Fangataham-pitahiana ho an'ny firenena

1. niryna ( 27/09/2012 00:58)
Vavaka

Andriamanitrao o mifona aminao izahay fa tsy mendrika hiantso ny anaranao akory.Tahio sy arovy ny tanindrazanay mba olo-marina,olonao,voafidinao no hitondra ny firenenay.Omeo fo madio sy saina mahitsy ary hery sy fahendrena avy aminao izy ireo ,Ampio ny olona ao amin'ny firenenay, mba hiverina sy hanompo anao.Firenena nofidianao izahay,nomenao harembe na aty ambonin'ny tany izany na any ambanin'ny tany-
Mangataka fifonana aminao tamin'ireo olona rehetra izay nitondra teo amin'ny fitondrana izahay na inona andraikitra nomenao azy ireo ka tsy nahatanteraka izany fa nivadika taminao na mpitsabo ,na mpitantana ,na mpampihavana ,na mpitsara na mpitondra firenena eny fa na vahoaka tsotra kanefa tsy nahatanteraka izany fa nivadika ny firenenay dia hangatahanay fifonana aminao izany .Omeo andro hibebahana izy ireo Tompo o ka mba hiverina sy tena hitondra ny firenena amin'ny fahamarinana amin'izay.Nosazianao ny firenenay Ray o satria tsy mba niantso anao,eny niantso anao tamin'ny molotra isan'Alahady fotsiny ihany fa maloto fo sy mamadika tanindrazana isan'andro.
Hifonanay aminao izany Tompo o.Omeo hery,omeo tanjaka ary mangataka ny fanahinao masina izahay mba hamonjy ny tanindrazanay ary mba hiverina sy hibebaka amin'ny fonay avokoa izahay rehetra fa Andriamanitra saro-piaro hianao ary mamaly ratsy ny taranaka faramandimby.Manasitrana ny tanin'izay miverina ka mifona aminao koa Hianao ary manome tsodrano ny tarana mifamdimby izay mialokaloka eo ambanin'ny helatraO
Sitrano Ray o ny firenenay ary aza avela ho viravirain'ny amboadia intsony ny firenenay.MIfona,milelapaladia aminao izahay Ray o,sitrano ny firenenay.Sitrano Tompo o fa mijaly ny vahoaka,mijaly ny ankizy,mijaly,mijaly avokoa .
Tahotra sy horohoro no mianjady ny olona.Tsy misy intsony izany fahafahana izany,tsy misy intsony izany fiadanana izany.Mitalaho mafy Aminao izahay Ray o.Ampio ny firenenay .Omeo olombanona izahay hitondra ity firenanay ity.
Amin'ny anaran'ilay Zanakao Malalanao Jesosy kristy no anaovanay izany vavaka izany AMENA!

2. didi10 ( 27/09/2012 06:26)
AMENA

Mangataka fifonana aminao tamin'ireo olona rehetra izay nitondra teo amin'ny fitondrana izahay

Fantatro fa tena mivavaka amin'ny fo ianao namana fa mba ho fanampiako anao dia ahitsiko kely :"tsy mangataka fifonana amin'Andriamanitra isika fa manolotra fifonana" manjary ohatry ny hoe Andriamanitra indray no diso ka mila mifona aminao. Raha te hangataka ianao dia famelan-keloka no angatahanao.

Omeo andro hibebahana izy ireo Tompo o ka mba hiverina

Ny tombon'andro omen'Andriamanitra antsika isanandro dia famindram-po mba hahafahantsika mibebaka sy miverina aminy, tsy ny andro noho izany no tsy anana-tsika ka mbola angatahana indray fa ny fahatsapan-tena, ny fahatongavan-tsaina hanatona an'i Jesosy rehefa maheno ilay antso na kasik'Andriamanitra.

3. leva2 ( 28/09/2012 10:50)
Velona Jesosy!

Ny mba tiako ho marihina fotsiny dia ity :
Rehefa mivavaka isika dia mila fantarina koa ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy mety ny manao vavaka mifanohitra amin'ny sitrapony.
Ny firenena resahina eto ve ny malagasy sa i Madagasikara?
Marina tokoa fa tsy sitrak'Andriamanitra ny hahavery na dia iray aza amin'ny malagasy.
Raha ny tenin'Andriamanitra ny amin'ity izao tontolo izao ity indray kosa, anisan'izany i Madagasikara, dia ny ho simba, ho potika, hiha-ratsy.
Ny fanjakana eto amin'izao tontolo izao dia fanjakan'ilay ratsy, araka ny soratra masina.

