Ny Finoana takiana amin'izao vanim-potoana izao

1. Maranatha ( 24/10/2012 10:10)

Toy izao ny sary mikasika ny tempoly tamin'ny andron'ny zanak'israely izay misy ny tandindona rehetra tokony harahin-tsika amin'izao fotoana izao izay hita ao amin'ny bokin'ny Hebreo.

Toy izao izy rehefa velarina kokoa. tsy hametraka toko sy andininy aho satria mitafa amin'ny olona efa nandalina lavidavitra kokoa
-Ny vavahady fidirana ao dia tsy iza fa ny Mpamonjy hoy Izy:Jaona 10:9 Izaho no vavahady.
-Ny Alitara fanaovana sorona dia maneho an'i kalvary. Indro ny zanak’ondrin’A/tra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao Fanamarinana amin'ny Finoana
Vanimpotoana 31 AD
-Ny tavy fisasana dia maneho ny Batisa.MArka 16:16 Tsy maintsy madio ny mpisorona vao mahazo mihiditra ao amin'ny efitra masina. Ny mpisorona dia olona efa manana fanampahan-kevitra fa tsy zaza.
Vanimpotoana 0-FIN Ad
Ny efitra masina ahitana:
-Fanaovan-jiro fito-ratsana: maneho ny fanahy masina Zak 4:2-6
-Ny latabatra misy ny mofo aseho: maneho ny baiboly misy ny tenin'Avoindrindra Jaona 6:35
-Ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra: maneho ny vavaka Apok 5:8
Vanimpotoaana 31- FIN AD
Ny efitra masina = isika zanak'olom-belona izay manaiky hitoeran'ny fanahiny : Moa tsy fantatrareo va fa tempolin'A/tra hianareo

Ny efitra lamba( na ny rideau): maneho ny boky ny fahafatesana ( afafy eo ny rà rehefa avy manao fanatitra noho ny ota ny olona tamin'izany) fanoratana ny otan-tsika

Ny efitra masina indrindra: any andanitra izay hanaovana Fanavotana amin'izao fotoana izao:

-Tsy mahazo mitsofoka ao afatsy ny Mpisoronabe irery ihany izay indray mandeha isan-taona(vakio ny Lev 16): maneho an'i Mpamonjy izay Mpisoronabe antsika Hebreo 8:1-2
- Misy fanaka maromaro ao izay tsy maintsy fantatra ny heviny satria hiankinan'ny famonjenan-tsika (vakio ny Hebreo 9)
Fiaran'ny fanekena izay ahitana :
- Didy folo: maneho fa tsy maintsy ankatoavina sy harahina ny Didy folo izay tsy miova.
- Tehin'ny Arona nitsimoka : maneho fa manana fandaminana ny Avo indrindra ka tsy maintsy harahina sady tsy azo toherina vakio ny Nomery 16 - 17
- Vilany misy mana: Maneho fa misy hifandraisany amin'ny famonjena ny sakafo izay hohanina
- Ny vilia volamena fandoroana ditin-kazomanitra :Ny finoana velona
- Ny kerobima nisy voninahitra: mampiseho ny seza fiandrianan'i Avoindrindra
Vanimpotoana 1844-Fahavitan'ny Fitsarana( fahafenon’ ny isa 144 000)

Ny andro fanavotana dia tsy 1andro fotsiny toy ny teo aloha fa mandrapahavita ny fitsarana.
Rom 15: 4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
Mahereza
novalian'i Maranatha ny 29/10/2012 05:40
2. didi10 ( 25/10/2012 07:02)
Mbola misy fanaditra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izany ao aminareo !!!

Hebreo 10;8
Rahefa nolazainy teho hoe: "Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna)" no tsy ilainao ary tsy sitrakao," 9 dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. 10 Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.
3. Maranatha ( 25/10/2012 09:11)
didi10:

Misaotra amin'ny fanontaniana!

