.....Ny homoséxualité

1. Lars ( 21/11/2012 15:21)
Miha mahazo vahana eto @ tanàna ny resaka homoséxualité na eo @ lahy izany na eo @ vavy. Mety mba manana hevitra v nareo oe inona no mahatonga izany
novalian'i Ckacthi ny 09/08/2024 07:45
2. locl ( 22/11/2012 11:10)
Tsy hoe lamaody akory ny maha-homoséxualité, fa matoa izany resahina betsaka amin'izao dia satria amin'izao vao afaka maneho hevitra sy miseho ny olona voakasika izany.

Efa ela no tokony niseho izany saingy ny toetsaina malagasy no nila fotoana mba hanaiky fa misy ireo homoséxuelle eo aminy fiarahamonina.
3. Lars ( 22/11/2012 14:51)
Tsy hoe lé firesahana ny homoséxualité no tiko ho tenenina fa ilay olona lasa tafaroboka @lé izy mints
4. torakizany ( 23/11/2012 06:00)

Lars:

Miha mahazo vahana eto @ tanàna ny resaka homoséxualité na eo @ lahy izany na eo @ vavy. Mety mba manana hevitra v nareo oe inona no mahatonga izany

i rajoelina sy sarkozy no nanomboka io.
5. louval ( 23/11/2012 17:17)
Ny homosexualité dia efa nisy hatrizay na dia mbola tany amin'ny testamenta taloha aza hoan'izay kiristianina. Zao izy vao miseho be be kokoa satria efa manome fahafahana ny fiaraha-monina. Tsy hoe mahazo vahana koa izy ankehitriny fa toa miseho avokoa zay nokobonina ela tany ka niafina.

Ohatra, betsaka ny lehilahy manambady zay jerena sy inoan'ny olona fa mahatoky nefa ilay "infidélité" dia any amin'ny homosexualité. Betsaka koa (raha ny gasy no jerena) ny mandao an'i gasikara mba hanana fahafahana kokoa hiala amin'ny fitsikerana sy ny fanenjehana, na fiaraha-monina io fa indrindra ny fianakaviana zay menatra.

Mbola betsaka koa ny mihevitra fa mitovy amin'ny adalana ny homosexualité. Ao ny matahoatra azy reny ao ko ny kiriko ary ao ny mankahala. raha mitoetra tsara nefa ny fahalalantsika ny tenantsika dia tokony tsy hitondra izany rehetra zany eo amintsika ny homosexualité. Zany hoe matoa miseho ireo : tahotra, fankahalana na faharikorikona ireo dia satria misy "intérét" inconscient ao zay mila asorina.

Misy ny milaza fa andrana adaladala no nahatonga izany. Tsy marina mihitsy. Satria misy ny bisexuel izay afaka tsara sady miaraka amin'ny lahy no afaka miaraka amin'ny vavy. Izany hoe misy ny safidy, misy ny filana fotsiny tsotra zao ary misy ny fitiavana (préférence).

Tsy hivalampatra be loatra fa ny tsara tadidina koa dia hoe tsy rehefa somary "vavivavy toetra" dia "homo". Ary ny homosexualité dia tsy voatery ho fanirina hiova taovam-pananahana. Ohatra ny hoe tsy refa misariaka amin'ny vehivavy dia voatery tsy maintsy hoe mikôty na hoe mitady handry aminy foana.
torakizany:


Lars:

Miha mahazo vahana eto @ tanàna ny resaka homoséxualité na eo @ lahy izany na eo @ vavy. Mety mba manana hevitra v nareo oe inona no mahatonga izany

i rajoelina sy sarkozy no nanomboka io.
6. Nehemiah ( 05/12/2012 14:03)

Lars:

Miha mahazo vahana eto @ tanàna ny resaka homoséxualité na eo @ lahy izany na eo @ vavy. Mety mba manana hevitra v nareo oe inona no mahatonga izany


