Ny atao hoe Tempolin'Avoindrindra

1. Maranatha ( 05/11/2012 11:07)
Ny Mpamorona dia tsy nanao karazana tempoly samy hafa endrika fa hoy Izy t@ Mosesy Ekse25:9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.

Dia misy Fifandraisany io amin'izao ohatra Izy no vavahady, Izy no mofon'aina, Izy no fahazavana, sns...
novalian'i sitlo ny 14/11/2012 22:08
2. moustaraf ( 06/11/2012 08:39)
Salama namana,
Misy ny tsy mahazo an'ireo kisarisary ireo ka lasa manana fihevitra hafahafa.
>Tsy nanao karazana tempoly maro samy hafa endrika Izy:
Ary Tsy nanome fivavahana MARO samy hafa ihany koa Izy
na Fombam-panompoana MARO (mifanohitra) ihany koa.

>Ny bokin'ny lalàna (Torah) no manoritra ny lalam-pamonjena, ary io no narahin'i Mesia fony izy tonga teny an-tany; io ilay lazaina hoe "Mosesy dia nanoratra nilaza azy".
Ka VOAPOROFO eto fa "Tsy azo anesorana ireo na dia iray aza, ary tsy misy azo anampiana"= Tsy azo foanana ny lalàna sy ny bokin'ny lalàna.

>Mahagaga ny ilazan'ireo mpitoriteny maro hoe rehefa tonga ny Mesia dia Noravana ny lalàna, Novana ny fivavahana, sns......
Ny zanaka ve nandrava izay nataon'ny RAY? NANATANTERAKA IZY.

>Ny antom-pisian'ireo Epistily vaovao maro be ireo dia tsy inona akory fa, fanazavana amintsika ny FAHATANTERAHAN'IREO EFA VOASORATRA HATRAMIN'NY FIANDOHANA sy ny fomba entintsika miaina izany amin'ny hoa avy.
3. Maranatha ( 06/11/2012 11:02)
Fiadanana ho an'i rehetra,
Io no tempoly naseho araka ny soratra masina tamin'ny andro teo aloha miaraka amin'ireo fanaka rehetra hita ao anatiny.

Ankehitriny dia tsy misy fiovana ireo rehetra ireo fa na:
- ilay tempoly any an-danitra izay anaovan'ny Mpisoronabean-tsika fanompoam-pivavahana FANAVOTANA an-tsika ilay ao @ Apok 11:19 Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny.

-Na isika izay voalaza fa tempolin'ny Fanahiny eto ambonin'ny tany "I kor 3:16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Avoindrindra ianareo, ary ny Fanahin'Avoindrindra mitoetra no anatinareo? 17 Raha misy manimba ny tempolin'Avoindrindra, dia mba hosimban'Avoindrindra kosa izy; fa masina ny tempolin'Avoindrindra, dia IANAREO IZANY." Dia tsy maintsy hahitana ireo fanaka ireo ihany koa

Somary maizimaizina moa ilay sary ka tsy maninona fa hazavaiko tsirairay.

Ny hita eo @ KIANJA:
-Vao mihiditra aloha dia ny VAVAHADY . Io ilay lazain'i Mesia fa Izy .hoy mantsy Izy "Jaona 10:9 Izaho no VAVAHADY; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina."

-Ny Alitara fanaovana SORONA. Io no nahatonagavan'i Mesia tety ambonin'ny tany hanao sorona ny Tenany mba ho famonjena antsika. hoy ny Jaona 3:29 Indro ny Zanak'ondrin'Avo indrindra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. Ilay zanak'ondry tsisy kilema. Eks 12:5 Zanak'ondry tsy misy kilema...
Ny Alitara fanaovana SORONA= KALVARY

-tavy FISASANA :"Eks 30:18 Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.19 Ary eo no hanasan'i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.20 Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy." Io ilay nosoloina ny BATISA sy ny FIFANASAN-TONGOTRA alohan'ny fandraisana.

Dia araho anie ilay voasoratra ao amin'ny Marka I6:16 : Izay mino sy atao batisa no hovonjena. Nihiditra te @ vavahady, nitondra ilay sorona , Nosasana tao anatin'ny ranon'ny batisa ho famelan-keloka, izay vao mahazo mihiditra ao anatin'ny efitra masina.

NY EFITRA MASINA:
-Varavarana fidirana hoy ny voasoratra: jaona 14:6 Hoy ny Mpamonjy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako

-Ny FANAOVAN-JIROFITORANTSANA MIARAKA AMIN'NY SOLIKA NATAO HANAZAVANA NY EFITRA: hoy ny voasoratra Jaona 14:12 Ary ny Mpamonjy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.
NY SOLIKA mitondra ny fahazavana.Apok 5:6 t.f ….dia ny Fanahy fiton'Avo indrindra....

