Tena Kristianina ? Idealin'ny Fiainana ao amin'i Kristy

1. Andry2013 ( 24/01/2013 06:18)
Ny Fiainana ao amin'i Kristy

Ry kristianina, fantaro ny fahamendrehanao. Satria mandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra ianao ankehitriny, ka aza miverina mikororosy fahana indray amin’ny fiainanao taloha. Tsarovinao hoe : amin’ny Filoha iza no misy anao ary amin’ny Vatana inona no misy anao rantsambatana. Tadidionao fa nalàna tamin’ny fahefan’ny maizina ianao mba hafindra ao amin’ny fahazavana sy ny Fanjakan’ Andriamanitra».

Ny Sembolin’ny finoana dia manambara ampahibemaso ny halehiben’ny fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona eo amin’ny tsanganasa fahariany, fa indrindra koa amin’ny fanavotana sy ny fanamasinana. Izay ambaran’ny finoana, dia ampitain’ny sakramenta : amin’ny alalan’ «ny sakramenta izay niterahana an’ireo kristianina» no nahatonga azy ireo ho «zanak’Andriamanitra» (Jo 1,12 ; 1 Jo 3,1), «mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra» (2 Pi 1,4). Ny faneken’ireo kristianina amim-pinoana ny fahamendrehany vaovao, dia miantso azy ireo, manomboka izao, hanana «fiainana mendrika ny Evanjelin’i Kristy» (Filip1,27). Amin’ny alalan’ny sakramenta sy ny fivavahana izy ireo no no mandray ny fahasoavan’i Kristy sy ny fanomezan’ny Fanahiny izay mahatonga azy ireo ho afaka hiaina izany.

Nanao izay nahafaly lalandava ny Ray i Kristy Jesoa (Jo 8,29.). Niaina lalandava tamin’ny fiombonana lavorary niaraka Taminy Izy. Toy izany koa, asaina hiaina eo ambany mason’ny Ray «izay mahita ao amin’ny mangingina» (Mt 6,6) ireo mpianany, mba ho «lavorary tahaka ny fahalavorarian’ny Ray any an-danitra» (Mt 5,48).

Noho ireo kristianina voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy (Rôm 6,5.), dia «maty amin’ny fahotana fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa» (Rôm 6,11) izy ireo, ka mandray anjara araka izany amin’ny fiainan’ilay Nitsangan-ko velona (Kôl 2,12.). Amin’ny fanarahan’izy ireo an’i Kristy sy amin’ny firaisana Aminy (Jo 15,5.), no ahafahan’izy ireo manahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanaka malala sy manaraka ny lalampitiavana(Efez 5,1-2)., amin’ny fampanarahana ny eritreritr’izy ireo, ny tenin’izy ireo ary ny asan’izy ireo «amin’ny saina amam-panahy izay ao amin’i Kristy Jesoa» (Filip 2,5) sy amin’ny fanarahana ny oha-piainany (Jo 13,12-16).

«Nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ny Andriamanitsika» (1 Kôr 6,11), sy nohamasinina ary nantsoina ho masina(1 Kôr 1,2) ny kristianina rehetra ka manjary «Tempolin’ny Fanahy Masina» (1 Kôr 6,19). Io «Fanahin’ny Zanaka» io no mampianatra azy ireo hivavaka amin’ny Ray(Gal 4,6), ka mampanjary izany ho fiainan’izy ireo, ary mampiasa azy ireo(Gal 5,25) mba «hitondra ny vokatry ny Fanahy»(Gal 5,22.) amin’ny alalan’ny fitiavana aseho an’asa. Ny Fanahy Masina, amin’ny fanasitranana ny ratra noho ny fahotana, no manavao antsika ao anaty amin’ny alalan’ny fanovàna ara-panahy (Efez 4,23), manazava antsika ary mampahery antsika mba hiaina ny maha-«zanaky ny fahazavana» (Efez 5,8) amin’ny alalan’ny «hatsarampanahy, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana» amin’ny zavatra rehetra (Efez 5,9).

