Sazy na lahatra avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza?

1. jajajaly ( 10/12/2012 07:15)
MISY mihevitra fa ampiasain’Andriamanitra hanasaziana antsika ny loza. Ny hafa indray tsy manaiky an’izany. Misy koa tsy mahalala izay tokony hinoana.
Ampiasain’Andriamanitra hanasaziana tokoa ve ny loza? Izy ve no mahatonga ny fijaliana? Mahafa-po ny valiny omen’ny Baiboly momba izany.
Ahoana no ataony rehefa manasazy?

Resahina ao amin’ny Baiboly ny fahamarinana roa momba an’ilay Andriamanitra atao hoe Jehovah. Voalohany, Mpamorona izy ary manana hery sy fahefana hibaiko ny herin’ny natiora. (Apokalypsy 4:11) Faharoa, mifanaraka amin’ny toetrany sy ny toro lalany foana ny zavatra ataony. Hoy izy ao amin’ny Malakia 3:6: «Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.» Sady mitadidy izany isika no handinika loza roa tamin’ny lasa, dia ny Safodrano sy ny hain-tany iray. Ho hitantsika avy amin’izany fa rehefa mampiasa ny herin’ny natiora Andriamanitra mba hanasaziana, dia tsy maintsy 1) mampitandrina, 2) milaza ny anton’ilay sazy, ary 3) miaro an’ireo mankatò.

Safodrano tamin’ny andron’i Noa
Mampitandrina.
Hoy i Jehovah tamin’i Noa, am-polony taona talohan’ny Safodrano: «Hahatonga safodrano eny ambonin’ny tany aho, mba handringanana ny nofo rehetra.» (Genesisy 6:17) Nampitandrina ny olona i Noa «mpitory ny fahamarinana», saingy «tsy niraharaha izy ireo.»â€”2 Petera 2:5; Matio 24:39.

Milaza ny anton’ilay sazy.
Hoy i Jehovah: «Efa eto anatrehako ny faran’ny nofo rehetra, satria feno herisetra ny tany.»â€”Genesisy 6:13.

Miaro an’ireo mankatò.
Natoron’i Jehovah an’i Noa tamin’ny an-tsipiriany ny fanamboarana an’ilay sambofiara mba hamonjena azy. «I Noa ihany, mbamin’izay niaraka taminy tao amin’ny sambofiara, no sisa velona.»â€”Genesisy 7:23.

Hain-tany teo amin’ny Israely
Mampitandrina.
Nahatonga hain-tany mafy teo amin’ny Israely i Jehovah Andriamanitra. Nilaza toy izao i Elia mpaminany, talohan’ilay izy: ‘Tsy hisy ando na orana mandritra ny taona maro, raha tsy noho ny baiko avy amin’Andriamanitra!’—1 Mpanjaka 17:1.

Milaza ny anton’ilay sazy.
Nahatonga an’ilay hain-tany i Jehovah satria nanompo an’ilay andriamani-diso atao hoe Bala ny Israely. Hoy i Elia momba izany: «Niala tamin’ny didin’i Jehovah ianareo, ka nanaraka an’ireo Bala.»â€”1 Mpanjaka 18:18.

Miaro an’ireo mankatò.
Namatsy sakafo an’ireo mpanompony nankatò i Jehovah nandritra an’ilay hain-tany.—1 Mpanjaka 17:6, 14; 18:4; 19:18.
Inona no ahariharin’izany?

Tsy voaporofo mihitsy hoe sazy avy amin’Andriamanitra ny loza misy ankehitriny. Andriamanitra tia rariny i Jehovah ka tsy ‘handripaka ny olo-marina miaraka amin’ny ratsy fanahy.’ (Genesisy 18:23, 25) Nanao fandaharana izy taloha mba hamonjena an’ireo nankatò azy. Ny loza ankehitriny anefa mamely ny olona tsy an-kanavaka, na lahy na vavy na ankizy.
Mazava àry fa tsy mitovy mihitsy ny ataon’Andriamanitra rehefa manasazy, sy ny fitrangan’ny loza ankehitriny. Tsy mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra koa ireny loza tampoka ireny. Resahin’ny Jakoba 1:13 fa ‘tsy mitsapa olona amin-javatra ratsy Andriamanitra.’ Ny 1 Jaona 4:8 indray mamintina ny toetran’Andriamanitra rehefa milaza hoe: «Andriamanitra dia fitiavana.» Tsy izy mihitsy àry no mahatonga an’ireo olona tsy manan-tsiny hijaly noho ny rivo-doza, ny horohoron-tany sy ny lozam-piarakodia ary ny loza hafa. Tsy hisy intsony anefa ireny loza ireny amin’ny hoavy.

