha misy hatezerana tsy maharitra ? (oh : tsy nampandré mialoha ny fiovan'ny programa nomanina), azo lazaina hoe ady ve izany ?
Misy mpifankatia zay nilaza fa mbola tsy niady mihitsy nandritra izay 3 taona niarahany izay (raha eto izy dia afaka manohana ny heviny azafady)
12. sitlo ( 18/02/2013 15:03)
Efa ela no nitadiavako an'io an-dRakhaba io fa tsy mety tadidiko mihitsy. Misaotra e!
13. siga_soa ( 28/02/2013 08:11)
Hainareo moa ilay ohabolana hoe ''Ny fanambadiana toy ny rofia, vao tsy ialan-kasokasoka ary tonta tsy ialan-dromoromo"? amiko dia tsy maintsy misy ny tsy fifankazahoana na efa mpivady na mpifankatia fa mila mandinika sy mamantatra tsara ny antony mampifanditra ary avy eo miresaka sy mifandamina, ka rehefa milamina ilayt adiady teo na ilay tsy fifankazahoana teo dia mirindra tsara ny fiarahana sy ny fifankatiavana ka lasa mahafinaritra ny tohiny. Saingy tsy maintsy misy foana io adiady io, izay koa no ilaina ny fifandeferana. Arakaraky ny mpifankatia na ny mpivady no mampaharitra ny fiarahana na misy aza ady.
14. siga_soa ( 28/02/2013 08:11)
Toy ny jiafotsy mantsy fa tsy rofia e!
15. sitlo ( 28/02/2013 10:24)
revenge sex no fiantsona azy amin'ny teny anglisy
16. nilex ( 01/03/2013 06:27)
"Raha tsy miady tsy mifankatia" ahoana tokoa mo izany ?

Izaho no tena fehiny ry namana isany a.Ny olona roa ,na mpivady io na mpisipa,mahay mifandamina ao anatin'ny ady na savoritaka no atao hoe "MIFANKATIA" fa raha tsy izay dia tsy mifankatia izy izay.
Aza adino fa tsy hoe mpisipa na mpivady dia hoe mifankatia.Tsy voatery ho marina izany eny fa na mpivady vita mariazy aza tsy voatery hoe mifankatia.Eo no mampalahelo fa mbola betsaka ny olona no tsy matotra amin'ity fitiavana ity na dia efa lehibe aza ny taonany.
17. amig0 ( 06/03/2013 22:19)
Tsy marina io teny io!!

Satria rehefa mifankatia de mifankatia, rehefa miady dia miady!!

Tena tsssssss!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8059