« Ny lalan’i Kristy no mahatonga any amin’ny fiainana» (Mt 7,14)) ; ny lalana mifanohitra amin’izany kosa, «mahatonga any amin’ny fahaverezana» (Mt 7,13),(Det 30,15-20).. Hita lalandava ao amin’ny katesezin’ny Fiangonana ny fanoharan’ny Evanjely momba ny lalana anankiroa. Mampahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fanapahan-kevitra ara-môraly ho amin’ny famonjena antsika izany. «Misy anankiroa ny lalana, ny iray mankany amin’ny fiainana, ny iray hafa mankany amin’ny fahafatesana ; koa samy hafa tanteraka izy anankiroa ireo»

Loharanon-kevitra: katesizin'ny Fiangonana katolika andalana 1691-1696
http://www.vatican.va/archive/ccc_madagascar/documents/catechism_mg.pdf
novalian'i andry2013 ny 04/02/2013 19:54
2. Nehemiah ( 24/01/2013 07:22)

Andry2013:

Izay ambaran’ny finoana, dia ampitain’ny sakramenta : amin’ny alalan’ «ny sakramenta izay niterahana an’ireo kristianina» no nahatonga azy ireo ho «zanak’Andriamanitra» (Jo 1,12 ; 1 Jo 3,1) [...] Amin’ny alalan’ny sakramenta sy ny fivavahana izy ireo no no mandray ny fahasoavan’i Kristy sy ny fanomezan’ny Fanahiny izay mahatonga azy ireo ho afaka hiaina izany.

Ka eo moa no tsy iraisako hevitra : tsy milaza ny Baiboly fa ny sakramenta no ahazoana ny fahasoavana fa ny finoana an'i Kristy (ary izay koa no ambaran'ny Jn. 1:12).

Raha ny batisa no resahana dia "tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’ Andriamanitra , amin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty." (1 Pet. 3:21) Izany eo olona efa mino no mandray ny Batisa. @ Asa 22:16 izao tsy dia mitombina loatra ny hoe "ka hosasana ho afaka @ fahotanao" fa tokony hoe "ary sasao ny fahotanao" satria ny ràn'i Jesoa Kristy no hany manadio antsika @ fahotantsika. @ Asan'ny Apostoly iray manontolo izao, ny olona efa mino no atao Batisa.
3. didi10 ( 24/01/2013 12:26)

Andry2013:

Ny Fiainana ao amin'i Kristy

Ry kristianina, fantaro ny fahamendrehanao. Satria mandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra ianao ankehitriny, ka aza miverina mikororosy fahana indray amin’ny fiainanao taloha. Tsarovinao hoe : amin’ny Filoha iza no misy anao ary amin’ny Vatana inona no misy anao rantsambatana. Tadidionao fa nalàna tamin’ny fahefan’ny maizina ianao mba hafindra ao amin’ny fahazavana sy ny Fanjakan’ Andriamanitra».

Ny Sembolin’ny finoana dia manambara ampahibemaso ny halehiben’ny fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona eo amin’ny tsanganasa fahariany, fa indrindra koa amin’ny fanavotana sy ny fanamasinana. Izay ambaran’ny finoana, dia ampitain’ny sakramenta : amin’ny alalan’ «ny sakramenta izay niterahana an’ireo kristianina» no nahatonga azy ireo ho «zanak’Andriamanitra» (Jo 1,12 ; 1 Jo 3,1), «mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra» (2 Pi 1,4). Ny faneken’ireo kristianina amim-pinoana ny fahamendrehany vaovao, dia miantso azy ireo, manomboka izao, hanana «fiainana mendrika ny Evanjelin’i Kristy» (Filip1,27). Amin’ny alalan’ny sakramenta sy ny fivavahana izy ireo no no mandray ny fahasoavan’i Kristy sy ny fanomezan’ny Fanahiny izay mahatonga azy ireo ho afaka hiaina izany.

Nanao izay nahafaly lalandava ny Ray i Kristy Jesoa (Jo 8,29.). Niaina lalandava tamin’ny fiombonana lavorary niaraka Taminy Izy. Toy izany koa, asaina hiaina eo ambany mason’ny Ray «izay mahita ao amin’ny mangingina» (Mt 6,6) ireo mpianany, mba ho «lavorary tahaka ny fahalavorarian’ny Ray any an-danitra» (Mt 5,48).

Noho ireo kristianina voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy (Rôm 6,5.), dia «maty amin’ny fahotana fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa» (Rôm 6,11) izy ireo, ka mandray anjara araka izany amin’ny fiainan’ilay Nitsangan-ko velona (Kôl 2,12.). Amin’ny fanarahan’izy ireo an’i Kristy sy amin’ny firaisana Aminy (Jo 15,5.), no ahafahan’izy ireo manahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanaka malala sy manaraka ny lalampitiavana(Efez 5,1-2)., amin’ny fampanarahana ny eritreritr’izy ireo, ny tenin’izy ireo ary ny asan’izy ireo «amin’ny saina amam-panahy izay ao amin’i Kristy Jesoa» (Filip 2,5) sy amin’ny fanarahana ny oha-piainany (Jo 13,12-16).

«Nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ny Andriamanitsika» (1 Kôr 6,11), sy nohamasinina ary nantsoina ho masina(1 Kôr 1,2) ny kristianina rehetra ka manjary «Tempolin’ny Fanahy Masina» (1 Kôr 6,19). Io «Fanahin’ny Zanaka» io no mampianatra azy ireo hivavaka amin’ny Ray(Gal 4,6), ka mampanjary izany ho fiainan’izy ireo, ary mampiasa azy ireo(Gal 5,25) mba «hitondra ny vokatry ny Fanahy»(Gal 5,22.) amin’ny alalan’ny fitiavana aseho an’asa. Ny Fanahy Masina, amin’ny fanasitranana ny ratra noho ny fahotana, no manavao antsika ao anaty amin’ny alalan’ny fanovàna ara-panahy (Efez 4,23), manazava antsika ary mampahery antsika mba hiaina ny maha-«zanaky ny fahazavana» (Efez 5,8) amin’ny alalan’ny «hatsarampanahy, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana» amin’ny zavatra rehetra (Efez 5,9).

« Ny lalan’i Kristy no mahatonga any amin’ny fiainana» (Mt 7,14)) ; ny lalana mifanohitra amin’izany kosa, «mahatonga any amin’ny fahaverezana» (Mt 7,13),(Det 30,15-20).. Hita lalandava ao amin’ny katesezin’ny Fiangonana ny fanoharan’ny Evanjely momba ny lalana anankiroa. Mampahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fanapahan-kevitra ara-môraly ho amin’ny famonjena antsika izany. «Misy anankiroa ny lalana, ny iray mankany amin’ny fiainana, ny iray hafa mankany amin’ny fahafatesana ; koa samy hafa tanteraka izy anankiroa ireo»

Loharanon-kevitra: katesizin'ny Fiangonana katolika andalana 1691-1696
http://www.vatican.va/archive/ccc_madagascar/documents/catechism_mg.pdf

Mba misy namana indray i Hery sa Rahery ihany ity?

Andry2013:

Ry kristianina, fantaro ny fahamendrehanao. Satria mandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra ianao ankehitriny, ka aza miverina mikororosy fahana indray amin’ny fiainanao taloha. Tsarovinao hoe : amin’ny Filoha iza no misy anao ary amin’ny Vatana inona no misy anao rantsambatana. Tadidionao fa nalàna tamin’ny fahefan’ny maizina ianao mba hafindra ao amin’ny fahazavana sy ny Fanjakan’ Andriamanitra».

Tiako be ity fampidirana ity satria marina 100% ny voalaza ary eto aza dia mamandrika ny tenany ny mpampianatra ny katesizy.

Hono ho aho namana!
Ilay fiainana taloha tiana resahana ve, ilay fiainana talohan'ny naha zanak'Andriamanitra sa ilay fiainana tamin'ny fiainana hafa (vie antérieure par ex), ny mahagaga mantsy dia milaza ilay katesizy fa lasa zanak'Andriamanitra izay vita sakramenta (Batemy, fihavanana, kominio...) ka tamin'ny fotoana inona ary io nikorosy lazainy io? sa ve ny zanak'Andriamanitra (vita Batisa) afaka mikorosy mandrapa-lehibe dia miverina indray avy eo rehefa atao Sakramenta hafa?

Ny zavatra torian'ilay Katesizy anie marina amin'ny fond fa disoina any amin'ny forme e! mazava eto ny contradiction amin'ny fiainana aorian'ny batisan-jaza sy ny fiainana aorian'ny batisan'ny fibebahana ho an'ny olon-dehibe.
4. andry2013 ( 25/01/2013 08:57)
Izaho aloha tsy i Hery, vao haingana ihany ao no niditra teto amin'ny dinika fivavahana sy finoana na efa tato amin'ny serasera ihany ary aho taloha fa nampiasa pseudo hafa fa mahafinaritra ahy kosa ny mahalala hoe misy namana mety mitovitovy hevitra amiko.

Ilay hoe Fiainana Taloha aloha dia afaka zaraina roa araka ny fijeriko azy
-Misy ireo tsy mbola Kristianina Mihitsy fa vao miditra ho Kristianina (...)
- Misy ireo efa Kristianina vita Batemy sns fa mbola lavo indray ka mandeha mandray ny Sakramentan'ny Fampihavanana ka antsoina sy ankaherezina tena hijoro marina : Andriamanitra tsy nametra ny isan'ny Famelankeloka (i Piera ary dia efa anadà an'i Jesoa in-telo) fa mila mitandrina isika fa tsy fantatra na amin'ilay ianao mbola maloton'ny fahotana iny no lasa tampoka...Andriamanitra koa mahalala ny intention rehetra raha manao ilay hoe aleo rahapitso mibebaka....na ny toy izany...izy dia mitaky ilay hoe Fo madio mialoha ny zavatra rehetra amintsika.