Tsotra kely ny valiny ry Lars a. Lev. 19:22 : "Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana (abomination) izany." I Madagasikara dia firenena kristianina (na miseho azy ho kristianina farafaharatsiny). Nefa, araky ny filazanao, dia miha-mahazo vahana ny homosexualité, indrindrindra any Tanà. Satria maninona ? Ahiliky ny gasy ny Tenin'Andriamanitra. Ary mino aho fa vokatry ny génération iray manontolo notaizana t@ néo-darwinisme izany.
7. abidia ( 07/12/2012 19:05)
Tsorinao fotsiny ilay valiny!! Ianao izany manaraka ara-bakiteny ny voalaza rehetra ao amin’ny Baiboly?
Levitika 25:44 Ireo firenena manodidina anao no azonao angalana andevo lahy na vavy, mba ho anao; amin'ireo no hividiananareo ankizilahy aman'ankizivavy. --> ohatrinona no niadianao varotra ny andevo avy ao La Réunion, sa Maurice?
Levitika 21:17 Mitenena amin'i Aarona ka lazao hoe: Tsy hisy hanatona hanolotra ny mofon'ny Andriamanitrao, izay olona rehetra manan-kilemam-batana, amin'ny taranakao hatramin'ny fara mandimby. --> rarànao tsy hiditra am-piangonana izany ny olona voan’ny polio?
Levitika 19:27 Aza hetezana atao vorivory ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza haratana ny sisim-bolombavanareo. --> raha lehilahy ianao dia be volombava be sy lava volo be!
Levitika 20:14 Raha misy lehilahy mampirafy vehivavy mianaka, dia heloka bevava izany, ka samy hodorana amin'ny afo izy sy iretsy vehivavy, mba tsy hisian'izany heloka izany eo aminareo. --> «no comment»

Lars, tsy haiko hoe hatraiza ilay mahazo vahana, fa ny antony angamba dia mahatsiaro fahafahana kokoa ny olona miaina ny maha izy azy. Tsy mahatsiaro tena voafatotry ny maso mijerin’ny fiaraha-monina loatra intsony. Tsy haiko fotsiny hoe efa manaiky tsara ve ny fiaraha-monina. Raha amiko manokana dia tsara raha mandeha amin’izany lalana izany satria manomboka mivelatra ny sain’ny manodidina, manaiky ny mahasamy hafa ny rehetra na resaka orientation sexuelle, na resaka situation sociale sns. Ohatra, mbola henatra foana hatramin’izao ny resaka divorce, dia miaritra fotsiny ao na dia efa mijaly toy ny inona. Ny tondro molotry ny fiaraha-monina daholo no mahatonga an’izany.


Nehemiah:


Lars:

Miha mahazo vahana eto @ tanàna ny resaka homoséxualité na eo @ lahy izany na eo @ vavy. Mety mba manana hevitra v nareo oe inona no mahatonga izany


Tsotra kely ny valiny ry Lars a. Lev. 19:22 : "Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana (abomination) izany." I Madagasikara dia firenena kristianina (na miseho azy ho kristianina farafaharatsiny). Nefa, araky ny filazanao, dia miha-mahazo vahana ny homosexualité, indrindrindra any Tanà. Satria maninona ? Ahiliky ny gasy ny Tenin'Andriamanitra. Ary mino aho fa vokatry ny génération iray manontolo notaizana t@ néo-darwinisme izany.
8. Nehemiah ( 08/12/2012 06:22)

abidia:

Tsorinao fotsiny ilay valiny!! Ianao izany manaraka ara-bakiteny ny voalaza rehetra ao amin’ny Baiboly?

Izay mihitsy anie no lazaiko : sady tsy miraharaha ny Tenin'Andriamanitra ny olona @'zao no tsy azony mihitsy ny tena tiany tenenina. Tsy hoe rehefa mitrongy @ vato ny tongotrao dia endahanao, fa manan-danja ny Tenin'Andriamanitra, tsy tenin'olombelona tsotra io.
abidia:
Levitika 25:44 Ireo firenena manodidina anao no azonao angalana andevo lahy na vavy, mba ho anao; amin'ireo no hividiananareo ankizilahy aman'ankizivavy. --> ohatrinona no niadianao varotra ny andevo avy ao La Réunion, sa Maurice?