Io efa voalazanao io ilay ràn'i Mesia no misolo ireny, Izy no ilay zanak'ondry tsisy kilema izay manala ny fahotan'izao tontolo izao.
Ny alitara fanaovana sorona no tandindon'ny Kalvary izay namonoana an'i Mesia. Ho antsika izay milaza izany fa ampy ny finoana fotsiny ny fahafatesan'i Mesia ho famonjena dia mijanona eo ny Finoany tsy tafiditra akory ao amin'ny Tempoly izy (Izany hoe tsy isany tempolin'Avoindrindra satria tsy afaka hitoeran'i Fanahiny.)

Aorian'ny fidirana aminy satria Izy no lalana sy Fahamarinana, dia mino koa ny rà izay nalatsany mba ho famelana ny helon-tsika, miditra amin'ny ranon'ny batisa, izay vao mandray ny fanahy masina sy mianatra izay rehetra nandidiany ny mpianany, Manandratra vavaka toy ny olona masina rehetra(mitandrina ny didy sy mino an'i Mesia). Eo hianao vao atao hoe tempolin'i Fanahin'i Avoindrindra.

Rehefa izany ny Misoronabe (ny mesia)mihiditra ao amin'ny efitra masina indrindra manao ny fanompoam-pivavahana ao, hianao kosa ety ambonin'ny tany manao ny asa mifanaraka amin'izay atao ao amin'ny efitra masina indrindra.

Vilany misy mana: Ny mana dia varin'ny lanitra izany no nomena ireo zanak'israely fahizay , Nisy papelika koa tany fa tsy natao anaty efitra masina indirndra io ny nofom-biby. Noho izany sakafo vegetarien no fihinana fa tsy misy resaka biby madio sy maloto intsony. Isaia 22:12-14

Tehin'ny arona: maneho fa manana ny fiangonany ny Avoindrindra izay misy ny fandaminany. Fiangonana izay mifandray amin'ny Fiangonany any an-danitra. Io ilay lazainay tokana ihany ny voromailalany Ton 6:8-11

Ilay Didy 10: Tsy foana , ary tsy misy miova ny Didin'Avoindrindra

Ny kerobima manaloka maneho ny seza fiandrianan'Avoindrindra.

Tsy ho foana akory ny lalàna mandram-pahatanterak'izy rehetra. Mbola lalàna io ataon'i mesia ao amin'ny efitra masina indrindra io . Mitovy tamin'ny andro fanavotana tamin'ny zanak'Israely. Vakio ny Lev 16

Mahereza

4. didi10 ( 25/10/2012 09:19)
Kol 2,20

20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy hianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany hianareo ka mety hodidiana hoe: 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - 22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
5. moustaraf ( 25/10/2012 10:19)
Salama namana,
Misy fanamarihana kely tiana ho atao,
Ny namana Maranatha manazava ny boki'ny Lalàna sy ny fahatanterahany, ny namana didi10 mamaly @ alalan'ny Epistily vaovao @ toko sy andininy mifanohitra (atsimo sy avaratra).

1.Tanteraka eto ilay lazaiko foana hoe "Mampiady an'i Mosesy @ Mesia sy ny Apostoly"-
2.Voalazan'i Mesia fa "i Mosesy dia NANORATRA NILAZA AZY", ary fantatsika rehetra fa ny lalan'ny famonjena izay narahin'ny Mpamonjy dia ilay lalana nalehan'Israely nivoaka avy tao Egypta:
Isika rehetra dia miara-miaiky fa:
-Ny paska famonoana zanak'ondry tsy misy kilema= fahafatesan'i Mesia
-Ny ranomasina Mena = Batisan'ny Rano
-Ny andry rahona = Batisan'ny Fanahy
Fa raha vao miresaka zavatra hafa ankoatra ireo: SABATA, Andro firavoravoana, fanatitra, didy 10, sns... dia mihizingizina ny maro fa tsy ilaina intsony izany.(????) Tsy azoko (???)