Mazotoa namako mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra.
4. moustaraf ( 06/10/2012 18:11)
Salama namana!
Olana vitsivitsy no tsara vahana alohan'ny itondrana vavaka ho an'ity Madagasikara ity:
1-Nosy voafidy i Madagasikara, fa ny Malagasy no tsy nampahalalaina:
-Eto no mifarana ny dian'ireo Israely izay naely avy t@ fahababoana tany Asyria (efa voasoritra io hatrany amboalohany)

Ezek 47 : 7. « Eto no hitoeran’ny seza fiandrianako sy ny hitoeran’ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ny zanak’Israely, ary tsy holotoin’ny taranak’Israely, na izy na ny mpanjakany amin’ny fijangajangany sy amin’ny sampin’ny mpanjakany ao @ fitoerany avo intsony ny anarako masina.

2- Vahoaka voafidy ny Malagasy ,ary tsy JENTILISA fa niniana nabadoina: Izy dia Taranaka Hebreo ary tompon'ny Teny fikasana
3-Tokana an-tany ny firenena manana endrika sarim-paladia, ary eo no itoeran'ny seza faindrianana

Ny olana fototra:
1-Nanadino ny anaran'ilay nivavahan'i Abrahama , Isaka ary Jakoba izy ireo satria babo an-jato taona
2-Nolotoiny ilay anarana ambony indrindra , ary nosoloiny anaran-tsampy: Jesosy, Kristy, Tompo, ary anarana fatin'ny mpanjaka= Andriamanitra
3-Ny andro voatokana : Sabata, nosoloina andron'ny masoandro= Sun day

Vokany:
Ozona sesilany no mitranga eto ,ary tanteraka eto avokoa ireo faharatsiana rehetra; arakaraka ny mahamaro ny fiangonana mijoro no miha milentika ny firenena.
Tsy mety tafaverina ny sain-tsika??? Ny masontsika dia mijery fotsiny ireo vahiny mandroba ny harentsika???
fA ISIKA DIA TSY JENTILISA KA TSY TOKONY HIANTSO ANARAN-TSAMPY NY VAVANTSIKA,
Raha MBOLA ETO AMBONIN'NY TANY ANEFA DIA ISIKA (HEBREO) SY NY JIOSY NO TOMPON'NY FAHAIZANA AMBONY INDRINDRA.
5. didi10 ( 08/10/2012 07:38)

moustaraf:

Titosy 3,9-11
9 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. 10 Izay mpanao hevi-diso [Na: olona mitokana ho azy], rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, 11 satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.

Gal 3,28
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. 26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika (jentilisa), na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. 29 FA RAHA AN'I KRISTY IANAREO DIA TARANAK'I ABRAHAMA SADY MPANDOVA NY TENY FIKASANA.
6. moustaraf ( 09/10/2012 04:49)
Salama namana,
Izany fampianarana manajamaba fanahy sy saina izay no nentin'ny Mpanjanaka nambabo ny Malagasy , namiravira ny harem-pirenentsika , ary mbola tohizana HATRAMIN'IZAO;
Raha niditra teto ny Mpitoriteny dia Vahoaka efa NIFORA ny Malagasy,
Efa nino an'ila Nahary TOKANA,
Efa nanana an'ireo Fomba rehetra izay NOMENA AN'I ABRAHAMA sy ny Taranany:
-Santa-bary, Fampodiana Faty, Fampandroana faty, Teny Hebreo eo am-bavany, Misaona, midio, fandroana, fetin'ny trano rantsan-kazo,....sy ny maro hafa tsy voatanisa...

IO TENY TANISAINA ETSY AMBONY DIA TENY MANKANY @ JENTILISA izay ef aniova fo, TSY MIFORA NOFO, izay NAMPIDIRINA AO @ FIANAKAVIAM-BEN'I ABRAHAMA, FA TSY HO AN'NY HEBREO.
TENY NATAO HO AN'IREO JENTILISA (Grika) NANAPA-KEVITRA HANARAKA NY FIANGONANAN'I APOSTOLY "NAZAREANA na NOTSRYM", ary NANAIKY NATAO BATISA T@ ANARAN' YESHO'A HAMASHIRHA, fa tsy JESOSY KRISTY (Romana) velively.

