Nosy lavitra= Faran'ny tany =Madagasikara

1. moustaraf ( 06/11/2012 14:13)
Salama namana,
Araka ny fangatahan'ireo mpisera dia ity ny version video azo jerena, raha mahaliana anao
http://www.youtube.com/watch?v=CROl_LggYlk
novalian'i yohanan ny 19/11/2012 13:27
2. niryna ( 11/11/2012 05:05)

moustaraf:

Salama namana,
Araka ny fangatahan'ireo mpisera dia ity ny version video azo jerena, raha mahaliana anao
http://www.youtube.com/watch?v=CROl_LggYlk
Izah aloha tsy nijery izay video any fa hialako tsiny indrindra fa ny fanontaniana fotsiny dia ho anareo mandefa ny fandaharan'ny watchtower ireo na ireo Jehovah Witness na koa hoe VJ ireo moa mino ve hianareo fa Atra velona i Kristy ? misaotra tompoko Moa mino ny Atra izay telo izay iray hianareo na ny trinity?
3. niryna ( 11/11/2012 05:08)
Jao.6:40 "Fa izao no sitrapon'ny Raiko , dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany "

"La volonté de mon Père, c'est que quiconque voit le Fils et croit en lui ait la vie éternelle; et je le ressusciterai au dernier jour."

Ka mino ny Zanaka ve hianareo ? ary mino Azy koa fa Atra velona Izy ?
Ireo no mba ilaiko valiny kely ary dia misaotra mialoha
4. moustaraf ( 11/11/2012 11:06)
Salama namana niryna,
Hors sujet be ianao satria tsy Watchtower , na Jehovah witness , na zavatra hafa mitovitovy @ izany io "video " io fa : FANAZAVANA IREO FAMINANIANA AO @ BAIBOLY MANONDRO NY MALAGASY SY I MADAGASIKARA MANOKANA

>Izany no MADAGASIKARA NOSY MIAVAKA
5. Yohanan ( 14/11/2012 15:44)
Miarahaba ny namana niryna
Tsara ihany tokoa raha mijery aloha satria hitako fa tsy misy ifandraisany @ resaka watchtower sns... ilay video fa hafa mihitsy.
Mazotoa é!
DANIEL 12 : 4
6. didi10 ( 16/11/2012 10:22)
Tamin'ny fandaharana tsiambaran-telo omaly dia nisy hebreo gasy niaka-dapa ihany koa fa izao no zavatra mahavariana ahy!!!!
Maninona ry zareo ny tsy miharatra volombava kanefa mihety volo?
7. yohanan ( 16/11/2012 12:47)

Salama Didy10 a!
Tsara ny fahalianana ka d zaraiko izay kely ananako. Ny loha sy vaoka na volombava raha haratana d mariky ny fihetrena > Ezra 9:3 + Mika 1:16
Fa ny Ezekiela 44:20 kosa d milaza fa "ATAO TSARA HETY" ilay izy.

Ankoatr'izay, momba an' Atoa Rivolala dia tsarovy fa ny zavatra tena tokony ho tafita @ izay nahita iny fandaharana iny dia ny hoe :
- Misandoka izy fa tsy kôhen izany
- Tsy fivavahana hebreo no ataony fa spiritisme
- Aza atao safobemantsina hoe toy izany avokoa ny mpivavaka Hebreo rehetra.
Mazotoa mandinika hatrany é! Mahafinaritra
8. sitlo ( 16/11/2012 21:54)
Dia ilay Abrahama aloha izany rehefa avy nahabevohoka ny andevony dia niteraka tamin'ny vadiny.
Dia izy izany ilay olon'Andriamanitra masina be niavian'ny malagasy? (hahaha)

Dia ahoana anefa ny recherche archeologique manambara fa taonjato maro taorian'i Jesosy no taolambalo antitra indrindra hita taty Madagasikara?
Dia ahoana izany ny recherche ADN no mahita fa ny ADN malagasy dia mitovy ny avy any Azia atsimo antsinanana?

Sa mety hoe nankany aloha ilay jiosy dia izay vao niverina taty amin'ny nosy faran'ny tany?

Ary maninona kay ireo lazainareo fa jentilisa no angatahana fanampiana foana? Na ilay ordinatera nanoratana ity dinika ity aza toa vitan'ny jentilisa fa ilay malagasy olona voafidin'Andriamanitra manokana mividy foana? Na akanjo aza toa mbola vidina?

