fanaovana yaourt maison

1. voly ( 26/11/2012 08:09)
coucou , ahoana kay n fanaovana yaourt maison ts mis yaourtière s mb apaharitra azy
2. takona ( 26/11/2012 08:44)
ity misy 1 omena anao
rehefa masaka iny ny ronono dia asiana siramamy,alana eo ambony afo ,rehefa zakan'ny kiho ny hafanana dia alefa ao ny yaourt (ferment),efa voaomana ny vilany lehibe (na izay tiana)asiana ny pot ,tsinjaraina ao anaty pot ny ronono, saronana, fonosina amin'ny (bodofotsy na lamba ) itazonana ny hafanany mandritra ny adin'ny 8 eo ho eo ,vita ny yaourt
3. voly ( 28/11/2012 11:48)

takona:

merci e!
4. hadji ( 29/11/2012 04:52)
tsara raha asianao carton eo ambonin'ny pot yaourt vao asiana lamba ary arakarakin'ny hafanan'ny andro no anaovana ny hatevenan'ny lamba hanaromanao azy
5. Lars ( 03/12/2012 16:29)
Slt dôly! Ny tsy mampivôka tsara ny yaourt maison ataonareo d adinonareo ilay tena ngeza ndrindra @ ingrédient " maison "
6. Ratoa ( 06/12/2012 14:48)
amanao rano aloha ilay vilany lehibe dia ario iny rano iny izay vao atao ao ny pot dia apetraho ny sarony izay vao fonosina lamba. Cocotte minute koa tsara ametrahana azy . Ampangotraho rano ny cocotte minute. Ario ny rano , alaharo ny pots dia hidio ny cocotte. Avelao hipetraka environ 4h vita ny yaourt
7. andoez ( 02/03/2013 15:05)
misaotra fa lasa mahay yaourt maison zahay eh
8. teahafantatra ( 31/10/2014 15:09)
manao ahoana daholo,

saika mba te ahafantratra ny fomba fanamboarana yaourt a boire amin'ny vovo-dronono azafady sao dia mba misy afaka manampy sy manoro hevitra,

misaotra mialoha amin'ny valin-teninareo,

mandra-piresaka daholo ô/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2277