Zavatra anankiray @'ireto no mahatonga anao mametaka an'ity andininy ity : na habadoana, na finiavana hamitaka. Samy mahafantatra daholo antsika fa lalàn'ny Testamenta Taloha izany, nefa "ao amin’ ny nofony (an'i Jesoa Kristy) no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana" (Ef. 2:15). Natao ho an'ireo izay nanao sonia ny Fanekena Taloha ity didy ity fa tsy ho an'izay nanao sonia ny Fanekena Vaovaon'i Jesoa Kristy.
abidia:
Levitika 21:17 Mitenena amin'i Aarona ka lazao hoe: Tsy hisy hanatona hanolotra ny mofon'ny Andriamanitrao, izay olona rehetra manan-kilemam-batana, amin'ny taranakao hatramin'ny fara mandimby. --> rarànao tsy hiditra am-piangonana izany ny olona voan’ny polio?

Mk. 14:3 : "Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’ i Simona boka ka nipetraka nihinana" : raha niaraka t@ olona voan'ny aretina maharikoriko tahaky ny habokàna ny Tompo dia iza antsika hanakana azy ireo tsy hiditra am-piangonana ? Izay no anaovako hoe tsimponinao fotsiny ny andininy @ Tenin'Andriamanitra fa mbola tsy azonao ny tena hafatra tiany hampitaina.
abidia:
Levitika 19:27 Aza hetezana atao vorivory ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza haratana ny sisim-bolombavanareo. --> raha lehilahy ianao dia be volombava be sy lava volo be!
Averiko hatrany, jereo ilay sariben'ny baiboly fa ireny no atao hoe "le grain de sable qui cache le désert". Tsy natao ho an'ny Kristianina ireo.
abidia:
Levitika 20:14 Raha misy lehilahy mampirafy vehivavy mianaka, dia heloka bevava izany, ka samy hodorana amin'ny afo izy sy iretsy vehivavy, mba tsy hisian'izany heloka izany eo aminareo. --> «no comment»

Azafady fa tena tsy hitako izay hidiran'ity andininy ity @'izao resaka izao.
Fa kosa, zavatra masina ny fanambadiana : Gen. 2:24 : "noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo." izay mbola namafisin'ny Tompo t@ Mt. 19:5-6 ary Mk. 10:8. Ny tsy nanajan'ny mponin'i Sodoma sy Gomora an'izay no naharava an'ireo tanàna ireo (Jud. 7)

Tena miteny mafy mihitsy i Paoly momba an'izao fomba izao. Aleo adikako mihitsy ny andininy na dia lavalava aza : "fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, koa ny voninahitr’ Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. Ary izany no nanoloran’ Andriamanitra azy tamin’ ny filan’ ny fony ho amin’ ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ ny tenany avy; ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ ny vehivavy izy ka maimay tamin’ ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’ Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao" (Rom. 1:21-28) Hitantsika amin'izany fa :
_ tsy dia ny olona manana fihevitra ratsy ka mitolona aminy no manao ny tsy mety eo imason'Andriamanitra, fa ny olona izay MANOME VAHANA an'izay fihevitra ratsy izay.
_ ny olona izay tsy manaja, tsy miraharaha azy no avelan'Andriamanitra hirehitra @ filan-dratsiny.
_ mbola mihamafy izay fandraràna izay ao anatin'ny Fanekena Vaovao. Ao koa ny 1 Kor. 6:9-10

Mety misy aloha ny "ambiguïté hormonale", izany hoe lehilahy manana "hormones"-na vehivavy na vice-versa (ary azo tsaboina tsara izay), fa tsy marina sady mahavanon-doza ny fisainana hoe "You're born this way". Ny valin'ny fandinihana nataon'ny BUWA t@ oktobra 1997 dia : "rehefa misafidy ny mandray anjara @ firaisana ara-nofo homo vao tena lasa homo ny olona iray". Tsy @ homo ve no tena mamely ny aretina azo avy @ firaisana ara-nofo (ary ao anatin'izay koa ny lesbiennes, sao dia mieritreritra ianao...) ? Sady tsy vitan'ireny aretina ireny no azo avy @ firaisana homo fa ao koa ny herpes @ lavabody, hépatite B, parasite anaty tsinay sy ny Sarcôme de Kaposi.