Sa moa ireny fiainan'ny nofo? Tsy mila ordinatera izany ny olona voafidy fa rehefa maty mankany amin'ny fiainana mandrakizay? (muahahaha)
9. niryna ( 17/11/2012 05:24)

moustaraf:

Salama namana niryna,
Hors sujet be ianao satria tsy Watchtower , na Jehovah witness , na zavatra hafa mitovitovy @ izany io "video " io fa : FANAZAVANA IREO FAMINANIANA AO @ BAIBOLY MANONDRO NY MALAGASY SY I MADAGASIKARA MANOKANA

>Izany no MADAGASIKARA NOSY MIAVAKA
miala tsiny ary raha toa ka noheverinao ho hors sujet aho,satria ny eo amin'ny youtube eo ankilany no mametraka fanontaniana hoe Atra ve i kristy? ary raha milaza izany hianao fa tsy Jehovah Witness io mizara io ,dia mba afaka miteny ve hianao hoe finoana inona io azafady e
Mba valio ny fanontaniako eo ambony e
10. niryna ( 17/11/2012 05:43)
Ny fahalalako azy indray dia izao. Maninona no tsy mitovy ny fomba ataon'ny Jiosry rehetra manera ny tany ny malagasy izay lazaina hoe jiosy? Mizara ny sakafo hohaniny,tsy miraka ny ronono sy ny hena,tsy mamono jiro ny zoma sy sabotsy fa olona no mamono izany,be fombafomba be toa ny zava-manitra sns.Tsy mbola nahita aho na gasy iray nanao ireo fombafomba ireo kanefa na aiza aleha dia ahitana izany avokoa io na nifindra monina tany amin'ny firenena hafa izy ireo .Tsara ho fantatra fa ny ankabeazana ,indrindra fa ireo rehetra izay tena mihevitra azy hoe olon'ATra ,olona voafidy dia tsy miaraka ny olon-kafa mihitsy izy ireo fa mitokana ,hany ka miady ny karazana firenena izay manodidina azy foana izy an.Nahita taratra izany ve isika sa roa sy telo fotsiny ireo olona ireo dia tsy nanaraka ny fombafomban'ny jiosy rehetra izay miparitaka erak'izao tontolo izao.Ary raha toa ka lazaina hoe ny malagasy izany no niafarany,nahoana ireo manampahaizana eran-tany no tsy nahita izany fa izao vao nahita izany? Eny ,hevitra fotsiny ny ahy iny fa anjaran'izay mihaino sy manaraka izany a .



11. moustaraf ( 18/11/2012 04:59)
Salama namana,
1.Ho an'izay tsy naharaka ny fanazavana rehetra efa nandeha teto dia misy any @ adihevitra any aloha ny fanzavana lava be momba ireo anaran-tsampy asaina iavavahan'izao tontolo izao, sy ny Malagasy : Atra, Jesosy, Jehovah, Yaveh, God, got,.....maro be (tsy iverenako intsony)
> Tsy watchtower na witness satria tsy manonona an'ilay anarana noforonina JEHOVAH, avy @ ilay YHWH(anarana tsy azo tononina), saingy notononin'ny hafa firenena noho ny tsy fahalalany.

2.Dia ilay Abrahama aloha izany rehefa avy nahabevohoka ny andevony dia niteraka tamin'ny vadiny. Dia izy izany ilay olon'Andriamanitra masina be niavian'ny malagasy? (hahaha)
>Anjaranao no mandinika raha manana ny lanjany na tsia io olona io eo @ tantaran'Israely, ary eo @ famonjena ny fanahy :"...Fa izy dia atao koa hoe zanak'i Abrahama"
>Betsaka ireo firenena izay nivoaka mivantana avy @ Abrahama, ary izahay dia manaporofo fa isan'izany izahay+isika =Malagasy

3.Dia ahoana anefa ny recherche archeologique manambara fa taonjato maro taorian'i Jesosy no taolambalo antitra indrindra hita taty Madagasikara?
>Aminay dia fahadisoana goavana io résultat de recherche io, satria tsy azo ianteherana:
-Taiza io no natao? Iza no nanao azy? Inona no tanjona tiana hahatongavana?
-Maro ihany koa ireo valim-pikarohana izay manaporofo fa taon-jato maro talohan'i Solomona no efa hitan'ny Hebreo (Israely) i Madagasikara.

4.Dia ahoana izany ny recherche ADN no mahita fa ny ADN malagasy dia mitovy ny avy any Azia atsimo antsinanana? Sa mety hoe nankany aloha ilay jiosy dia izay vao niverina taty amin'ny nosy faran'ny tany?
> ADN? azo porofoina tsara/ misy singa maro be ny ADN ka ny an'ny Malagasy dia tsy azo ampitovizina @ ireo Israeliana ao Israely @ izao fotoana izao (satria efa tany am-pielezana ihany koa ireo no naverina tao= efa nifangaroharo ihany koa), fa ilay ADN tranainy indrindra, ary misy porofo siantifika io, eny fa na dia ianao io aza.
>Araho tsara ilay fanazavana fa hazava aminao hoe" Nahoana no nandalo an'i AZIA ny ampahany @ Malagasy, ary nandalo an'i Afrika ny ampahany?"

