Ny antom-pahavelomanao
1. leva2
(
24/01/2013 20:02)
Velona Jesosy!
Ity video fampianarana ity, izay zaraiko aminao androany, sy anasako anao hijery sy hihaino hatramin'ny farany, dia mifandraika indrindra amin'ny lohahevitra naroson'ny namana niryna manao hoe : "Tsy zakako intsony ny onjam-piainana ..."
Hotahian'ny Tompo manokana ianao namana!

novalian'i smileyah ny 30/01/2013 13:22
2. Tefigasy
(
25/01/2013 06:53)
leva2:
Velona Jesosy!
Ity video fampianarana ity, izay zaraiko aminao androany, sy anasako anao hijery sy hihaino hatramin'ny farany, dia mifandraika indrindra amin'ny lohahevitra naroson'ny namana niryna manao hoe : "Tsy zakako intsony ny onjam-piainana ..."
Hotahian'ny Tompo manokana ianao namana!
mahafinaritra ilay fizarana. Ireto no azoko hamitinana azy ho an'izay tsy manana connexion tsara na tsy de nisy fotoana nihainoana azy hatramin'ny farany :
Ny antom-pahavelomanao voalohany indrindra dia ny mba hanananao fiainana mandrakizay, eny fa na dia mbola eto an-tany aza.
Jao.3:36 "Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana , fa ny fahatezeran' Andriamanitra no mitoetra eo aminy ."
==> Jesoa Kristy ihany no lalana fa tsy misy ankoatra Azy. Tsy ny fitandremana lalàna na zavatra hafa fa ny fanekena ny mba ho ateraka ao Aminy
Rehefa nanaiky sy teraka ao amin'i Kristy dia ny Isaia.11:2 "ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy , dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina ; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana ; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; " no hita, vokatra voalohany eo amin'ny fiainan'ny olona. Ny ran'ny jesosy manadio, ary rehefa madio dia miova tanteraka ny fiainana, lasa olom-baovao, ilay olona mamolava fahiny lasa feno fitiavana. Rehefa mandray an'i Jesoa isika dia fantatry ny fiaraha-monina, ny manodidina izany ary izay noa ntom-pahavelomanao.
Eo ihany koa ny Gal.5:1 ; 4 "1:Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika ; ka tomoera tsara , fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony - 4 :Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna ; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo"
Ny antom-pahavelomanao faharoa, ho anao efa nandray an'i Kristy dia misy zavatra andrasan'ny Tompo aminao matoa mbola nomeny tombon'andro ianao
Liok.13:6-9 : fanoharana mikasika ilay aviavy tsy namoa, tsy nahitana voany amin'ny fotoanany.
Apok.20:12-13 : samy mbola hotsaraina sy ampamoahana amin'ny asany ny tsirairay
==> ny antom-pahavelomanao dia ny mba hiasa ho an'Andriamanitra. Mila olona hiasa Andriamanitra, mila olona mba hanome vokatra ho azy Izy, mila anao hitaona olona ho ao Aminy Izy. Hain'Andriamanitra atao ny mampibebaka olona na tsy misy mpitoriteny aza saingy raha mampiasa anao ny Tompo dia tombony ho anao ny fanekena ny mba ho irany.
Aza miandriandry izay tsy handeha. Impiry no efa nandrenesanao izao antso izao, firy ny olona mbola tsy nandreha izany? fotoanan' ny fiasana izao, raha hanomboka ianao androany, tombontsoa anao ny mamaly ny antso.
Tsy vanim-potoanan'ny fitoriana ny ampahafolon-karena tahaka ny zava-nisy tamin'ny andron'ny zanak'israely intsony izao. Tsy mila am-pahafolony intsony Andriamanitra, fa ny fiainanao iray manontolo no ilainy. Izay fatra omenao no hamaran'Andriamanitra izay mba ho anao ihany koa; izay mahafoy ny ainy no sitrak'andriamanitra. Iza ary no hanaiky ny mba ho irany? Izay no mbola antom-pahavelomanao
Misaotra amin'ny fizarana
4. smileyah
(
30/01/2013 13:22)
Ny antom-pahavelomako?
Hikolokolo sy hikarakara ny vady aman-janako ary hitarika azy ireo ho tia sy hanompo an'Andriamanitra.
Hitarika ny olona rehetra ho tia sy hanompo Azy amin'ny alalan'ny fomba fiainako andavanandro: fizarana fitiavana, hafaliana,fahatsoram-piainana,fitiavam-bavaka, ary miezaka mandrakariva ny hanao ny tsara eo imason'Andriamanitra.
Miandry amim-paharetana ny fotoana hiavian'ny Tompo:mandefitra ny zavatra rehetra ary manantena ny halehiben'ny Famindram-pony.
Velona Jesoa.