Misy fanantenàna anie ho an'ny homo : milaza tsara ny Tenin'Andriamanitra fa manadio sy mamela ny heloka rehetran'izay mibebaka ka miverina @'Andriamanitra @ fony iray manontolo Izy (1 Kor. 6:11 : "Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa [Gr. efa nanasa tena] hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitsika."). Ny fahasoavan'Andriamanitra dia mbola manome hery hivelomanao @ fomba mendrika eo imason'Andriamanitra miaraka @'izany (Rom. 6:6-7 : "fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. Fa izay efa maty dia afaka amin’ ny ota.).
9. abidia ( 08/12/2012 10:16)
tsy dia ampiady fahaizana Baiboly isika eto fa tsoriko fa izaho tsy mahay be. Tsisy olana mihitsy raha lazainao bado ary aho :-)
Hajaiko tanteraka ny finoanao sy ny fanantenana aterak'izany ao am-ponao. Fa maninona koa raha hajaina ny fiainan'ny olona tsirairay? tsy haiko raha hitanao amin'ny avatar-ko fa saina gay io (rainbow flag). Gay aho ary sambatra amin'ny fiainako. Ataoko fa sambatra amin'ny fiainanao koa ianao. Ny namana aman-tsakaiza mahafantatra sy miaraka tsara amin'ny 'namako'. Izay eritreritrao momba izany tsisy olana mihitsy, na halefanao any amin'ny afobe sns, tsisy olana. Notaizaina tamin'ny finoana kristianina aho ary araka ny hiran'i Bessa :'Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana. Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy'. Azoko tsara fa mbola sarotra ho an'ny fiaraha-monina amin'izao fotoana izao, tsy andeha hanery ny olona hanaiky an'izany aho. Mivoatra foana ny 'moeurs'

Nehemiah:

Izay mihitsy anie no lazaiko : sady tsy miraharaha ny Tenin'Andriamanitra ny olona @'zao no tsy azony mihitsy ny tena tiany tenenina. Tsy hoe rehefa mitrongy @ vato ny tongotrao dia endahanao, fa manan-danja ny Tenin'Andriamanitra, tsy tenin'olombelona tsotra io.
Zavatra anankiray @'ireto no mahatonga anao mametaka an'ity andininy ity : na habadoana, na finiavana hamitaka. Samy mahafantatra daholo antsika fa lalàn'ny Testamenta Taloha izany, nefa "ao amin’ ny nofony (an'i Jesoa Kristy) no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana" (Ef. 2:15). Natao ho an'ireo izay nanao sonia ny Fanekena Taloha ity didy ity fa tsy ho an'izay nanao sonia ny Fanekena Vaovaon'i Jesoa Kristy.
Mk. 14:3 : "Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’ i Simona boka ka nipetraka nihinana" : raha niaraka t@ olona voan'ny aretina maharikoriko tahaky ny habokàna ny Tompo dia iza antsika hanakana azy ireo tsy hiditra am-piangonana ? Izay no anaovako hoe tsimponinao fotsiny ny andininy @ Tenin'Andriamanitra fa mbola tsy azonao ny tena hafatra tiany hampitaina.
Averiko hatrany, jereo ilay sariben'ny baiboly fa ireny no atao hoe "le grain de sable qui cache le désert". Tsy natao ho an'ny Kristianina ireo.
Azafady fa tena tsy hitako izay hidiran'ity andininy ity @'izao resaka izao.
Fa kosa, zavatra masina ny fanambadiana : Gen. 2:24 : "noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo." izay mbola namafisin'ny Tompo t@ Mt. 19:5-6 ary Mk. 10:8. Ny tsy nanajan'ny mponin'i Sodoma sy Gomora an'izay no naharava an'ireo tanàna ireo (Jud. 7)