3.Raha nitory teny nanambara ny famonjena ny Mesia sy ny Apostoly, dia ireo bokin'i Mosesy sy ny mpaminany no nampiasainy,fa tsy ireto: Matio, Marka , Lioka,...Hebreo, Kolosiana, ....(izay tsy mbola nisy t@ izany) Nefa dia afaka TSARA NANAMBARA NY LALANA MARINA IZY IREO.

Ny fanatitra dia Misy isan'andro, fa tsy nofoanana akory: Ny Olat Tamyd (fanatitra isan'andro), nisolo ho Tefylah Tamyd (vavaka isan'andro? FA TSY vavaka mandrakariva)).

-Na ny dikan'ilay mivavaka isan'adro akory izany dia tsy fantatry ny MARO.
fEHINY: TSY MIFANOHITRA VELIVELY IREO RY NAMANA DIDI 10, FA AHITSIO KELY NY FAMPIANARANA.

6. didi10 ( 25/10/2012 11:03)
Misaotra ny namana!

Ahitsiko ny fomba fijerinao fa tsy mampifanohitra aho na mifanohitra ny tenin'Andriamanitra namaliako ny lahatsoratry ny namana teo ambony.

Tsy mila ampianarina ianao fa taloha (araka ny lalàna =Torah) dia tsy maintsy foraina ny Jiosy, fantatrao fa ankehitriny dia milaza ny Epistily fa tsinontsinona ny famorana saingy izaho manokana dia mifora ihany tsy noho ny amin'ny lalàna fa amin'ny fahasalamana.
Toa izany koa ny fanatitra aterina noho ny ota (biby) izay efa tsy misy intsony fa ny fibebahan'ny tsirairay no takiana.
Toa izany koa ny amin'ny hanina, satria ny hanina ho an'ny kibo ary ny kibo ho an'ny hanina.

Raha mahita soratra avy amin'ny Commune ianao hoe: tsy azo anariam-pako eto dia tsy tokony hanary fako eo ianao, fa raha efa niova kosa ny voasoratra ka lasa hoe: fanariam-pako eto dia ianao indray ve no hanakana ny olona tsy hanary fako eo?

7. bichette ( 25/10/2012 11:27)
Ny TT sy ny TV dia COMPLEMENTAIRE. Izany ohatran’ny mahatonga azy tsy mitovy indraindray, tsy hoe mifanipaka fa COMPLEMENTAIRE ary eo no liana ny Fanahy Masina hanazava ny zavatra sasantsasany satria tsy takatry ny saina amin’ny maha-olombelona.
Ny tabernakla io lazain’I Maranatha etsy ambony io dia tandindon’ny zavatra hiseho, ary izany no maha misy dikany ny zavatra rehetra tao amin’ny tempoly, tsy misy na zavatra izay aza ny hoe sendrasendra.

Ny didy 10 tsy miova, ary IO NO HITSARANA ANTSIKA. Raha foana daholo ny didy, inona no hitsarana ny olona ? SAINGY fantatr’Andriamanitra fa tsy ho hahatanteraka an’io zato isan-jato ny olombelona satria mbola nofo aman-dra ihany ary tamin’ny andron’ny TT mila manao sorona hatrany, ka ny Zanany lahy tokana dia I Jesosy Kristy no nataony sorona MANDRAKIZAY, ary tamin’Jesosy maty teo amin’ny hazo fijaliana dia rovitra ny Rideau n’ny alitara, ilay midika hoe afaka manantona an’Andriamanitra directement ny olona nohon’izany nahafatesan’I Jesosy izany, izay no mahatonga hoe otran’ny tetezana izany I Jesosy.

