Tsy maintsy hiaraka ve ny Lehibe (lehilahy ) sy ny "secretaire particulière-ny"?

1. siga_soa ( 24/10/2012 11:59)
Zava-misy hita matetika eo amin'ny fiaraha-monina sy ny toeram-piasana io zavatra nanontaniako io. Ka izany no nahatonga ahy hampiditra azy eto. Ary tena mamotika ny fiainan-tokantrano na ny an'ny lehibe izany na ny an'ny secretaire. Misy aza dia lasa manao tokantrano roa mihitsy ny ilay lehilahy indrindra moa fa tsy manambady na efa nisaraka tamin'ny vadiny ilay secretaire. Mahafoy ny vady aman-janany mihitsy ilay lehilahy. Mamorona mission ahafahana mandeha miaraka mandritra ny fotoana lavalava. Ka eo no apetrako ny fanontaniana teo ambony. Kanefa rehefa tena dinihina ilay tena vady no mety na tena nahatonga ilay lehilahy ho eo amin'ny toerana tsara misy azy ankehitriny.
Apetrako ny ady hevitra. Sa kosa efa izay no teotran'ny lehilahy lasa sefo na lasa ambony?
novalian'i ialahy ny 24/04/2013 13:20
2. Massnatany ( 24/10/2012 12:58)
Tsy maintsy ve hoy ianao... Tsy voatery hoy aho, miankina amin'ilay lehilahy hoe mba misaina ve izy sa tsia. Indrindra moa raha toa ka hoe noho ny filahiany tsy tanany no hamotehina tokan-trano...
3. andrywui ( 25/10/2012 07:05)
Norma be zany kou , izy lebe le sekretera kely ,n'y fombampiainana ,n'y lebe mihinana n'y kely foana donc lanin'ny lebe fona n'y kely
4. hery ( 25/10/2012 07:47)
Azo atao hoe "lâche" ihany ny lehilahy miditra amin'io resaka io. Ny tena lehilahy, na dia misy fitiavana aza eo aminy sy amin'ny secretaire dia mandefitra, mampandefitra fo. Satria tsy maintsy hisy tsindry aloka foana na dia tsy tsapan'ny tena aza. Na raha tena fitiavana dia mila mametra-pialana ny iray (ilay sekretera ohatra) dia miroso amin'ny lalina kokoa.

5. siga_soa ( 25/10/2012 10:43)

hery:

Mety marina ihany ny an'i Andrywui hoe eo ambany fifehezana ilay secretaire, fa ny tena mampalahelo dia lasa haratsiana ilay tena vady fa ilay secretaire no indraindraina sy hatsaraina ho tena mahavita.
Raha ny an'i Hery kosa indray mikasika ny hoe tokony mampandefitra ny fo kanefa firy amin'ny lehilahy no hanana io fandeferana io indrindra raha sendra ny secretaire efa vonona dia vonona hanao izay fomba rehetra hiarahana aminy.
6. sitlo ( 25/10/2012 20:06)
Ny teknika amin'io dia rehefa maka sekretera dia ilay sondenda sy matax be ireny alaina. Ireny sady mahay no mazoto no matanjaka. Na adiny 3 aza izy mipetraka eo zakany foana.