Ny Apostoly ry didi10 dia tsy nitory an'izany JESOSY KRISTY izany, satria tsy mbola nisy akory izany ANARANA izany tamin'io fotoana io, fa alefaso lavidavitra ny fandalinana mba hitombona tsara ny fampianarana.

Tsy manome tsiny anao aho ry DIDI 10, satria izany ihany no fampianarana hany mba natolotra anao ka dia ifoforanao fatratra! Efa avy tahaka anao io ihany koa aho.

7. RBNIR ( 09/10/2012 08:44)

Faly miarahaba namana moustaraf,

Fanontaniana kely mba mila valiny mazava sy mahitsy namana raha azo atao,
Ny mpanangana ny fiangonana misy anao v apostoly ? (olona nofidian'ny Tompo ary nampianariny mivantana toy ireo apostoly 12 fahiny?

Dia mba manantena valiny raha azonao atao.

Fanamparihana (ny Tompo) hoy aho satria raha nilaza anarana aho dia inoako mazava fa avy hatrany dia nolavinao namana.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
8. RBNIR ( 09/10/2012 08:45)
Fanamarihana fa tsy fanamparihana
9. didi10 ( 09/10/2012 10:35)

moustaraf:

Ny Apostoly ry didi10 dia tsy nitory an'izany JESOSY KRISTY izany, satria tsy mbola nisy akory izany ANARANA izany tamin'io fotoana io, fa alefaso lavidavitra ny fandalinana mba hitombona tsara ny fampianarana.

Tsy manome tsiny anao aho ry DIDI 10, satria izany ihany no fampianarana hany mba natolotra anao ka dia ifoforanao fatratra! Efa avy tahaka anao io ihany koa aho.

Misaotra ny namana,

Fantatrao tsara fa manaja ny anarana d'origine aho, tsy mbola nandiso ny olona niantso an'i Mesia aho na YahoShoa, na Yeshoa, na Jesus, na Jesosy satria efa naseho teto ny Demo fa na Yeshoa izingizininao aza dia mbola nom dérivé avy amin'ny origine (YHSHWH), tahaka izany koa ny Jesosy.

Ny fihirahiranao lava eto isanandro fa sampy na koa hoe andriamanitra hafa i Jesosy Kristy dia maneho ampahibemaso ny finoanao fa misy ny andriamanitra hafa.

Raha tena mahafantatra an'ilay Elohim hivavahanao ianao dia tokony hahalala fa tsy misy andriamanin-kafa ankoatra Azy.

moustaraf:

Tsy manome tsiny anao aho ry DIDI 10, satria izany ihany no fampianarana hany mba natolotra anao ka dia ifoforanao fatratra! Efa avy tahaka anao io ihany koa aho.

Efa nandalina ny judaisme méssianique aho namana, tsy ny fiantsoana ny Anarana d'Origine no tsy namparesy lahatra ahy amin'io antokom-pinoana io fa ianareo manindraindra tantaram-pirazanana, manambanimbany ny hafa, manandevo ny olona amin'ny lalan'i Mosesy...
10. moustaraf ( 09/10/2012 17:52)
Salama namana,
Diso hevitra ny maro raha mihevitra fa Judaïsme no finoana arahiko!
Ny judaïsme dia fivavahan'ny Yehouda na Joda,

-Izahay dia mandinika ireo faminaniana maro manondro an'i Madagasikara ao anatin'io baiboly eo am-pelatanao io, ary tsy misy ifandraisany @ Judaïsme velively fa GASY.

-Ny baiboly (Torah sy mpaminany) dia manome porofo maro fa i Malagasy no ilay Taranaka Israely izay naely, ary tsy maintsy hangonina indray, ary omena ilay fanekena nohavaozina.

-i Madagasikara no ilay Nosy, miendrika faladia ankavia izay niafaran'ny dian'ny Israely babo tany Asyria.

-Araka ny faminaniana maro dia Tsy maintsy nopotehin'ny Jentilisa ny Fahamarinana , mba anehoana ny Voninahitr'i Elohym, avy aty @ firenena lavitra, an-dafin'ny onin'i Etiopia.

-Mazava amin'ny rehetra angamba, fa tsy Judaïsme velively izany fampianarana izany
-Tsy izahay no te ho sarotiny @ anarana original fa ny Didiny sy ny fitsipiny izay nomeny no tsy mamela ny fanoloana @ anaran-tsampy ny anarany, iizay midika ho fampiankohofana amin'ny sampy ihany.