Tsy foana mihitsy ny didy folo, fa raha sendra tsy tafanaraka izany ny olona, tsy manao fanahiniana, ka mibebaka mifona marina tokoa dia voasasan’ny ran’I jesosy Kristy ka tsy meloka nohon’iny fahotana iny. Ohatra raha misy olona nijangajanga ka miaiky hoe tsy mety ny nataony, ka mibebaka marina eo anatrehan’Andriamanitra, dia voasasan’I ran’I Jesosy kristy izy ary tsy meloka intsony amin’iny zavatra nataony iny, voafafa tanteraka eo imason’I Tompo iny fijangajangana natao iny ary tsy voasia intsony. Fa kosa raha efa olona nateraka indray ilay olona fa nijangajanga ary mitohy manao an’izany anefa fantany fa tsy mety, dia miala tsiny aho fa dia …… bye bye hihihhi !!!! eto manko ny olona no diso fihevitra, maro no te hampilamina ny conscience-ny dia miteny hoe efa tsy misy intsony ny didy rehefa sy ny didy folo e ! sy mihevitra ny tenany hoe efa olombaovao dia manota. Tsy misokatra ho an’izany olona izany ny fanjakan’ny lanitra satria izy tsy nibebaka ary tsy voasasan’ny ran’I jesosy Kristy.

Raha tsorina izany, raha misy olona iray, niova fo ka nandray an’I Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy marina SY MIBEBAKA sy MIAIKY NY FAHOTANY MARINA, ary manenina tamin’ny zavatra vitany dia voasasan’ny ran’I Jesosy tanteraka ny zavatra vitany rehetra, na inona na inona ratsy vitany. Fiainambaovao no hiainany, raha sendra tafalatsaka tsy nahy ka mibebaka izy dia voavela ny helony ary purifier et sanctifier izy.

Tandremo tsara fa ilay hoe teny hoe «mibebaka» matetika hamaivanin’ny olona, olona mibebaka izany dia olona miaiky fa nanota ary vonona ny tsy hanao izany intsony. Misy manko olona mijangajanga dia mangataka pardon anefa tsy miala ami’ilay olona hijangajangany, TSIA.
raha tsy mazava dia aza misalasala mametrka fanontaniana an !
mahereza daholo o !
8. Maranatha ( 25/10/2012 12:23)
Misy zavatra somary mahagaga ahy ihany amin'ny didy10 sady te hampiorina ny lalàn'Avoindrindra izy no te handrava. Ity no tsy ampy aminao ilay fanaovan-jiro sy ilay solika atao ao aminy Jaona 16:13 Fa raha tonga ny FANAHIN'NY FAHAMARINANA, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.

Ny olona feno ny Fanahin'ny fahamarinana dia mahay manavaka ny marina sy ny tsy marina.

Raiso ho ohatra ilay vehivavy virijiny ao amin'ny Matio 25. KA tandremo sao hitovy amin'ireo Dimy adala.

Ny an'i Bichette indray mitady hivaona amin'ny lahatsoratra hianao ka hoa lasa any amin'ny lohahevitra hoe NY TENA FIBEBAHANA MARINA. Tsara io lohahevitra io fa ndao hanokafana vaovao.

Hiverina amin'ny lohahevitra isika:
Hoy ny Avoindrindra tamin'ni Mosesy Eksedosy 25:9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
FA satria nahoana???
Satria misy mitovy amin'io any an-danitra izay voalaza fa nidiran'i Mpamonjy araka ny bokin'ny Hebreo 8:2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
Hoy koa ny apokalipsy 11:19 Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ...

Ireo fanompoana natao teto ambonin'ny tany tamin'ny andron'ny zanak'israely no foana rehefa triatra ny efitra lamba fa nitohy tany an-danitra kosa izany avy eo. Nijanonana ireo fanompoam-pivavahana tandindona fa nihiditra amin'ny tena izy amin'izay . Tsisy olona mpisoronabe intsony fa Ny Mpamonjy no lasa mpisorona be.
Mino aho fa azonareo amin'izay.