Tena miteny mafy mihitsy i Paoly momba an'izao fomba izao. Aleo adikako mihitsy ny andininy na dia lavalava aza : "fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, koa ny voninahitr’ Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. Ary izany no nanoloran’ Andriamanitra azy tamin’ ny filan’ ny fony ho amin’ ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ ny tenany avy; ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ ny vehivavy izy ka maimay tamin’ ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’ Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao" (Rom. 1:21-28) Hitantsika amin'izany fa :
_ tsy dia ny olona manana fihevitra ratsy ka mitolona aminy no manao ny tsy mety eo imason'Andriamanitra, fa ny olona izay MANOME VAHANA an'izay fihevitra ratsy izay.
_ ny olona izay tsy manaja, tsy miraharaha azy no avelan'Andriamanitra hirehitra @ filan-dratsiny.
_ mbola mihamafy izay fandraràna izay ao anatin'ny Fanekena Vaovao. Ao koa ny 1 Kor. 6:9-10

Mety misy aloha ny "ambiguïté hormonale", izany hoe lehilahy manana "hormones"-na vehivavy na vice-versa (ary azo tsaboina tsara izay), fa tsy marina sady mahavanon-doza ny fisainana hoe "You're born this way". Ny valin'ny fandinihana nataon'ny BUWA t@ oktobra 1997 dia : "rehefa misafidy ny mandray anjara @ firaisana ara-nofo homo vao tena lasa homo ny olona iray". Tsy @ homo ve no tena mamely ny aretina azo avy @ firaisana ara-nofo (ary ao anatin'izay koa ny lesbiennes, sao dia mieritreritra ianao...) ? Sady tsy vitan'ireny aretina ireny no azo avy @ firaisana homo fa ao koa ny herpes @ lavabody, hépatite B, parasite anaty tsinay sy ny Sarcôme de Kaposi.

Misy fanantenàna anie ho an'ny homo : milaza tsara ny Tenin'Andriamanitra fa manadio sy mamela ny heloka rehetran'izay mibebaka ka miverina @'Andriamanitra @ fony iray manontolo Izy (1 Kor. 6:11 : "Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa [Gr. efa nanasa tena] hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitsika."). Ny fahasoavan'Andriamanitra dia mbola manome hery hivelomanao @ fomba mendrika eo imason'Andriamanitra miaraka @'izany (Rom. 6:6-7 : "fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. Fa izay efa maty dia afaka amin’ ny ota.).

10. Nehemiah ( 08/12/2012 14:42)
abidia:

tsy dia ampiady fahaizana Baiboly isika eto fa tsoriko fa izaho tsy mahay be. Tsisy olana mihitsy raha lazainao bado ary aho :-)
Hajaiko tanteraka ny finoanao sy ny fanantenana aterak'izany ao am-ponao. Fa maninona koa raha hajaina ny fiainan'ny olona tsirairay? tsy haiko raha hitanao amin'ny avatar-ko fa saina gay io (rainbow flag). Gay aho ary sambatra amin'ny fiainako. Ataoko fa sambatra amin'ny fiainanao koa ianao. Ny namana aman-tsakaiza mahafantatra sy miaraka tsara amin'ny 'namako'.

Moa aho manery anao amin'inona na inona? Tsy terena ny finoana kristianina fa tolorana. Manitsy ny diso sady mampitandrina anao aho fa raha tsy izay dia izay no antsoina hoe "non-assistance à personne en danger". Tanterahako ny adidiko mampiely ny finoaka (Mt. 28:19-20) sady miaro azy (1 Pet. 3:15). Tsy azoko mihitsy ny antony itenenanao an'izay nefa ianao ihany no naniratsira ny Baiboly teo.
abidia:
Izay eritreritrao momba izany tsisy olana mihitsy, na halefanao any amin'ny afobe sns, tsisy olana.

Raha ny marina, izay handeha @ helo dia hahazo an'izay niriny nandritry ny fiainany manontolo : tontolo tsy misy an'i Jehovah (fa saingy tsy hisy koa ny fahasambarana satria Izy no loharanon'ny fahasambarana tena izy).
abidia:
Notaizaina tamin'ny finoana kristianina aho ary araka ny hiran'i Bessa :'Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana. Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy'. Azoko tsara fa mbola sarotra ho an'ny fiaraha-monina amin'izao fotoana izao, tsy andeha hanery ny olona hanaiky an'izany aho. Mivoatra foana ny 'moeurs'

