zaza tsy misakafo

1. arialy ( 14/01/2013 10:16)
miarahaba antsika rehetra
hizara olana toy ny fanao é, mitady trai-kefa sy hevitry ny hafa fa very hevitra
Ilay zanako (4taona sy tapany), lasa toy ny fotoan'ny ady aminy ny fisakafoanana, tsy misakafo
léry fa laozany mandrevy na milalao, tazominy ao ambavany fotsiny ny sakafo hohaniny fa tsy tsakoany
sy tsy ateliny...voateny foana izy, nisy fotoana aza aho nitsongo mihitsy fa leo be sy vizana miady aminy, ny sakafo maraina no tena henjana, nandramako daholo ny mofo, céréales, biscuits fa mitovy daholo ny fihinanany azy, maka kely izy dia ajanony ao ambavany dia milalao izy na mandrevy, mila arahina maso, raha hoe miomana na manomana ny zandriny aho dia mila mitabataba manotany azy any ambadika hoe lany ve? vita ve?, valiany foana hoe kely sisa, rehefa miverina mahita fa tsy mihetsika akory dia tezitra be ...azavaina aminy foana, resahana sns fa tsy tafavoaka é,
izay mba manana trai-kefa na soso-kevitra hanovana re, raisiko an-tanan-droa, misaotra mialoha
novalian'i pulm ny 15/03/2013 13:31
2. mirananirina ( 14/01/2013 13:01)

arialy:

Manahirana tokoa io fa ny zanako rht dia nanao izany daholo ny 1 moa 5 taona vao nihinana tsara, ny 1 moa dia tsy mihinana mht fa miady @ sakafo, fa makarary fo ilay izy ary tena mahatezitra mht satria ariana foana ny sakafo taloha moa nohaniko daholo dia natavy be aho fa izao ny 1 efa mihinana tsara satria efa lehibe, ny zandriny moa mbola skil kely mahonena!
Rhf ilazako ny dokotera dia hoe tsy maninn io ,rhf noana izy mihinana foana dia tsy niforcéko intsony izao fa leo be aho dia inn no haniny rhf noana izy chips na pain au chocolat sns... Raikitra indray ny fanafenana ny gouter dia tsy avoako raha tsy lera @ 16h30. Dia manomboka mihinana kely izao fa fantany fa tsy ihinana raha tsy ela!Dia jerevo koa izay hanina tiany ho hanina dia anaovy matetika an'iny izy na dia 4fois/ sem aza!sitrany ahay!!izany hoe fruit sy légume izany moa dia eh eh !!fa aza kivy eh miova miandalana eny foana io
3. hery ( 15/01/2013 07:40)
Atao fitsipika mihitsy hoe tsy asiana télé ao an-dakozia, na vonoina tanteraka ny télé rehefa fotoanan'ny sakafo. Izay zavatra rehetra mety mahavariana (kilalao, sns) dia ajanona alohan'ny sakafo ary tenenina azy hoe aorian'ny sakafo indray raisina ka raha te hiverina hilalao malaky dia misakafo malaky. Io no hitako mahomby amin'ny anay. Miadana be ihany izy fa rehefa ampatsiahivina azy hoe raha te hiverina hilalao dia hano malaky, dia miverina mihinana indray.

4. AMIG0 ( 15/01/2013 09:13)
hery> lol soa ihany elah fa tsy dadako !

5. nilex ( 21/01/2013 13:40)
Tsy maintsy misy zavatra tiany ho anina kosa e,fa tsy voatery ho vary foana nge ny sakafo homena ny ankizy e.Izay tiany sy mampazoto azy homena azy.Tiako ho zaraina ihany koa fa nisy fotoana ny zanako tsy mazoto mikaly ka natoron'ny olona aho hanome azy ireny henana sobakaka be ireny,atao mendy tsara dia omena azy fa tena lasa mampazoto homana be azy iny avy eo.Andramo ange e.
6. arialy ( 06/02/2013 09:58)

nilex:

misaotra anareo fa ho andramako aby reo, za koa ratsy connex de tsy tafiditra teto elaela , ny dokotera koa nilaza ahy aloha hoe tsy misy olona manaiky rey noana izany fa matoa tsy mihinana tsy noana, nefa tsy maitsy amena
7. booboo ( 19/02/2013 09:37)
Arialy a, tena fadio mihitsy ilay hoe lasa ady ilay fampisakafoanana azy, fa rehefa kelikely eo na rehefa lehibe izy dia hanana olana @ fifandraisana @ sakafo. Tokony ho "plaisir" ny misakafo sy manandrana tsiron-kanina vaovao ; hatr@ 6 taona zareo mbola @ phase n'ny découverte n'ny tsiron-kanina sns, ka raha izao dia efa tsy mandeha ilay fitaizana azy @ resa-tsakafo dia mampalahelo e...Marina mihitsy ny an'ny doko hoe un enfant ne se laissera jamais mourrir de faim (@ ankapobeny)
Maninona indray raha toa ka ovaina kely fotsiny ny fombafomba rehefa maraina @ izay samy tsy mi-stresse ny iray trano ny @ izay sakafo laniny na tsia ? Ankoatra ny efa natoron'ny namana hafa ireo, miezaka mafy mihitsy mba maka na 5 min fotsiny aza miaraka manao petit déj daholo, na hipetraka eo akaikiny eo fotsiny aza mamahana an'azy raim. Dia na ho fahanana tsindraindray aza tsy maninona fa mety tsy du matin koa izy anie ;-).
Dia teneno azy tsotra fotsiny hoe tsisy afa-tsy io ny petit déj izao, raha noana ianao rehefa avy eo dia miandry atoandro vao misy sakafo indray (raha tsy hoe misy goûter zareo any am-pianarana). Dia izay, izay laniny eo laniny na 2 sotro-kely aza ny ronono lany fa aza hitarina @ fibedesana sy ny tsongo sns. Mahazo izay zavatra tenenina aminy ange zareo olona kely ireny e ;-).
Azoko mihitsy ilay hoe tsy maintsy mbola mikarakara ilay zandriny sns koa (mitovy isika @ io), fa ezaho ho tony ny rythme fa vao manomboka ny tontolo andro dia efa gidraka no manomboka ny andro, nefa mbola ela vao ho hariva.

Misy namako izay t@ mbola kely izy hatr@ 7ans-ny dia gidraka koa ny azy sy ny neniny rehefa misakafo fa "appetit d'oiseau" ny azy, nefa ilay neniny matahotra foana hoe tsy voky, tsy mitombo lanja sy ny tariny dia forcer-na foana isaka ny sakafo. A 12 ans izy nanomboka nanao trouble alimentaire (boulimie ny azy).

8. pulm ( 15/03/2013 13:31)
ity misy kely fa itako fa nahomby ihany, ny zanako iany koa tsy nety nisakafo mihitsy dia nisy nanoro ahy hoe omeo voatavo izy fa hazoto homena, dia dia nomeko tokoa isan'andro ka inona tokoa fa ny omena azy indray no tsy maharaka ato atrano( tsy voatery oe maraina sy ariva fa indray mandeha iany ary ovaovaina ny fahandro azy) sady ny voatavo more! de mazotoa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.45