Nofy mitohy

1. Seul110 ( 29/01/2013 07:39)
Nahatsikaiky mafy ahy ihany ity nofiko ity ry namana isany! :
afak'omaly alina dia nanonofy mpamosavy aho ary tsy mahetsika mihintsyno miteny2 nefa tsy mahatafavoaka feo,taitra avy eo aho tera-tsemboka be.
Omaly halina indray de mbola nanofy pamosavy ihany ary in-telo mihintsy fa isakin'ny taitra aho ka miverina matory de manofy tsindriany fona.ny faharoa de nahita tovovavy kely mandraraka vovoka eo am-baravarakely aho,ary fantatro io olona io. Ny farany de tratrako hono izy de niantsoantso aho nefa mingonongonona fotsiny no fahenoan vadiko ahy.
Ka mety ho nofy fotsiny ve izany sa.....?
novalian'i tiris8786 ny 04/08/2015 16:48
2. nounourse ( 30/01/2013 22:14)
Tsy hoe minomino foana ny tenako akory na mampatahotra fa tsara aminao manantona fiangonana (raha Kristianina ianao) dia manontany pastera na mopera.
Raha tsy dia mahavoa anao loatra nefa ny mande dia mila mivavaka ianao (raha mpino) dia oentina ambavaka io nofy io.

3. rabefou ( 02/02/2013 17:45)
ity indray adklé kely fotsiny, tsy finoanoam-poana na fanerena hanaotao foana fa raha tsy mpivavaka ianao dia maka rano mangatsiaka iray vera dia ataovy eo am-baravarana (avy aty anatiny). raha mino an'Andriamanitra MPAHARY ianao, hamafiso ny finoana fa [b]TOMPO MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA IZY[/B] mahereza dia aza manameloka n'iza n'iza. raiso ho toy ny nofy ihany ny sisa
4. Ratoa ( 17/03/2013 22:38)
Ny tsara indrindra dia ny mivavaka sy miantso an'i Jesosy. Raha handeha hatory ianao dia mivavaha, raha taitra ianao ny alina dia mivavaha aloan'ny hiverina hatory ary mivavaha koa rehefa mamoa sy manidy ny varavana sy varavarankely dia antzsoy foana i Jesosy hanampy anao
5. sitlo ( 19/03/2013 11:29)
Aza dia mivaky loha loatra amin'izay nofy izany. Izay no maha-nofy azy.
6. tiris8786 ( 04/08/2015 16:48)
Izaho aloha dia tsy mandray be loatra raha nofy (na tsara io na ratsy) fa misy olona tena notaizana tamin'io nofy io mihintsy dia lasa isaky ny manofy dia mitady foana hoe inona ny dikany.
na izany aza anefa, jerijereo ihany ny manodidina sao misy te hisompatra anao. jerijereo ny tokotany sao misy zavatra tokoa (mosavy). diniho tsara vao mampiditra olona ao an-trano sao dia ny manaraka hanao anao tokoa ary aza mihinankinana zay omena anao aloha mandritra ny fotoana elaela zany hoe mba précautions fotsiny ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2165