Misy vanimpotoana izany ny finoana harahina:

Ohatra: t@ Mesia mbola tsy tonga tety ambonin'ny tany dia ny fanterana zanak'ondry no natao ho famelan-keloka, osilahy no fanao t@ andro fanavotana vakio ny Lev 16 sns...

Rehefa tonga ny Mpamonjy dia ny finoana Azy no asa takian'Avoindrindra t@olona JAona 6:28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?
29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.

Rehefa nitrangana Izy dia tokony ho nino isika fa Izy indray no mpisorona manao fanompoam-pivavahana sy fifonana ho antsika.

Avy eo 1844( fahataperan'ny 2300 andro)Tokony hino isika fa nihiditra ao amin'ny Fitoerana masina indrindra Izy nanao ny asam-panavotana ho antsika.

9. bichette ( 25/10/2012 13:03)

Maranatha:

fantatro hoe aiza i Maranatha no miangona :-) :-) :-)
10. Miharena ( 25/10/2012 17:10)
Mba azo anontaniana ve ny tian'i namana Maranatha resahana? Ilay fanorenana tempoly amin'ny endrika aseho'ny sary sa ny finoana tokony hananan'ny olona?
11. moustaraf ( 26/10/2012 03:13)
Salama namana,
Averiko foana fa "Ny vaovao dia fahatanterahan'ny Bokin'ny faminaniana", fa tsy misy zavatra hafa Novana sy noravana, sns....izany. Vakio tsara izay voasoratra.
1.Mifora ianao ry didi10 satria nifora ny Raibenao( satria taranaka mifora ianao), fa tsy noho izany hoe Fahasalamana izany (Fijery eropeana izany = jentilisa), fantaro ny tantaranao ry Malagasy namana.

2.Ny famorana azo t@ Abrahama dia napetraka ho famantarana ho an'ny taranany.
Ny famorana azo t@ Mosesy dia famoran FO, efa nanoratra izany i Mosesy fa nohamafisina aty @ Epistily= Tsy mifanohitra. Dikany ny taranaka Jentilisa tsy terena hifora ,fa ianao efa mifora noho i Abrahama (ara-nofo) dia famantarana ho anao izany ara-nofo.

3.Azo aseho antsika raha ilaina ny fahatanterahan'ireo rehetra voasoratra ao @ bokin'ny lalàna aty @ andron'i Mesia sy ny Apostoly, satria maro no diso fandray sy te "hamily ny epistily nosoratan'i Paoly" noho ny hakelin'ny saina.
12. Maranatha ( 26/10/2012 05:11)

bichette:

fantatro hoe aiza i Maranatha no miangona :-) :-) :-)

Tsy mahavonjy ny anaram-piangonana ry Bichette a! Ny finoana sy ny fankatoavanao no hahavoavonjy anao fa tsy ny anaram-piangonana.

Miharena:

Mba azo anontaniana ve ny tian'i namana Maranatha resahana? Ilay fanorenana tempoly amin'ny endrika aseho'ny sary sa ny finoana tokony hananan'ny olona?

Tsy naharaka hianao, ny finoana takiana amin-tsika amin'izao fotoana izao izay mifanindran-dalana amin'izay atao any an-danitra. Toy ny amin'ireo sary farany ireo anie no atao any an-danitra amin'izao fotoana izao e! Diniho tsara ny bokin'ny Hebreo. Dia manana finoana arahan'asa tokony hatao ny zanaky ny Avoindrindra ety ambonin'ny tany.

Mahereza!
13. moustaraf ( 28/10/2012 17:21)
Salama namana,
"Tsy mahavonjy ny anaram-piangonana ry Bichette a! Ny finoana sy ny fankatoavanao no hahavoavonjy anao fa tsy ny anaram-piangonana."

