Ny Ortie kay fihinana

1. hery ( 25/10/2012 20:21)
Tsy aritro dia tantaraiko eto fa ortie ny laokanay androany. Aty ambanivohitra aty no misy azy io. Be dia be mantsy atsy ambony anaty ala atsy, tena misavovona mihitsy, dia naka ry zareo tato an-trano. Tandremana tsara fa raha vao mikasika amin'ny hoditra izy dia mampangidihidy be mihitsy...
Fa nony nokarakaraina, nampiarahina tamin'ny henakisoa fa na amin'ny hen'omby matavitavy koa aza angamba mety, dia tena lafatra. Mitovitovy tsiro amin'ny ravim-boatavo ilay izy amin'ilay volovolony.

Dia nojereko tamin'ny internet ihany aloha sao dia hoe hisy olana... kay tena fihinana tsara sy be protéine ilay izy.
Sady matsiro izany no mety ho an'ny fahasalamana fa andramo :-)
novalian'i lalaina28 ny 20/01/2020 11:51
2. SOANAVA ( 25/10/2012 23:03)
Bjr
Ahoana ilay fikarakarana azy?Lomana ao anaty rano fontsiny ve,satria raha ny ravim-boatavo
mantsy raha araka ny fitadidiko dia somary kosehina arytsovahina mihintsy aza ireo "nervures"
eo ambony.Tena tsy aiko ny mandika an'io teny io fa tena efa voazanaka angaha ny saina
Misaotra mialoha raha misy valiny
3. McFy ( 26/10/2012 06:06)
Salut,

Ary noheveriko fa efa be mpahalala anie hoe tsra sy tena mahasoa izy io e!

Ny RAVINY ihany no fanafodiny raha sendra tratrany ka nataony nangidihidy.
Tsy maninona ny felan-tanana izy io ka rehefa maka ny raviny dia aforitra roa avy @ lafy ratsiny . Izany hoe akombona ny lafy tsara dia kosehina @ felan-tanana roa toy ny manao pate à modeler t@ mbola kely ireny. Ataoa izay hahapotika azy tsara mitera-drano iny ka iny avy eo no ahositra @ ilay mangidihidy.
Tany akaikin'Ihosy t@ 1982 grande vacance no nahalalako izany.

Lasopy koa azo anaovana azy. Miaraka @ hen'omby matavy koa. Toy ny fihinanana épinard koa.

Mazotoa daholo
4. pissoa ( 26/10/2012 07:31)
Izany ve tsy hampitahotra. Mampangidihidy vavony :D
5. dadasy ( 26/10/2012 08:48)
pissoa:

Izany ve tsy hampitahotra. Mampangidihidy vavony :D


pissoa de sampona foana! :)
6. m.i.s.a ( 26/10/2012 12:46)
izaho aloha mbola tsy nihinana fa kosa mampiasa na ao an-jaridaina na atao fanafody.

ny fanafody dia maka raviny 15 atao anaty alikola 90° dia avela milona 10 andro

alana ny raviny avy eo dia tazomina io lasa maintso io ka raha misy voan'ny zona na herpès dia hasiana an'io ny coton dia apetaka eo @ zona na herpès fa aingana dia aingana dia maina.

torak'izany koa ny bouton eo @ tarehy , alaian ny coton tige dia lemana @ io macération io dia apetaka eo @ bouton , in-2 na in-3 anaty iray andro dia afaka ny bouton sady tsy misy tasy mijanona.

torak'izany koa ao an-jaridaina , maka 300gr raviny dia halona anaty 10l rano dia macéréna eo 10 andro , saromana tsara fa mamoaka fofony ratsy.

vita ny 10 andro dia atao anaty pulvérisateur dia iny no hanondrahana ny ao anèjaridaina na légume zany na voninkazo , zezika natoraly ary sady mamono biby kely.

torak'izany koa raha may , oh ny tanana dia aalina ny raviny dia totona dia apetaka eo @ ilay may fa saitrana hoy aho ! sady tsy mahaino maimaivay no avy dia maina ny may.

ny hihinana aloha dia tsy dia sahy loatra aho satria be ny hampiasaiko azy @ fomba fanasitranana atao fanafody.
7. SOANAVA ( 26/10/2012 21:33)
Misaotra anareo rehetra namaly eh!
8. Ratoa ( 29/10/2012 23:03)
atao salade indray no efa reko. F'angaha moa misy ortie eto M/car. Tany an-dafyihany aho no mba nahita
9. booboo ( 30/10/2012 13:43)
Ratoa > ié, takilotra izy @ teny malagasy.
10. hery ( 30/10/2012 13:48)
Oh, izay marina kay no anarany... takilotra. Misaotra an-dra be motika lol

Misy any Madagasikara ka
11. Ratoa ( 30/10/2012 18:12)
gaga indray aho. hitady takilotra aho izany atao zezika ranoniny
12. booboo ( 31/10/2012 10:40)
Ratoa > ny ahy namafy engrais vert (phacélie) dia alohan'ny hamelanany dia no-gliavako, avy eo iny no asitrika anaty tany atao zezika (sady mampalemy be ny tany ny fakan-dry zareo). Fa ny orties koa afaka ilay izy ohatra iny fa tsy atao purin no atao zezika, asitrika koa no fanaovana azy rehefa izay.
13. Ratoa ( 31/10/2012 22:52)
boboo,
aiza no ahitana Phacélie?
14. booboo ( 04/11/2012 15:00)
Ratoa > tena tsy fantatro raha any M/car f'aza tsiny e. Fa raha aty erôpa dia eny @ rayon n'ny zaridaina efa feno azy (moutarde blanche, trèfle violet koa izy aby)
15. sipagasy ( 06/11/2012 18:33)
izaho efa nihinana soupe indray mandeha, fa tsara kannn
16. bazylou ( 26/04/2013 22:27)
ortie a,
aza mihinakina poana

beurrrk
17. Nehemiah ( 27/04/2013 06:55)
Fihinana re ny orties. Ianareo ve tsy mba namaky Boule et Bill t@ fahazazàna :) ?
18. Ratoa ( 29/04/2013 12:59)
raha any europa dia ny ala rehetra ahitana orties fa eto Gasikara no anontaniako fa mbola tsy nahita aho mantsy, hany ka noheveriko ho any europe ihany no misy azy
19. lalaina28 ( 20/01/2020 11:46)

hery:

Tsy aritro dia tantaraiko eto fa ortie ny laokanay androany. Aty ambanivohitra aty no misy azy io. Be dia be mantsy atsy ambony anaty ala atsy, tena misavovona mihitsy, dia naka ry zareo tato an-trano. Tandremana tsara fa raha vao mikasika amin'ny hoditra izy dia mampangidihidy be mihitsy...
Fa nony nokarakaraina, nampiarahina tamin'ny henakisoa fa na amin'ny hen'omby matavitavy koa aza angamba mety, dia tena lafatra. Mitovitovy tsiro amin'ny ravim-boatavo ilay izy amin'ilay volovolony.

Dia nojereko tamin'ny internet ihany aloha sao dia hoe hisy olana... kay tena fihinana tsara sy be protéine ilay izy.
Sady matsiro izany no mety ho an'ny fahasalamana fa andramo :-)

20. lalaina28 ( 20/01/2020 11:47)
Salama daholo,
Aiza kay no mety ahitana Orties fa tena hilaina maika.
Misaotra mialoha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1129