Marina tokoa fa na ireo nanoratra io Katesisma io ary dia olombelona mbola mety lavo saingy nananana courage izy ireo hilaza Marina sy ny Tokony ho izy : Ady ny Fianana eto an-tany , Ady amin'ny Ratsy sy ny Fahakivina ary Tsy mora no miditra any An-danitra :
"Midira amin'ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana mankany amin'ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; 14fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny làlana mankany amin'ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! " (Matio 7,13-14). Mila mifikitra mafy sy tena matoky azy tompo sy tena miady marina

Ny momba ny amin'ny zaza sy ny batemy izay misy miady hevitra momba io dia hoy i Jesoa:

" hoy Jesoa taminy: Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona ahy; fa an'ny tahaka azy ny fanjakan'ny lanitra. Ary rahefa nametra-tànana tamin'izy ireo izy, dia nizo-dàlana indray." (Matio 19:14)

Lazain'i Jesoa aza fa ny toa an'i zaza (amin'ny fahatsorana sy fanetre-tena ary fahatokisana) no lehibe indrindra ami'ny Fanjakan'ny lanitra

"Tamin'izay, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra? Dia niantso zazalahy kely anankiray Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory" (Matio 18, 1-3)

Ka tena lesona lehibe ho antsika rehetra izany raha nyhevitro. Mbola te hamaly bebe kokoa aho momba ireo resaka momba ny Sakramenta sy izay nolazainao sy ny namana Nehemiah koa fa tena mbola somary maimaika aho izao ka mety mbola hanohy hamaly amin'ny manaraka.

5. smileyah ( 30/01/2013 08:48)
Ny tena kristianina? Olona be fitiavana satria Andriamanitra dia fitiavana ka izay tsy manana an'io fitiavana io dia tsy manana an'Andriamanitra. Fa ny fitiavana dia mandefitra ny zavatra rehetra, tsy faly amin'ny tsy fahamarinana, mahari-po, tsy mivadika, madio fo, mamela heloka.
Ireo olona mino an'i kristy ary vita batemy. Miaina miaraka @ i Kristy isan'andro. Noho izany manao ny sitrapon'Andriamanitra. Olona tia vavaka.
6. andry2013 ( 04/02/2013 19:54)
smileyah:

Miombo-kevitra tanteraka aminao aho amin'ireo voalazanao ireo, mila miombona amin'ny Fiagonana koa isika mba tena ahatanterahina ny sitrapon'Andriamanitra dia ny Firaisan'ny Kristianina izany , marik'izany Firaisana Izany ohatra ny Sakramentan'ny Eokaristia (Asa 2,42; Asa 20,7; 1 Korintianina 11,23-29) izay Naorin'i Jesoa manokana mihitsy (Matio 26, 26-27; Marka 14, 22-24; Lioka 22, 19-20; Lioka 24,30; Joany 6, 50-69)ary tena mifono Mistery sy hevi-dalina tsy azontsika saintsainina akory(...) Hoy mantsy Md Paoly:

"Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'ny Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'ny Kristy va? Satria iray ihany ny mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra." (1 Korintianina 10, 16-17)

Ny Ra sy ny tenan'i Kristy raisintsika sy mampiobona antsika dia tonga amin'ilay fitenenana hoe nofo-kena mitam-pihavanana Ilay Maha-Tena iray ny Fiagonana, Mbola hoy ihany koa i Md Paoly :

"Tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra.

Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen'ny Kristy antsika tsirairay avy. 8Izany no anaovan'ny Soratra Masina hoe: Niakatra any ambony izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an'ny olona. Inona no ilazana hoe niakatra izy, afa-tsy noho izy efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? Ary tsy iza ilay nidina fa ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra.

Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin'ny fandavorariana ny olona masina, dia amin'ny fandrafetana ny tenan'ny Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak'Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan'ny Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon'ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan'ny olona ho amin'ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin'ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin'ny zavatra rehetra, amin'ny firaisana amin'ny Loha, dia ny Kristy. Izy no iankinan'ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin'ny fitiavana.

Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin'ny Tompo: Aza manao fitondran-tenan-jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan'Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambam-pony, ka lany henatra dia navarin'ny filan-dratsiny tamin'ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. Fa hianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala ny Kristy, raha izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin'i Jesoa, hiala amin'ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban'ny fitaky ny filan-dratsy, mba hohavaozina ao amin'ny saina amam-panahinareo hianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an'Andriamanitra amin'ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.

Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra. Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena fidirana ny demony.

Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tànana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin'ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan'izay mihaino fahasoavana. Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin'ny andro fanavotana. Esory aminareo rahefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. Fa aoka hianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan'Andriamanitra anareo ao amin'ny Kristy." (Efezianina 4,4-32)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0594