-Ny LATABATRA MISY MOFO ASEHO: hoy ny voasoratra Jaona 6:35 Hoy ny Mpamonjy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Apok 19:13 t.f ny anarany atao hoe Ny Tenin'Avo indrindra.

Raha tsisy ny Fanahy masina hanazava antsika dia tsy ho hain-tsika mihintsy ny hanavaka ny marina sy ny diso ao amin'ny Tenin'Avoindrindra.

-NY ALITARA FANDOROANA DITIN-KAZO MANITRA: Apok 5:8 nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany.
Jakoba1:27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Avoindrindra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
Sns...

NY EFITRA MASINA INDRINDRA:
-Ny Fiaran'ny fanekena izay voapetaka takela-bolamena: Eksedosy 25: 22 Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao.....
Volamena: I peter 1:7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra NY FINOANAREO (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;

NY AO ANATIN'NY FIARA:

VILANY VOLAMENA MISY MANA:
MANA: Salamo 78:24 Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy. (Zavamaniry)
Genes1:29 Ary ny Ray nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
Midika fa ZAVAMANIRY no tokony ho fihinana fa tsy nofom-biby.

TEHIN'ARONA NITSIMOKA: Nom 17:23 Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
Midika fa manana Fiangonana iray izay manaraka ny fandaminany ny Avoindrindra (vakio ny Nom toko 16 sy 17 ho antsika izay mamorom-porona fiangonana tsy nahazo fahefana avy any an-danitra)

NY VATOFISAKY NY FANEKENA:
Tsy misy miova na miala na foana fa mbola tokony hatao daholo.

KOA RAHA HIANAO ARY ILAY TEMPOLINY DIA TSY MAINTSY HITA AO AMINAO IREO FEPETRA REHETRA IREO hebreo 3:6 fa ny mesia kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Avoindrindra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.

MAHEREZA
4. sitlo ( 07/11/2012 01:10)
Io be pitsopitsony io ihany, ny iafarany asain'i Maiol manome ny ampahafolon-karenanao ho azy isak'erinandro.
Ianao banky avy eo, ny tempoliny manjelanjelatra.

Araka ny finoana kristianina:
Tempolin'Andriamanitra = vatan'olombelona.
Io karakaraina ataovy izay hampatanjaka azy fa ny an'i Maiol sy ny tariny aleo ho any.

Sa Maranatha anamboatra tabernakely volamena isaky ny fiangonana?
5. Maranatha ( 07/11/2012 05:14)

sitlo:

Tsy manaraka tsara i Sitlo. Isika mihintsy no tempoliny isika vatan'olombelona araka ny I kor 3:16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Avoindrindra ianareo, ary ny Fanahin'Avoindrindra mitoetra no anatinareo? 17 Raha misy manimba ny tempolin'Avoindrindra, dia mba hosimban'Avoindrindra kosa izy; fa masina ny tempolin'Avoindrindra, dia IANAREO IZANY."

fa ny Tempoliny izany hoe isika izany dia tsy maintsy manaraka izay rehetra voasoratra mifanaraka amin'ny fanaka rehetra ao antempoly.

Aza maika mamaly fa mandiniha tsara aloha. Raha somary lavalava ilay izy tsy maninona fa kopieo aloha dia any antrano mandinika miadana sady maka fahalalana e! hoy mantsy ny ohabolana19:2 Tsy tsara raha tsy manana fahalalana ny fanahy fa izay miezaka ho mosalahy dia ho diso lalana. ary koa ny Hosea 4:6 Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana dia....

Mahereza
6. sitlo ( 07/11/2012 06:27)
Isak'izay misy mamaly dia lazaina fa tsy maaraka daholo. Iza koa no hanao copie an'io?
indray mamaky dia vita.
Ny finoanareo be flirony. Ety moa ny lalana sa?
Raha nanome ahy aina sy fiainana Andriamanitra dia natao iaina izay. Fa tsy hoe natao ikarakara ny fiainana rehefa tapitra ny aina.
Mba hitanareo tsara ve ny maha-ridicule ny fiainana aorinan'ny fahafatesana? Nefa ianareo dia miady hevitra mafy fa sao tsy mety ny "vavahady", ny "tabernakely" sns

ianareo no mahereza dia enga anie tsy antitra vao hanenina
7. Maranatha ( 07/11/2012 10:00)

