zaza mikoaka

1. voly ( 15/11/2012 09:39)
slt , inona met manafaka ny zazakely 5 mois tsetsina fona n orony d avy lasa mikoaka mis reoaka f makamo b ilay fanafody lava merci
novalian'i athenah21 ny 07/01/2013 13:46
2. niryna ( 17/11/2012 06:16)
Maninona no tsy hoentina any amin'ny dokotera? Raha omenao zavatra hafahafa eo mantsy ny zaza mety ahitan-doza ny fihinanany izany an
Jereo fotsiny aza anie ireo olona manaonao foana rehefa misy zavatra mahazo e,ohatra akaiky ,tsy maheno dia sokirina ny sofina,ilay maloto ao anatin'ny sofiny no vao maika milentika any anatiny.Rehefa nojeren'ny dokotera anefa ilay olona dia nodiovina ny sofiny ary niala tao ny loto rehetra ka lasa naheno tsara. Ohatra kely iny,aleo mijery dokoteran-jaza e
3. arialy ( 22/11/2012 11:56)
za koa manana zaza kely 4mois, mbola tany am maternité dia efa miherongerona foana ilay zaza miaina, dia mandrehoka , mandoa , nolazaina ahy fa normal io satria mila mamoaka ny loto avy tao an-kibo izy...nandeha ny fotoana lasa nikohaka hafahafa ilay zaza sady voan'ny sery, tsy misy manome fanafody na pédiatre na medecin traitant fa hoe diovina fotsiny... tena nandaitra ilay fandiovana azy in-6 farafaha betsany isan'andro, diovina amin'ny sérum physiologique, atongilana mipetraka am fandriana ny takolaka havia ny zaza dia potserina miditra any anaty lavak'orony havanana ny sérum phy, ary tokony hivoaka amin'ny lavakorony havia ny ranon'ny sérum nalefa tam ilany havanana , dia avadika ny zaza dia atao ohatr'izay koa ny ilany apatoriana mipetaka am fandriana mihitsy ny takolany havanana ...tandremo tsy hidona mafy ao anaty orony ny lohan'ny sérum phy (plastique ) fa mety mahatapaka lalandrà madinika ao anaty orona ka mapandeha rà izany. Marihiko fa raha mahavita anio in4 na in6 isan'andro ao anatin'ny herinandro ianao dia hijanona ny lelo sy kohaka...tohizo foana isaky ny avy apandroina amin'ny hariva izy (lavage 1 fois au sérum dans chaque narine) raha vao ita hoe somary voan'ny sery ny zaza dia ataovy in2 na in3 isan'andro ny fanasana ny orony. Mirary soa (marihiko fa tsy nila fanafody sery sy kohaka hoan'ny zanako aho)
4. hery ( 22/11/2012 23:29)
Io nolazain'i arialy io koa no atoroko raha kohaka na rehoka vokatry ny orona tsentsina ilay izy. Diovna amin'ny serum physiiologique

Raha ohatra indray ka asthme ilay kohaka dia mila fanafody amin'ny dokotera. Misy fanafody izay mampisokatra ny lalandrivotra isankarazany amin'ny havokavoka, tsy maninona na averina matetika araka izay lazain'ny dokotera.
5. nilex ( 20/12/2012 10:27)
Saika ny ankamaroan'ny zazakely rehetra mihintsy izao tratran'io kohoka hafahafa io fa tsy ny anareo irery ka.Io dia vokatry ny rivotra maloto eto amintsika io amin'ny akapobeny an.Fa misy aloha koa tena aretina mihitsy e.
6. athenah21 ( 07/01/2013 13:46)
slt daholo, ny ahy koa ny zanako voan'io aretin-tratra io d efa diovana foana ny orony d rehefa ts mety afaka d nentina natao kiné tany am dokotera, atahorana mantsy sao d ahasapotra azy ilay reoaka raha tsy mety afaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3526