http://www.jw.org/mg/zavatra-misy/gazety/g201212/sazin-andriamanitra-ve-ny-loza/
novalian'i jajajaly ny 14/12/2012 07:54
2. Nehemiah ( 10/12/2012 13:55)
Ny ankamaroan'ny loza dia vokatry ny maha-mivarilavo sy simban'ny ota an'izao tontolo izao.
3. leva2 ( 10/12/2012 18:12)
Velona Jesosy!

Fanamarihana kely aloha namana jajajaly, mialoha ny zava-drehetra dia somary ahitsy kely ilay fanambaranao manao hoe : "sazy na lahatra". Tsy mitovy ny hevitr'izany namana ka tsy tokony hampiasainao ny "na".

Averiko foana fa misy fanjakana roa ngeza be eto amin'ity tany ity : ny fanjakan'izao tontolo izao na satana, sy ny fanjakan'Andriamanitra. Izay nanjo an'i sodoma sy gômôro no nanoharan'Andriamanitra ny sazy hahazo an'i satana sy ny forongony (izao tontolo izao).
Niteny Jesosy hoe ;"aza mba ho isan'izao tontolo izao", na "mialà amin'izao tontolo izao" ary nanao ho vaindohan-draharaha sy hitory ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ary mitaona ny olona hiditra ao amin'ny FanjakanY.

Ny fanjakan'Andriamanitra dia dieny ety an-tany no fidirana ao ary Jesosy no vavahady, izy no lalana. Tena azoko antoka namana fa fitahiana sy fiarovana no ao fa tsy loza sy ozona.

Mahereza namana!
4. sitlo ( 11/12/2012 06:07)
Tokony ho ovaina izany ilay hoe "loza voajanahary" ho "loza voa-tsatàna".

Ary izay vao tena mazava amiko tsara fa ny cyclone sy ny tsunami azany avy amin'ny satana.
5. Nehemiah ( 11/12/2012 06:19)

sitlo:

Ary izay vao tena mazava amiko tsara fa ny cyclone sy ny tsunami azany avy amin'ny satana.

Tsy avy @ Satana hoa ny loza (ny ankamaroan'ny loza voajanahary) fa avy @ maha-mivarilavo an'izao tontolo izao.
6. jajajaly ( 12/12/2012 08:39)
Sitlo
Tokony ho ovaina izany ilay hoe "loza voajanahary" ho "loza voa-tsatàna".

Ary izay vao tena mazava amiko tsara fa ny cyclone sy ny tsunami azany avy amin'ny satana.


Tsara ny fanamarihana!! Izany indrindra no ampianarin'ny Baiboly. Tsy avy amin'ny satana daholo anefa fa eo koa ny sampona araka ity "Nandinika indray aho ka izao no hitako etỳ ambanin’ny masoandro: ... satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina." Mpit 9:11
7. moustaraf ( 13/12/2012 11:25)
Salama namana,
Raha ny fahitako ny filazan'ny baiboly ny hoe Loza dia misy fitsinjarany maro dia maro ny fisehony sy ny antonantony:

-Nozahana toetra i JOba, ringana ny zanany (tsy manantsiny), ny ompiny, ny voliny sns....loza inona io? Ny tsitoha no nanome alalana ny satana hamely an'i Joba.

-Nodorana t@ afo Sodoma sy gomora noho ny ota; loza koa io!
-Naringana i Farao sy ny miaramilany noho ny fanamafisam-po: loza koa io!
-Ireo loza 10 nahazo an'i Mytsraym (Egypt)
-Natelin'ny tany i Labana sy ny ankohonany manontolo noho ny tsy fanarahana ny baiko; loza koa io!
-@ andro farany, ny dragona lehibe dia hahatonga loza mahatsiravina eto an-tany, hamely ireo sisa mihazona ny fahamarinana; Loza koa io!
Sns....

