Syrie

1. sitlo ( 11/12/2012 13:46)
Raha tsaroantsika ny karin-dRavalomanana farany tamin'izy filohampirenena dia hoe:
tadiavin'ny firenena mandroso (mba tsy ilazana hoe frantsay) hiverina ho zanataniny indray isika.
Rehefa vory olona be i Mahamasina, dia nilaza izy ny mba hitoniana tsy hisian'ny korotana.
Dia rehefa namoaka fitaovam-piadiana mahery vaika ny Capsat, ary nanafika, dia nilaza izy fa anome ny fitondrana hotantanin'ny jeneraly vitsivitsy. Ny iray moa ilay maty nisy namono iny taty aoriana. Ny antony hoy izy dia tsy tiany hiady antrano ny malagasy.

Dia raha todiana ihany koa ny tany Lybia, dia mitovitovy tamin'ny nolazainy io ihany ny nolazain'i Gaddafi. Ary Sarkozy (mba tsy ilazana hoe frantsay) no nitarika ny fanafihana. Hatramin'izao moa dia mbola misy foana ny fitifirana eny an'elakelatrano eny.

Dia tonga indray ity i Syrie. Herinandro mahery kely teo angamba ny frantsay no nilaza fa manohana ny FSA. Mendrika ny hitondra fitondrana tokoa ve izao?
jereo eto AZA MIJERY RAHA SARO-PO.

Dia raha tsy niala tokoa izany Ravalo dia tsy nampaninona ny frantsay ny nanoana ny foza orana hitarika ady?

Tsy ho lasa alavitra eo ireo fa ny fahalalana no ratovy tsara.
novalian'i sitlo ny 12/12/2012 22:42
2. andrywui ( 11/12/2012 14:14)

sitlo:



Tsy ho lasa alavitra eo ireo fa ny fahalalana no ratovy tsara.

iza no tsy ho lasa lavitra lesy rasitlo ?? ngah izy ty tranom-pody ka vita amin'ny vava fotsiny ee ....

tranom-pody no vita amin'ny vava zokilahy a , fa ny zavamisy alou jereo !! voabloky any oany ny pasiporon'i dada fa fopla be !! faharoa tsy ze fivoriana nataotao tsisy mpanatrika tany kou no hanapahana hevitra petatoko any oe tsy maintsy hody alohan'ny 18mai zany i dada !! ngah izy ty atao tefy maika sy ataotao foana tsisy tenierana ity zavatra ity , nefa ny zavadoza vita teto amin'ny firenena ity mbola tsisy voatsara !!
3. vony501 ( 12/12/2012 07:57)
Ampodio izy Ra-wui dia tsarao a! fa maninona anefa izy no tsy avela hody e? tsy azoko mihintsy. Avelao izy hody, dia sambory, dia gadrao. Misy zavatra mifanohitra tsy azoko mihitsy anie ataon'ny FAT momba an'ilay rangah iny e : "tsy maintsy tsaraina Ra8, ary tsy maintsy saziana, samborinay any Afrika Atsimo any mihitsy iny...". Etsy ambadika anefa : "tsy mahazo mody izany Ra8...". Tsy azoko
4. locl ( 12/12/2012 16:39)
Inona intsony moa no fanantenan'i La Frantsa, tsy misy vola, ny EU en crise, ny hany hery dia ny manangana adimpoko etsy sy ero mba ahafahana mitsentsitra moaramora ao ambadika, ny olona manaiky badoana toa TGVendrana no ezahina apetraka eo mba hahafahana mandroba. Ny vendrana toa an'i wui ange no tsy mahita sy manaiky e! sa tsy izany Wui.

Tsy nandaitra tany Lybie satria very anjavony, ny any Syrie ity tsy hita ambony ihany fa na ireo izay lazaina ho ami de la syrie aza mitongilangilana. Dia ny eto Dago indray tsy nandeha arak'izay niriany ka dia io mikatso io dia ny vahoaka no mihinana
5. sitlo ( 12/12/2012 22:42)
Voalazanao locl ny tiako ambara.

Ny niveau intellectuel frantsay izany efa tsy mitira intsony, tsy tahaka ny tamin'ny taon-jato lasa.

Ny fika ialana amin'ny frantsay dia ny fananana "capitale intellectuele" matanjaka. Nisy film documentaire izay nojereko momba ny israelianina. Dia hoy ilay izy:
...taorian'ny fampijaliana nataon'ny alema tamin'ny ady lehibe faharoa dia maro ny jiosy no tsy nanana toerana hodiana nanerana an'i eoropa. Rehefa noforonina ny firenena israelianina taorian'izay dia tany maina tsy nisy na inona na inona no teo fa tena depart zero. Rehefa mba nandroso kely anefa dia tonga indray ny fanafihana isakarazany. Ka teo no nahatsapanay fa izahay ihany no azo ianteherana hiaro anay. Ka dia nanomboka nianatra sy nikaroka izahay...

Ary amin'izao fotoana izao dia ny israelianina no anisan'ny manam-pahaizana indrindra eran-tany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0103