Gaga foana aho isaka izay mandre izany teny izany; ???
-Avy aiza moa ny finoana? TORITENY
-Avy aiza ny toriteny? Mpitoriteny
-Aiza ny mpitoriteny? Fiangonana, ao no andratovanao izay finoana iorenanao, fa tsy misy an'izany finoana azoazo foana eny @ rivotra eny izany, NA ETO @ Internet, ...
Midika manko izany teny izany hoe: Tsy misy intsony "ny Fiangonana marina eto ambonin'ny tany", fa finoana rantovina sisa no iainana???
Tadidio foana ny tantaran'i "KORNELIO Mpivavaka tsara", nafindra fiangonana izy ka nalefa tao @ fiangonan'ny Apostoly, izay nanorina eo ambonin'ny fototra dia Yesho'a, araka izay nosoratan'i Mosesy sy ny mpaminany.
Fa tsy ny hoe : Manorina eo ambonin'ny fototra Kristos grika, amin'ny alalan'ny fivavahana Romana, ary mampifanohitra ny bokin'i lalàna (Mosesy) sy ny mpaminany @ lalan'ny famonjena.

Ny lalana marina dia azo porofoina @ alalan'ny baiboly @ antsipirihany (tsy @ ampahany ihany), izay rehetra torina sy atao ary ny fombam-pivavahana rehetra (tsy fombafomba akory)dia misy fototra iorenany azo tsapain-tanana. Ny fivavahana marina (hoy i Mesia) dia tsy natao ho an'ny lalin-tsaina akory fa natao ho an'ny TOA NY ZAZA MADINIKA= tsy be safariny sy hevi-dalina mahasola vantony,sns...

0000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000.

14. Maranatha ( 29/10/2012 05:40)

moustaraf:

Salama namana,
"Tsy mahavonjy ny anaram-piangonana ry Bichette a! Ny finoana sy ny fankatoavanao no hahavoavonjy anao fa tsy ny anaram-piangonana."

Gaga foana aho isaka izay mandre izany teny izany; ???
-Avy aiza moa ny finoana? TORITENY
-Avy aiza ny toriteny? Mpitoriteny
-Aiza ny mpitoriteny? Fiangonana, ao no andratovanao izay finoana iorenanao, fa tsy misy an'izany finoana azoazo foana eny @ rivotra eny izany, NA ETO @ Internet, ...
Midika manko izany teny izany hoe: Tsy misy intsony "ny Fiangonana marina eto ambonin'ny tany", fa finoana rantovina sisa no iainana???
Ny lalana marina dia azo porofoina @ alalan'ny baiboly @ antsipirihany (tsy @ ampahany ihany), izay rehetra torina sy atao ary ny fombam-pivavahana rehetra (tsy fombafomba akory)dia misy fototra iorenany azo tsapain-tanana. Ny fivavahana marina (hoy i Mesia) dia tsy natao ho an'ny lalin-tsaina akory fa natao ho an'ny TOA NY ZAZA MADINIKA= tsy be safariny sy hevi-dalina mahasola vantony,sns...

Ny mahatonga ahy hilaza izany dia satria ny ankamaroan'ny olona izay milaza azy fa mpivavaka dia manamarina avokoa fa ilay fiangonana misy azy ireo no marina sy ilay ankasitrahan'i avoindrindra.
Raha refesina anefa ilay fiangonana (ilay tempoly) dia hita fa misy marina ihany harahiny ao fa betsaka ihany koa ny fampianaran-diso nolovaina t@ Romana katolika. Ary ny ankamaroan'ny mpivavaka amin'ireny fiangonana ireny anefa dia manantena ny ho voavonjy avokoa sady mitoky amin'ilay anaran'ny fiangonany.
Ny fiangonana anefa no andry sy fihorenan'ny fahamarinana. sns.... Hajanoana eo fa aleo hatao lohahevitra hafa ihany koa ity.
Izay no mahatonga io teny hoe tsy mahavonjy ny anaram-piangonana mba tsy hitokisany sy hinoana izay fampianarana rehetra mandeha ao raha tsy efa voamporofony sy voalalina tsara fa ara-baiboly ilay fampianarana (na ny vilona homena ny ondry ao).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3549