sitlo: ianao dia anisany omena ity teny ity
Matio 10:14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.
15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany
8. sitlo ( 07/11/2012 21:54)
hehe, dia raikitra indray ny fampitahorana

fomba classique fanaon'ny kristianina. Dia hisy meteorite hilatsaka ve eo ambonin'ny lohako?
9. moustaraf ( 08/11/2012 04:01)
Salama namana,
HIta sy tsikaritra tato hoa ato fa mihamaro ireo olona mpisera vaovao no miditra eto @ "Fivavahana, finoana", Arabaina izy ireo TONGA SOA,
>fa ny hita anefa dia toa olona tonga hanakorontana ireo adihevitra efa mizotra tsara mba hamiliana ny hevitra miainga,
Inona no antony? Miha lany ireo hevitra azo aroso @ ireo adihevitra hafa (fitiavana, vehivavy, lehilahy,....) ,Ny eto anefa mihamitomba ny azo resahina.
Ohatra: olona tsy mandinika fa mpanao vali-boraingina , olon'ny Nofo, olon'ny fijangajangana mihitsy aza.....
> Raha nivory ny zanak'i El dia mba teo koa i satana!......
Aza gaga isika fa hisy hatr@ ompa reny hitranga eto kelikely eo!
10. RBNIR ( 08/11/2012 06:03)
moustaraf:

Faly miarahaba namana,

Amiko mahafinaritra izany, satria hizara no antondia eto fa tsy misy zavatra hafa.
Aza tezitra na misy provocation aza fa IZY no efa niharan'izany voaloha,
Maro ny mafy loha nefa rehefa niasa IZY lasa ondry tsara ihany (isany aho).

Samia ho tahin'ny TOMPO namana.
11. sitlo ( 08/11/2012 13:02)
Mbola kamokamo fotsiny angamba IZY izao.
12. RBNIR ( 12/11/2012 09:33)
sitlo:

Mbola kamokamo fotsiny angamba IZY izao.

Faly miarahaba namana stilo,
Sarotra ho an'ny ankamaroan'ny olona tokoa ny hino ny fisian'Andriamanitra namana stilo,
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. » (Lio.11:9)
« Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lio.11:10)
« Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? » (Lio.11:11)
« ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? » (Lioka 11:12)
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? » (Lio.11:13).

Araka ireo teny eo ambony ireo namana stilo dia mbola tian-tsika lavitra mihoatra ilay dada niteraka an-tsika Andriamanitra.

Araho ity rohy ity dia ho azaonao tsara hoe hatraiza ny fitsinjovany an-tsika.

http://forum.serasera.org/forum/message/m4ffe73717ce13

Aza manamafy fo namana, tsy adala akory ireo olona marobe manaraka AZY ireo.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
13. sitlo ( 12/11/2012 23:16)
Eo indrindra no tiako ahatongavana. Mbola angataka ve ianao nefa efa nomena?

Efa manan'aina ianao, efa misy tany sy zavamaniry ary biby miara-miaina aminao, efa misy masoandro manafana, renirano mikorina...

Dia mbola lazaina izany fa tsy misy dikany indray izany. Lazaina fa tsy misy dikany ity fiainana ity fa olon'ny nofo ianao raha miraharaha izany. Fa ny olon'ny fanahy dia mikarakara ny fiainana any an-koatra. Noho izany mila manao an'izao fomba izao sy izao.

Dia io no itenenako hoe, ny iafarany dia lasa anaovan'ny mpitondra fivavahana (naka ohatra aho hoe Maiol) fidiram-bola. Asainy manome ampahafolon-karena isak'erinandro, ary rehefa mahantra ianao dia lazainy fa an'ny mahantra ny fanjakan'ny lanitra, izaho hanome anao fitsaharana...

Tsotra ny vahaolana, manaova ny tsara sy ny soa dia avelao ny filirony sy ny fombafomba ho an'izay tia an'izany.
14. RBNIR ( 13/11/2012 06:02)

Aleo afoheziko ny valiny fa mitady hivoana ny lohahevitra isika izany namana, "tempolin'Avo indrindra manko ny lohahevitra eto".
Raha izaho manokana aloha namana dia aleko misafidy ilay fiainana mandrak'izay (éternité na immortalité).
Samia ho tahin'ny Tompo namana

15. sitlo ( 13/11/2012 06:47)
Misy angano vazaha izay manao hoe: omeo ahy iny vorona antananao iny dia andana alaivo fa misy anakiroa nafeniko ao anaty lobolobo ao.