Ilay kelikely ireny no tsy mahatombotsiraka fa vao afaka atsasakadiny fotsiny dia efa lasa any amin'ny kiraro sy lamody ny eritreriny. Avy eo any aminao.
7. andrywui ( 26/10/2012 07:00)
Rasitlo à , mba fantatrao mou le teny malaza iny oe : "ny lehilahy anie alika e " zany oe n'a ratsy be s'y gena mapme be aza le sekretera ka misimisy entana(sokatry) fotsiny de efa io sahady n'y alika be e , ka n'a milay n'a tsy milay rasekretera de tsy maintsy voatomboka fona efa ela loatra kou zay fomba n'a amn firenena aiza n'a aiza defa lasa fomba aradalana iainana ao ampiasana ary efa iomanan'ny sekretera rehetra mialou n'y oe tsy maintsy hohanin'ny direktera ah zao fa eretako ty fa n'y asa no jereko , Sady plaisir ko anie zany e! Zay no anamboarany saina fa n'y entana tjr amboarin'ny radiry .
8. sitlo ( 26/10/2012 07:10)
shhhhhhh tsy mifamaly amin'ny tsy ampy saina Jereo eto
9. andrywui ( 26/10/2012 08:25)
Ary sao de mba vadinlah ary less ry stilo no voandy tao no mapipapapapa be anlah otranio le ,huhuhuhuhuhuh itadiavo kandra ménage izy amn manaraka bainn à mlamm n'y sainlah amzay huhihuhihuhh
10. andrywui ( 26/10/2012 08:27)
Azfd,,, sao de mba n'y anlizinlah no voaendy oa......
11. vony501 ( 30/10/2012 05:57)
Trangam-piainana efa mahazatra io ry zareo a, ary tsy eo @ Directeur sy Secretaire ihany hatramin'ny lehilahy (loham-pianakaviana na zanaka lahy) sy ny mpiasa an-trano (bonne). Tsy ny fahalangan'ny lehilahy fotsiny no mety mahatonga izany, fa eo koa ny fahamolan'ny secretaire sy ny la bonne, izay mihevitra fa ny famelarany amin'ny lehibeny na ny patron-ny no hahatsara toerana na hahatsara karakara azy eo amin'ny asany (fivarotan-tena an-kolaka). Eo koa anefa ny fanararaotana ataon'ny lehibe (harcelement), ka mametraka fepetra hoe tsy maintsy miaraka aminy fa raha tsy izany dia... Indraindray koa anefa dia mandeha ho azy satria matetika no tafaraka irery ao amin'ny birao, na ao an-trano, dia lasa mifampijerijery sy mifanombatombana, mampiakatra filana sy manome fakam-panahy ary dia ...
12. BRIOCHE ( 08/11/2012 14:20)
Tena misy io ary aza mba tratra ihany, ny vehivavy secretaire mihintsy ange no misarika an' Lehibeny e, fa raha izaho aloha no lehibe dia ny any amboalohany dia aleoko mamehy tena e, fa rehefa tratrany ange ka tsy misy mahaizy anao intsony fa ny secretaire indray no mibaiko e! tsy tsara ny mifankatia @ olona iadidiana fa aleo manorina ny fo any an-kafa fotsiny.
siga_soa:

Zava-misy hita matetika eo amin'ny fiaraha-monina sy ny toeram-piasana io zavatra nanontaniako io. Ka izany no nahatonga ahy hampiditra azy eto. Ary tena mamotika ny fiainan-tokantrano na ny an'ny lehibe izany na ny an'ny secretaire. Misy aza dia lasa manao tokantrano roa mihitsy ny ilay lehilahy indrindra moa fa tsy manambady na efa nisaraka tamin'ny vadiny ilay secretaire. Mahafoy ny vady aman-janany mihitsy ilay lehilahy. Mamorona mission ahafahana mandeha miaraka mandritra ny fotoana lavalava. Ka eo no apetrako ny fanontaniana teo ambony. Kanefa rehefa tena dinihina ilay tena vady no mety na tena nahatonga ilay lehilahy ho eo amin'ny toerana tsara misy azy ankehitriny.
Apetrako ny ady hevitra. Sa kosa efa izay no teotran'ny lehilahy lasa sefo na lasa ambony?
13. bazylou ( 25/03/2013 00:55)
aleo asiany any ry ti aaaaa
14. ialahy ( 24/04/2013 13:20)
Ny ela hono mantsy maharay roa. Ny tena vahaolana dia soloina isaky ny 3 volana ny sekretera na atao lehilahy dia milamina io. vehivavy le deba vehivavy ny sekretera, lehilahy ny deba lehilahy ny sekretera, raha tsy hoe angaha hafa taranja koa ny debanao loool
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2266