Vavovy marary, sady misy rivotra

1. AMIG0 ( 13/12/2012 18:44)
Marary ny vavoniko 7 andro be izao, efa nade dokotera ihany fa mbola marary. Mba hampio kely inona no azoko hatao?
novalian'i AMIG0 ny 02/01/2013 19:20
2. hery ( 19/12/2012 08:00)
Ny fitandremana aloha no tokony hatao betsaka.

- Tsy misotro rano mandritra ny sakafo fa na mialohan'ny sakafo (15 min) na aorian'ny sakafo (15min).
- Tsy afangaro amin'ny masaka ny manta. Izany hoe fadiana ny mihinana vary miaraka amin'ny salady ohatra. Fa atao aloha na aorian'ny sakafo masaka (15 min na 30 min) no mihinana ny sakafo manta. Ny antony dia mora fermenté ny sakafo rehefa mifangaro ny manta sy ny masaka dia miteraka rivotra.
- Tsy mihinana menaka betsaka loatra. Ny antony dia ela vao levona ny menaka ka manjary miteraka fermentation ho an'ny sakafo miaraka aminy dia manjary miteraka rivotra.
- Amin'ny ankapobeny izany, tsy mihinana sakafo sarotra levonina fa manjary mijanona maharitra ao anaty vavony dia fermenté.
- Tsy mihinana be loatra ihany koa satria araka ny voalaza etsy ambony ihany, manjary mijanona ela ao anty vavony ilay sakafo dia fermenté dia miteraka rivotra.

- Aleo mihinana zavatra kelikely matetitetika (zavatra levona avy hatrany tsy mijanona ela ao anaty vavony)
3. nilex ( 20/12/2012 10:17)
Mividiana vahona sy tantely vitan'ny homopharma fa tena tsara io ,araho tsara ny toro hevitra ao @ taratasy .Mila traitement kely mantsy izany ny vavoninao mba ho sitrana indray.Na manantona mihintsy docteur HOmeo dia ho hitanao ny fahatsarany,eo analakely ambohijatovo misy ,itanao mifanila amin'ilay mpanjaitra Gilbert Rakotomanana io.Ao no tena mahay dia mirary fahasalamana e.
4. AMIG0 ( 02/01/2013 19:20)
misaotra.. efa sitrana za
5. AMIG0 ( 02/01/2013 19:20)
misaotra.. efa sitrana za
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1291