Manaraka izay, tsy mivoana mihitsy ny resako eto. "Tempolin'Avo indrindra" no resahana eto dia namaly aho hoe "ny vantana" izany.
Dia alefa daholo izao toko sy andininy izao izay nolazaiko hoe fombafomba tsy dia misy ilavana azy: latabatra, kianja, menaka...

Ilaina tokoa ny mikarakara vantana, izay nolazaiko hoe ataovy izay hampatanjaka azy. Ary ny tanjon'ny finoana malagasy dia: matanjaka ara-batana, mahery ara-tsaina, hendry ara-panahy(tsara toetra no dikany, sao misy mandika vilana eo indray). Tsy hitako mihitsy izay maharatsy an'ireo.

Fa ilay ampiana hoe, atao an'izao sy itsy raha te ho tonga any amin'ny paradisa... Ireo no toeriko ankitsirano eto.
16. moustaraf ( 14/11/2012 04:54)
Salama namana,

Rah ny fahitako izao adihevitra izao dia misy fizarana roa miavaka tsara ny tendance eo @ fanaovana fanadihadiana:
Eto manko vao mivaky ny namana hoe: NY ara-batana no karakaraina, ...fa tsy asiana filirony sns...sy ny hoe izao sy izao no atao mba hidirana ny Paradisa....(tsy haveriko eto daholo).

>Tsy hifanena mihitsy ny tendance" Matérialiste sy spiritualiste" ka sao dia mandany fotoana eto fotsiny @ fanehon-kevitra!

>Amiko manokana aloha raha"Fivavahana sy finoana" no sehatra ifampiresahana , ka resaka fikarakarana vatana (satria io no tempoly)= mila salama , matanjaka, tomady,.....DIA AMPY VE? TSY HIFAMPIZARA TOKO SY ANDININY IHANY KOA? INONA ARY NO ATAO ETO?
Hivavaka nefa TSY HIKATSAKA NY PARADISA, DE HANINONA ARY?

"NY ADALA MANAO HOE TSY MISY A/tra.....MANDEHANA KA DIA MANAOVA TOY IZANY KOA"
17. Maranatha ( 14/11/2012 10:31)

sitlo:

1-Eo indrindra no tiako ahatongavana. Mbola angataka ve ianao nefa efa nomena?

Efa manan'aina ianao, efa misy tany sy zavamaniry ary biby miara-miaina aminao, efa misy masoandro manafana, renirano mikorina...

Dia mbola lazaina izany fa tsy misy dikany indray izany. Lazaina fa tsy misy dikany ity fiainana ity fa olon'ny nofo ianao raha miraharaha izany. Fa ny olon'ny fanahy dia mikarakara ny fiainana any an-koatra. Noho izany mila manao an'izao fomba izao sy izao.

Dia io no itenenako hoe, ny iafarany dia lasa anaovan'ny mpitondra fivavahana (naka ohatra aho hoe Maiol) fidiram-bola. Asainy manome ampahafolon-karena isak'erinandro, ary rehefa mahantra ianao dia lazainy fa an'ny mahantra ny fanjakan'ny lanitra, izaho hanome anao fitsaharana...

Tsotra ny vahaolana, manaova ny tsara sy ny soa dia avelao ny filirony sy ny fombafomba ho an'izay tia an'izany.

2- Misy angano vazaha izay manao hoe: omeo ahy iny vorona antananao iny dia andana alaivo fa misy anakiroa nafeniko ao anaty lobolobo ao.

Manaraka izay, tsy mivoana mihitsy ny resako eto. "Tempolin'Avo indrindra" no resahana eto dia namaly aho hoe "ny vantana" izany.
Dia alefa daholo izao toko sy andininy izao izay nolazaiko hoe fombafomba tsy dia misy ilavana azy: latabatra, kianja, menaka...

Ilaina tokoa ny mikarakara vantana, izay nolazaiko hoe ataovy izay hampatanjaka azy. Ary ny tanjon'ny finoana malagasy dia: matanjaka ara-batana, mahery ara-tsaina, hendry ara-panahy(tsara toetra no dikany, sao misy mandika vilana eo indray). Tsy hitako mihitsy izay maharatsy an'ireo.

Fa ilay ampiana hoe, atao an'izao sy itsy raha te ho tonga any amin'ny paradisa... Ireo no toeriko ankitsirano eto.

I kor 1:18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Avoindrindra kosa amintsika izay hovonjena.

I kor 2:14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Avoindrindra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
18. sitlo ( 14/11/2012 22:08)
haha, borkeo fa bornés
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3338