Na dia ny itenenanao an'izany aza dia manambara fa tsy novakianao tsara ny hafatro : "Misy fanantenàna anie ho an'ny homo : milaza tsara ny Tenin'Andriamanitra fa manadio sy mamela ny heloka rehetran'izay mibebaka ka miverina @'Andriamanitra @ fony iray manontolo Izy". Nolazainao fa tsy raharahan'olona ny fiainanao fa raha mino an'Andriamanitra (i Jehovah fa tsy Allah na Aton) dia angamba ekenao fa zoana @ maha-Mpahary anao Azy, ny manan-ko tenenina momba ny fiainanao. Zoany koa ny manasazy antsika rehefa tsy mety mandray ny famonjena omeny, satria izaho, ianao, antsika olombelona rehetra dia mivarilavo, tsy mahavita manao ny mety eo imason'Andriamanitra @ herin'ny tenantsika. Ka tsy azo atao tsinontsinona ny Baiboly raha milaza ny tenantsika mino an'Andriamanitra antsika.
11. abidia ( 09/12/2012 11:01)
Misaotra betsaka amin'ny fiahiana. Aza manahy fa tsy "en danger" aho. Mahatsiaro tena sambatra aho. Samy manana ny famaritany ny fahasambarana. Ny anao mila an'i Jehovah sy ny fanarahana ny Baiboly, tsara izany. Ny ahy ny fitiavan'ny olona rehetra manodidina akaiky ny foko dia mahampy ahy tanteraka. Ary averiko ihany, ny Andriamananitra inoako tsy manasazy.

Nehemiah:

Moa aho manery anao amin'inona na inona? Tsy terena ny finoana kristianina fa tolorana. Manitsy ny diso sady mampitandrina anao aho fa raha tsy izay dia izay no antsoina hoe "non-assistance à personne en danger". Tanterahako ny adidiko mampiely ny finoaka (Mt. 28:19-20) sady miaro azy (1 Pet. 3:15). Tsy azoko mihitsy ny antony itenenanao an'izay nefa ianao ihany no naniratsira ny Baiboly teo.

Raha ny marina, izay handeha @ helo dia hahazo an'izay niriny nandritry ny fiainany manontolo : tontolo tsy misy an'i Jehovah (fa saingy tsy hisy koa ny fahasambarana satria Izy no loharanon'ny fahasambarana tena izy).

Na dia ny itenenanao an'izany aza dia manambara fa tsy novakianao tsara ny hafatro : "Misy fanantenàna anie ho an'ny homo : milaza tsara ny Tenin'Andriamanitra fa manadio sy mamela ny heloka rehetran'izay mibebaka ka miverina @'Andriamanitra @ fony iray manontolo Izy". Nolazainao fa tsy raharahan'olona ny fiainanao fa raha mino an'Andriamanitra (i Jehovah fa tsy Allah na Aton) dia angamba ekenao fa zoana @ maha-Mpahary anao Azy, ny manan-ko tenenina momba ny fiainanao. Zoany koa ny manasazy antsika rehefa tsy mety mandray ny famonjena omeny, satria izaho, ianao, antsika olombelona rehetra dia mivarilavo, tsy mahavita manao ny mety eo imason'Andriamanitra @ herin'ny tenantsika. Ka tsy azo atao tsinontsinona ny Baiboly raha milaza ny tenantsika mino an'Andriamanitra antsika.
12. Nehemiah ( 10/12/2012 14:09)

abidia:

Ny Andriamananitra inoako tsy manasazy.

Mba te-hanontany am-panajàna aho, iza ny anaran'ny Andriamanitrao ?
13. Ckacthi ( 09/08/2024 07:45)
Lars:
Miha mahazo vahana eto @ tanàna ny resaka homoséxualité na eo @ lahy izany na eo @ vavy. Mety mba manana hevitra v nareo oe inona no mahatonga izany




Ilay izy aloha misy antony avy any anaty matoa misy, fa ny antony mampahazo vahana azy ankehitriny dia betsaka no tratrin'ny fandemen-tsaina ary misy ny teren'ny fiainana mafy, ny Tena mampalahelo Ahy anefa dia ilay efa natiora mihintsy, tsapako mifamadika be loatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2301