Ny Ortie kay fihinana

21. lalaina28 ( 20/01/2020 11:48)
Salama daholo,
Aiza kay no mety ahitana Orties fa tena hilaina maika.
Misaotra mialoha
22. lalaina28 ( 20/01/2020 11:51)

hery:

Tsy aritro dia tantaraiko eto fa ortie ny laokanay androany. Aty ambanivohitra aty no misy azy io. Be dia be mantsy atsy ambony anaty ala atsy, tena misavovona mihitsy, dia naka ry zareo tato an-trano. Tandremana tsara fa raha vao mikasika amin'ny hoditra izy dia mampangidihidy be mihitsy...
Fa nony nokarakaraina, nampiarahina tamin'ny henakisoa fa na amin'ny hen'omby matavitavy koa aza angamba mety, dia tena lafatra. Mitovitovy tsiro amin'ny ravim-boatavo ilay izy amin'ilay volovolony.

Dia nojereko tamin'ny internet ihany aloha sao dia hoe hisy olana... kay tena fihinana tsara sy be protéine ilay izy.
Sady matsiro izany no mety ho an'ny fahasalamana fa andramo :-)



Salama o, aiza kay no mety ahitana Orties azafady
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.207