-Raha milaza izahay fa Yesho'a no anaran'i Mesia , dia tsy mitady fanakambanana teny na anarana maromaro araka izay lazain'i didy10 akory, fa azonay omena eto ireo faminaniana rehetra izay efa nilaza sy nanome io anarana io t@ andron'ny mpaminany:
Mampalahelo fa tsy hita mihitsy @ dikan-teny hafa rehetra io anarana YESHO'A io, NEFA DIA miverimberina imbetsaka mihitsy ao @ bokin'ny Mpaminany (Testamenta taloha) version Hebreo:
-Tsy misy an'izany kajikajy atao mba ahazahoana nom derivé izany, fa anarana nomen'i Elohym mivantana ny mpaminany io anarana io, ka aoka isika hamaky tsara izay voasoratra.

-Ny baiboly dia milaza mazava fa misy ireo "andrimanitra tsy nanao ny Tany sy ny lanitra", io no nadikana azy @ teny malagasy izay tena mampandainga ny baiboly fototra , satria ELILYM no ilazany an'ireo fa tsy ELOHYM.

-Raha milaza izahay fa Sampy ilay antsointsika hoe Andrimanitra , dia misy ireo tahim-pahalalana faha Ntaolo, izay voarakitra, fa tsy izahay akory no namorona; ary betsaka ireo boky Eropeana sy antontan-kevitra koa (oh: la lettre Chrétienne), izay efa mamoaka ampahibe-maso fa Sampy grika avokoa ny JESUS, CHRIST, DIEU, GOD,GOT....

-Mamaly ny fanontanian'i RBNR: Tsy ampy ny toerana eto ilazana fampianarana manontolo;
izao zavatra izay soratako izao dia tsy avy amin'ny sain'olom-belona akory, ary tsy itadiavana vola na harena, na ilàna sarany!
"AVIA IANAREO KA MIVIDIANA ,NEFA TSY AMIM-BOLA NA AMIN-KARENA"
ho anareo ao Antananarivo dia azonareo atao ny mifanatri-tava mivantana sy manadihady fa tsy misy ny maharatsy an'izany.

Lazaiko anareo fa efa maro ireo Mpitondra fivavahana (pretra, pastera, evanjelistra, mpiandry, ...) no nametraka ny lambany ary miverina indray mianatra sy mandinika izay tena voasoratra.
MAHEREZA DAHOLO
11. RBNIR ( 10/10/2012 05:58)

Faly miarahaba ary misaotra anao namaly namana,

Ny antony nametrahako ilay fanontaniana dia izao manaraka izao:
- Ny Tompo (tsy fantatro aloha raha raisinao ho Tompo IZY) raha nanangana ny fiangonany dia naoriny teo ambony fanorenan'ny Apostoliny (Efe.2:20).
Ny apostoly dia tsy izay rehetra te hitonona ho apostoly akory, tsy izay rehetra nandalina sy nikaroka na nanolotena ho AZY fa izay NOFIDINY MIVANTANA SY NAMPIANARINY MIVANTANA IHANY, afaka mamantatra tsara ny tantaran'ireo Apostoly ireo isika rehetra fa TSY NISY NA IRAY AZA NANOLOTENA KA AVY DIA NANANTONA FA IZY NO NIFIDY. ARY NY ITOVIZAN IZY REHETRA DIA SAMY NAMPIANARINY MIVANTANA AVOKOA.
Izao no mahazavadehibe io fanamarihina nataoko io.
Raha IZY no mampianatra dia azo antoka fa TSY HO DISO na iray aza ny fampianarana. SAINGY raha isika no mihezaka ny hamantantra sy hikaroka dia misy "probabilité" B (miala tsiny tsy haiko loatra ny mandika azy) ny hahadiso ny fampianarana.
Matoa IZY namana nanorina ireo fiangonana tamin'ny alalan'ireo olona NOFIDINY sy NAMPIANARINY MIVANTANA ireo dia misy antony LEHIBE: Mba tsy ho fampianarana DISO no atolotra ny olona.
NY fiangonana mantsy dia toerna NAORINY MBA hiainoan'ny olona ny FEONY (Jao.10:16).
NY FEONY izay tsy inona fa ny MARINA TSY AZO DISOANA (Jao.18:37).
Ka raha sitrakao re mba valio aho e, ilay mpanangana v nofidiny mivantana sady nampianariny raha tsy mahadiso??

