Be ozatra

1. AMIG0 ( 29/01/2013 17:54)
Inona no tokony hataoko mba hazahoakou bras genzabe sy tratra ngeza be ary abdomen tsara?

Izaho tsy be nofo sady tsy matavy.

???????
novalian'i ded.kitty ny 02/04/2014 03:34
2. nounourse ( 29/01/2013 22:04)
Mba tsy hanoroana hevitra diso anao dia aleo mihintsy ianao voalohany indrindra makany amin dokotera dia manontany anazy hoe "inona ny regime alimentaire tokony ataoko mba hahatonga ahy ho nofosana, sy ny sport", rehefa avy eo de arahinao izay teneniny de in conseil any in ko no ho entinao any amin Gymnaz de ze sport notoroin hevitra tao no ataonao.

AMIG0:

Inona no tokony hataoko mba hazahoakou bras genzabe sy tratra ngeza be ary abdomen tsara?

Izaho tsy be nofo sady tsy matavy.

???????
3. guant ( 13/02/2013 13:40)
mila mikotrana elah!miditra salle de musculation de mikaly be! akondro sy yaourt isan'andro
manao maximum ze tratra de milam!azonao ny tratrabe sy ny sandry be! tandremo fotsiny sao dia mahery setra avy eo!
4. guant ( 13/02/2013 13:42)
manantona cotch mihintsy fa aza manao nao fahatany! satri mety hanimba izany!
5. pulm ( 15/03/2013 13:46)
Fanga enaoty te hanao gros bras? tandremo a! vosambotra @zany ny eto atanana aza izao efa blem be ko maika isy anao
6. ded.kitty ( 02/04/2014 03:34)
Ny ao andoha no mila amboarina voalohany, raha tsy izay tsy makaiza ny kotrana. Heritrereto tsara aloha inona no tanjonao, ary inona no antony? Rehefa mazava io, amboaro ny fotoana afahanao mikotrana ao anatin'ny fandaharanao andavanandro.
Rehefa mikotrana koa aza atao mitovy foana ny fanatajahantena, aza mijanona amina karazana kotrana iray fotsiny fa afangaroy.
- Alatsinainy hoatra: Tratra sy triceps adin'iray. 12 secondra miaina sy misotro rano anelanelan' ny kotrana dia lasa indray.
- Talata: Biceps sy ny lamosina dia adbos, adin'iray koa. Mitovy @ ambony ihany ny rythme.
- Alarobia: Manao yoga kely maka aina, na milomano, zavatra tsotsotra tsy dia mamizana
- Alakamisy: Miazakazaka, mitsambikina @ tongotra ilany, manao seza rivotra.
- Zoma: Kenpo/Kickboxing/Muay Thai.
- Sabotsy: Gym, souplesse
- Alahady: Misaotra an' Andriamanitra fa mbola velona sy salama tsara.
Hovaovao, sy afangaroy manjary zatra ny hozatra dia tsy mitombo intsony.
Ny sakafo koa aza atao kitoatoa fa raha tsy maharaka io na be loatra, lasa kely aina, na lasa ilay bokony voky lasopy ireny. Aza dia manao siramamy loatra raha tsy hoe vao avy nikotrana. Fandrama no mety kokoa. Hena akoho, omby, trondro, atody, voan-kazo, tsaramaso, voanjobory, anana, salady ataovy be. Aza dia manao jus matetika fa rano dia ampy.
Tsara koa raha manana namana fa mazoto kokoa amin'izay, sady afaka mifanampy mamely iray farany rehefa tonga @ faran'ny ainao iny.
Aza maika koa fa mizara fotsiny mikotrana, na dia 30mn isan-andro aza. Voalohany marary, satria tsy zatra ny ozatra. Tsy tonga vetivety io. 3 volana eo vao manomboka mahita fihovana misongadina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166