5.Ary maninona kay ireo lazainareo fa jentilisa no angatahana fanampiana foana? Na ilay ordinatera nanoratana ity dinika ity aza toa vitan'ny jentilisa fa ilay malagasy olona voafidin'Andriamanitra manokana mividy foana? Na akanjo aza toa mbola vidina?
> Izay no antony ampahafantarana anao fa IANAO anie ilay taranaka voafidy, izay TSY MAINTSY AVERINA @ FAHAMARINANA. Na ianao izay ilazana fa tompon'ny teny fikasana aza MANDA MAFY, MIHOMEHY SY MIKAKAKAKA, ka ahoana moa no hisian'ny fitahiana???

6.Miala tsiny ary raha toa ka noheverinao ho hors sujet aho,satria ny eo amin'ny youtube eo ankilany no mametraka fanontaniana hoe Atra ve i kristy?
>IREO ANARANA lazainao ireo aloha dia ahitsy avy hatrany fa samy tsy anarana marina:
-Atra = Andriana manitra = fatina mpanjaka
-Kristy= Kristos (mpitari-tafika grika)
>ELOHYM mpahary izao rehetra izao= ANARANA TOKANA
YESHO'A HAMASHYRHA= Zanaka= nirahina hitondra famonjena= ANARANA TOKANA
"Izay mahita ny zanaka dia mahita ny Ray"

7.Maninona no tsy mitovy ny fomba ataon'ny Jiosry rehetra manera ny tany ny malagasy izay lazaina hoe jiosy? Mizara ny sakafo hohaniny,tsy miraka ny ronono sy ny hena,tsy mamono jiro ny zoma sy sabotsy fa olona no mamono izany,be fombafomba be toa ny zava-manitra sns.Tsy mbola nahita aho na gasy iray nanao ireo fombafomba ireo kanefa na aiza aleha dia ahitana izany avokoa io na nifindra monina tany amin'ny firenena hafa izy ireo.
> Nefa misy fomba maro lavitra ankoatra ireo tanisainao ireo iainan'ny Malagasy andavan'andro, eny fa hatramin'ny teny (Mots), fomba fiteny (expression), anarana (noms: olona na zavatra), sns.....

8.Tsara ho fantatra fa ny ankabeazana ,indrindra fa ireo rehetra izay tena mihevitra azy hoe olon'ATra ,olona voafidy dia tsy miaraka ny olon-kafa mihitsy izy ireo fa mitokana ,hany ka miady ny karazana firenena izay manodidina azy foana izy an.Nahita taratra izany ve isika sa roa sy telo fotsiny ireo olona ireo dia tsy nanaraka ny fombafomban'ny jiosy rehetra izay miparitaka erak'izao tontolo izao.
>Kisendrasendra va ny maha Nosy an'i Madagasikara?
>kISENDRASENDRA ve ny mahatonga an'i Madagasikara no voatondron'ny faminaniana fa ihaonan'ireo antoko roa , avy any AZIA sy AFRIKA?
>Kisendrasendra ve ny Malagasy raha mifora? Raha manao SANTA-BARY? manaja ny zokiolona? SNS....

9.Ary raha toa ka lazaina hoe ny malagasy izany no niafarany,nahoana ireo manampahaizana eran-tany no tsy nahita izany fa izao vao nahita izany? Eny ,hevitra fotsiny ny ahy iny fa anjaran'izay mihaino sy manaraka izany a.
>Maro ireo manam-phaizana no efa nahalala an'izany, saingy NAFENINA ANTSIKA IZANY, mba tsy hahalalantsika ny tena marina momba antsika!!!
>Mba ho mora zanahina ara-nofo, ara-tsaina sy ara-panahy isika, ka ampiankohofana amina sampy.
>Mba hisainantsika tahaka ny Jentilisa ihany koa, ary tsy hinoantsika intsony fa isika ilay Taranaka efa voafidy hatramin'ny voalohany.
>Ireo mpikaroka ngeza sy malaza momba an'i Madagasikara (GRAND DIDIER,....) dia manoratra matetika anatin'ireny document ireny hoe: "Mahay miteny sy mamaky teny hebreo ireo ntaolo teto amintsika" ary ilay antsoina hoe SORA-BE aza dia SORATRA HEBREO TRANAINY (caractères carrés)

efa lava be kosa ngamba izany an!
12. yohanan ( 19/11/2012 13:27)

Salama sitlo
Amiko aloha dia tsy terena hino ny olona fa izay mahalala dia manambara. Matoa misera toy izao koa amiko dia hiarahana mikaroka NY MARINA. Izay mihomehy ohatra anao io indray ny ahy izao no tena mampihomehy ahy!!! Kanefa sady mampahalahelo no mahagaga. MAHAGAGA satria mba mpivavaka ihany kanefa dia hanao hahaha...! raha lazaina fa taranak'i Abrahama izy.
Tsy MAHAGAGA ve izany hoe olona mihomehy raha ilazana ohatra fa ILAY MESIA Mpamonjy izao tontolo izao dia taranak'i Abrahama? Izany koa mantsy no dikan'io teny io raha ny fandraisako azy.
Ny tsara dia izao ihany é! : MIHAINOA! MANDINIHA!! MANAPAHA HEVITRA!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2276