Samia ho tahin'ny TOMPO namana.
12. moustaraf ( 10/10/2012 16:41)
Salama namana,
Araka izay efa nolazaiko etsy ambony ihany, voafetra ihany ny azo lazaina eto mba ho fanajana ny finoan'ny tsirairay;
-Tsy nampianarin'olombelona izao fampianarana izao, fa fitsilovana mivantana avy @ rouha kodesh (fanahin'ny Tsitoha), ialako tsiny fa ny teny hoe Fanahy masina mantsy dia ilazan'ny Malagasy "Fanahin'ireo razana efa maty", ka aleonay mapiasa ny tena fiantso azy...

-izay mantsy no nilazako hoe, andeha hihaona dia hifanakalo hevitra, fa ity ilay Fiverenana an-doharano, ary ho afaka manontany izay rehetra mety manitikitika sy tsy mapitovy hevitra.

-Ny apostoly (Grika) na Salarhym (hebreo) no tena fiantso azy dia tena fifidianana manokana tokoa,...ny faminaniana ao @ baiboly ANEFA dia efa nilaza fa "Avy aty @ ilay nosy lavitra no itandrako ireo izay ho mpivavaka ho ahy, ary avy ao no akako izay ho SALARH ho ahy"...

-Ny teny hoe Fiangonana araka ny baiboly, dia tsy Toerana ivavahana akory,
"Lazao @ Fiangonana dia ny ISRAELY...", aiza ilay Israely? Aty Madagasikara no nifaran'ny diany, rehefa niala tao Asyria, patrosa,.....JAVANA....NOSY LAVITRA ( araka ny baiboly)

FEHINY:
Avelao ny judaïsme ho an'ny JIOSY, fa ny Israely dia manana ny teny fikasana ho azy manokana, tsy itambarany @ hafa.
Baiboly no resahina eto, ka porofo ara-baiboly no aseho fa tsy ny halehiben'ny Orona, na sofina , na molotra akory no andanianan fotoana.
13. RBNIR ( 11/10/2012 10:07)
moustaraf:

Salama namana,
Araka izay efa nolazaiko etsy ambony ihany, voafetra ihany ny azo lazaina eto mba ho fanajana ny finoan'ny tsirairay;
-Tsy nampianarin'olombelona izao fampianarana izao, fa fitsilovana mivantana avy @ rouha kodesh (fanahin'ny Tsitoha), ialako tsiny fa ny teny hoe Fanahy masina mantsy dia ilazan'ny Malagasy "Fanahin'ireo razana efa maty", ka aleonay mapiasa ny tena fiantso azy...

Faly miarahaba namana,
Miala tsiny betsaka fa tsy mahavaly mihitsy ny zavatra tiako anontaniana ny valiteninao namana.
Betsaka ny olona "tsilovan'ny " fanahin'ny Tsitoha.
Eny fa na dia izaho izao aza dia afaka milaza izany.
Nefa ny fanontaniako eto dia tsy izay. Raha nifidy ireo 12 lahy IZY dia IZY mivantana no nanantona sy nanambara hoe IZAHO no nifidy anareo.
Nisy 1 namadika voatery nosoloina. Ny olona nihevitra fa azo soloin'ny olombelona iny. Saingy IZY dia nanamarina hatrany fa IZY IRERY IHANY no mifidy izay hanorina ny fiangonany.
Izay no nifidianany an'i Paoly.
Ireo 12 lahy vaovao ireo dia samy NAMPIANARINY MIVANTANA fa tsy nisy nampianarin'olona na nampianan-tena na notsilovan'ny fanahin'ny Tsitoha.

Ka averiko ihany namana (satria tsy hitako izay ho tsiny amin'ny ilazanao izany eto satria fijorona vavolombelona ihany koa izay ny amin'ny fisian'ny tsitoha raha toa ka nisy marina). Ilay manangana v nofidiny marina ary NAMPIANARINY indray kosa avy eo toa azy 12 lahy???