2. Ireo loza (Atambo) mitranga ankehitriny dia efa nitranga avokoa tany aloha tany raha mamaky tsara ny baiboly isika (eny fa na dia ny tsunami aza),

3. Misy ny loza mihatra @ firenena iray manontolo ary koa ny mitranga @ isam-batan'olona

4.Ny loza dia tsy loza ho an'izay efa NIOMANA, eny fa na dia mihatra aman'aina aza:
-Izany no nampianaran'i Mesia ireo mpanara-dia azy hoe MIOMANA, MIVAVAHA

Ny maha-loza ny loza dia noho izy TONGA TAMPOKA, ka hoy ny fitenenana hoe : "Izay tsara fiomanana tsy hotampoihin'ny loza"

5. Ny loza lehibe indrindra dia tsy ny fanalana ny aina akory (fahafatesana ara-nofo) izay efa resy teo ambony Hatslav (hazo fijaliana), fa ny FAHAFATESANA ARA-PANAHY
Ireo loza rehetra tanisaina ao @ baiboly dia tadidio fa "ny tenin'i Tsitoha dia zava-panahy"; dia misy heviny @ ara-panahy avokoa!!!

Fehiny: izay rehetra miseho dia miseho satria avelaNY miseho amintsika ho fanehoana ny voninahiny!
8. didi10 ( 13/12/2012 12:32)
Tsara ny Tompo

Amiko dia misy karazany 3 ny loza

1- Loza avy amin'ny lojikan'ny natiora
Misy fahadisoan-kevitra kely ny teny hoe voa-janahary mametika, ny teny hoe voa-janahary mantsy dia avy amin'ny teny vahiny hoe: naturel na avy amin'ny natiora fa tsy hoe Andriamanitra en personne no mampisy azy direct amin'ny fotoana hahatongavany.

Tamin'ny naharian'Andriamanitra izao tontolo izao dia efa misy toetra napetraNY ny natiora rehetra ary hitaNY fa tsara izay rehetra noforoniNY,
Ohatra:
ny orana natao handena sy hanondraka
Ny ranomasina natao hanonja rehefa mahery ny rivotra
Ny liona sy ny voay natao hanaikitra sy hamono rehefa noana
Ny tangena mahafaty raha hatelina
...
Noho izany tsara ny havandra, tsara ny tselatra sy ny kotroka, tsara ny cyclone, tsara ny andro sy ny toetr'andro, tsara ny tsunami, tsara ny horohoron-tany, tsara ny liona fa rehefa manelingelina ny andavanandron-tsika ireny dia lazaintsika hoe loza satria mety hahafaty antsika, mahasoa antsika ireny ka tsy tokony atahorana satria efa nampiomana ny Tompo amin'ny hiomanantsika amin'ny fihavin'ny fahafatesana.

2. Ny sitrapon'Andriamanitra
Andriamanitra afaka mandatsaka afo avy any an-danitra (Sodoma sy Gomoro), afaka mandefa orana tsy ankitsahatra mandritra ny 40 andro (Noa), afaka mandefa loza folo karazana ao anatin'ny fotoana fohy (fery folon'i Egypta) rehefa izay no SitraNY, rehefa dinihina ireny dia mifanohitra tanteraka amin'ny loza naturel lazaina fa voa-janahary etsy ambony kanefa ireny no tena avy amin'Janahary tokoa, mifanohitra amin'ny lojikan'ny natiora foana matetika ny fiasan'Andriamanitra na amin'ny loza na amin'ny fahasoavana.
Araka ny voalazan'ny namana ao aloha ao dia mampitandrina foana Izy ary milaza ny antony ihany koa.

3. Asan'i Satana
Ho ny Teny hoe: toy ny liona mierona ny devoly ka mitady izay ho-harapany, mitady izay hanapotehina antsika tokoa Satana indrindra rehefa variana amin'ny fiainan'izao tontolo izao iny indrindra isika.
Mila manana an'Andriamanitra ao anatintsika isika raha tsy te ho voan'ny loza ataon'i Satana, angataho ny ran'ny zanakondry hiaro antsika amin'ny loza rehetra mety hitranga fa tandremo kosa anefa fa indraindray Andriamanitra hamela an'i Satana hiasa hizahana toetra antsika satria :
Salamo 11,5
5 Jehovah mizaha toetra ny marina;
fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.
6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana;
afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.







9. jajajaly ( 14/12/2012 07:54)
MISAOTRA didi10
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0815