Samia ho tahin'ny Tompo namana
14. niryna ( 25/10/2012 16:33)

didi10:

AMENA

Mangataka fifonana aminao tamin'ireo olona rehetra izay nitondra teo amin'ny fitondrana izahay

Fantatro fa tena mivavaka amin'ny fo ianao namana fa mba ho fanampiako anao dia ahitsiko kely :"tsy mangataka fifonana amin'Andriamanitra isika fa manolotra fifonana" manjary ohatry ny hoe Andriamanitra indray no diso ka mila mifona aminao. Raha te hangataka ianao dia famelan-keloka no angatahanao.
misaotra anao nanao fanitsiana

Omeo andro hibebahana izy ireo Tompo o ka mba hiverina

Ny tombon'andro omen'Andriamanitra antsika isanandro dia famindram-po mba hahafahantsika mibebaka sy miverina aminy, tsy ny andro noho izany no tsy anana-tsika ka mbola angatahana indray fa ny fahatsapan-tena, ny fahatongavan-tsaina hanatona an'i Jesosy rehefa maheno ilay antso na kasik'Andriamanitra.
[/quote] mety marina angamba izany saingy izao koa no tsara ho fantatra fa tsy manome fotoana hivavahana isika na manokana fotoana hivavahana eny fa na dia vao mifoha maraina fotsiny ihany aza dia mila mivavaka,miezaka ny hihaona aminy na dia misaotra fotsiny ihany aza fa nomeny tombon'andro indray

15. niryna ( 25/10/2012 16:38)

leva2:

Velona Jesosy!

Ny mba tiako ho marihina fotsiny dia ity :
Rehefa mivavaka isika dia mila fantarina koa ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy mety ny manao vavaka mifanohitra amin'ny sitrapony.
Ny firenena resahina eto ve ny malagasy sa i Madagasikara?
Marina tokoa fa tsy sitrak'Andriamanitra ny hahavery na dia iray aza amin'ny malagasy.
Raha ny tenin'Andriamanitra ny amin'ity izao tontolo izao ity indray kosa, anisan'izany i Madagasikara, dia ny ho simba, ho potika, hiha-ratsy.
Ny fanjakana eto amin'izao tontolo izao dia fanjakan'ilay ratsy, araka ny soratra masina.

Mazotoa namako mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra.
Tsy azoko! Fa inona ilay vavaka mifanohitra ny sitrapoNy?
16. zetsarazony ( 21/01/2013 10:19)
Shalam aby izay misera etoana,

Marobe ny efa voalaza etsy ambony momban'ny tantaran'ny Malagasy sy i Madagasikara, ny tiana tsindriana kely fotsiny dia ity andalan-teny hita ao amin'ny soratra kadosh (masina) ity : MattitYah/Matio 15:13 izay mivaky toy izao hoe:

"Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko izay an-danitra dia HONGOTANA".

Ary efa nambaran'ny Zanaka koa fa tsy izay manao AminY hoe :" tompoko, tompoko no hiditra ny fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra hoy Izy" MattitYah / Matio 7.21.

Mosha na Mosesy no nampitondrainY ny AnaranY ho an'ny zanak'IsraAl voalohany indrindra ary MAZAVA ho azy fa "tsy misy olona manam-pahefana tokony hanova izany" jereo Shemot / Eksodosy 3:14.......Ary avy amin'ny Anaran'ny Ray anefa no nanomezanY ny Anaran'ny Zanaka Ilay Teny Tonga nofo. Yohanan/Jaona 17.

Ny momba ny firenena jentilisa dia izao no anisan'ny voasoratra ny aminy: Romana 11.17-21.Hita ao ny andalan-teny manao hoe: " aza mirehareha amin'ny sampany, ...tsy hianao no mitondra ny fakany fa ny fakany no mitondra anao"....

Ny zavatra hita sy tsapa ankehitriny dia efa nivoaka ny dikan-teny faha-6 ny amin'ny baiboly, ary misy fanovana natao ao, misy fanazavana ao amin'ny sasin-teny ny antony nanalana izay nosoratana teo aloha, ...ny indro BE nefa dia " ny mbola fampirisahana an-kolaka ny olona hampiasa izay efa noesoriny sy nanomezany fanazavana ihany...."

Efa tanteraka ny voasoratra ao amin'ny It-Galot/ Apokalipsy na Fanambarana 11.

Aoka hisaina izay mamaky izany, tsy amin'ny fahaizan'olombelona anefa fa amin'ny alalan'ny Tolo-tsaina sy fahendrena avy any Ambony.

Mirary soa ny rehetra.......

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0699