ny ifangonana ve fanompoana sa fampianarana ny momba an'Andriamanitra sy ny zavaboary?

1. Miharena ( 24/09/2012 05:29)
Miarahaba antsika rehetra indray amin'ity lohahevitra ity. Fanontaniana tsy voavaly tamin'ny lohahevitra iray izy ity nefa raha tena dinihina dia lohahevitra vaovao mihitsy.

Nosokafana ilay izy mba hitarihana sy amoahana tsoakevitra tsotra sady hanitsy ny fomba fijery samihafa.

Koa arakaraka ny valinteny azo avy amin'ny tsirairay no ahafahana miroso amin'ny dinidinika.

Mazotoa daholo àry mamakafaka!
novalian'i arist ny 28/09/2012 06:38
2. didi10 ( 24/09/2012 06:30)
Afaka manazava amin'ny toko sy andininy ve aloha?
Ny sasany mantsy tsy mahazaka vao misy toko sy andininy mipetraka eto nefa raha hevitra tsy misy tenin'Andriamanitra dia teny ampianarin'ny fahendren'olona ihany.
3. sitlo ( 24/09/2012 07:26)
Raha ny fiangonana kristianina no voalaza eto dia azo zaraina roa.

Ny mpiangona dia mba te handamina eritreritra.
Ary ny mpampiangona dia mampandry adrisa.

cf: fivavahana notaritin'i Odon Razanakolona taorian'ny nandorana ny tananan'Antananarivo.
4. jojo3t ( 24/09/2012 07:46)
Fivoriana masina, fiaharaha-miangona, fiaharaha-mivory,... Ny fiangonana dia natao hianarana momba an'Andriamanitra sy ny fikasany, vaofaoka ao daholo rehefa fampianarana avy amin'Andriamanitra, zany hoe fianarana ny teniny, tafiditra ao koa ny hoe toerana hifampaherezan'ny samy kristiana, hiderana an'Andriamanitra. Ny asa fanompoana an'Andriamanitra kosa dia mety mahafaoka toerana maro2 sy samihafa, izany hoe mety ivelan'ny fiangonana.

Miombon-kevitra amin'ny namana didi10 ny tenako amin'ilay hoe fampiasana an-dinin-teny, lasa misy tsy mahazaka toko sy andininy eto, nefa isika dia ato anatin'ilay hoe fivavahana sy finoana, hany ka lazaina fa manao copie coller sy mitanisa andininy fotsiny no atao eto.
5. RBNIR ( 24/09/2012 07:53)
didi10:

Afaka manazava amin'ny toko sy andininy ve aloha?
Ny sasany mantsy tsy mahazaka vao misy toko sy andininy mipetraka eto nefa raha hevitra tsy misy tenin'Andriamanitra dia teny ampianarin'ny fahendren'olona ihany.

Faly miarahaba ny namana rehetra,
Amiko ny toko sy andininy dia tena "tsy maintsy ilaina" satria isika tsy tokony hampita ny hevitra avy amin-tsika fa izay hevitr'Andriamanitra. Fa kosa tokony ho haintsika tsara ny mametra ny Tenin'Andriamanitra araka ny lohahevitra miseho. Eto ohatra dia ny fanontanian'ny namana dia hoe FIANGONANA = fanompoana sa FIANGONANA = fampianarana momba an'Andriamanitra sy ny zavaboary.
Izay nampianarin'Andriamanitra an-tsika momba izany no tokony hifampizarana eto amiko.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
6. Miharena ( 24/09/2012 08:34)
Miarahaba n namana ary misaotra amin'ny fandraisana anjara.

Raha fintinina ireo hevitra nivoaka hatrizao dia mbola misalasala ihany ny tsirairay amin'ny famaliana mivantana ny fanontaniana.

Mety avokoa ny valin-teny azo aroso amiko na io avy ao anaty Baiboly, na io avy amin'ny fahatsapan'ny tsirairay izay nivavaka sy nandalina ary mahita ny fiainam-piangonana samihafa.

Manome ohatra iray aho: ao amin'ny sampana mpiara-mamaky Baiboly ohatra dia fifanakalozana sy fifampitaizana no atao ao ary tsy mifidy antokom-pinoana fa tafavory ao avokoa ny tanora sy ny olon-dehibe izay liana aminn'ny fandalinana.

Raha ara-Baiboly indray dia mizara roa: Ny ao amin'ny Testamenta voalohany dia Synagoga. Ny ao amin'y Testamenta vaovao dia fitoriana ankalamanjàna. Ny ankehitriny dia fifangaroan'ny roa tnnta dia ny fiangonana misy trano sy ny fiangonana mitety.

Ka eo no mipetraka ny fanontaniana hoe: inona avy àry no antom-pisian'ireo karazany ireo? fanompoana ve sa fianarana?
7. manoasoa ( 24/09/2012 11:04)
famanin kay no mipetraka izany fanontaniaina zany hoe fianarana sa fanompoana?Mba hampiorina tsara anao dia aza miditra amina resa be takizany fa ny fanontaniaina dia tokana ihany HO AIZA AHO RAHA MIALA ETY?Dia ny fanontanina rehetra tokony hipetraka dia tokony hampiorina ny tsirairay amin'Andriamanitra indrindra ireo tsy mahalala azy .
8. manoasoa ( 25/09/2012 07:48)
Ny tiako tenenina fotsiny hoe mampiorina olona ve ny fahafantarana fa fianarana sa fanompoana ny any am-piangonana?
9. RBNIR ( 25/09/2012 10:23)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,
Ny antony nanangonan'i Jesosy ny olona ao anaty vala( fiangonana) aloha no tokony fantarina : « Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jao.10:16)
Araka io TENY io dia zavatra 3 no antony Hihaino ny feony, Ho tonga andiany iray, mba ho iray ihany ny mpiandry Ilay voalohany no horaisiko eto: Hihaino ny feony
Inona izany mihaino ny feony izany?
« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)
Ny mihaino ny feon'i Jesosy dia tsy inona fa mihaino ny FANAMBARANA NY MARINA, satria ny zavatra rehetra nambaran’I JESOSY no MARINA
Ny olona araka izany dia taomina ao am-bala (ao ampiangonana) mba hihaino NY MARINA.
Araka ity TENY ity indray kosa : « Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)
Ho fampianarana hoy ny TENY, izany hoe ampianarina ny olona araka izany.
Fa maninona moa no ampianarina? « Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana……. » (Hos.4:6)
Araka io TENY io indray dia maharingana ny olon’Andriamanitra ny tsy fisian’ny fahalalana (lasa manaonao foana) ao amin’izireo.
Ampianarina ny olona araka izany mba hahalala satria tsy tian’Andriamanitra ho ringana izireo.
Inona no maharingana ? « Tsy izay rehetra manao amiko hœ: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21).
Araka io TENY io ny tsy fanaovana ny Sitrapon’Andriamanitra no maharingana (satria rehefa tsy tafiditra anie dia ho very e).
Ny MARINA izay ampianarina araka izany dia tsy inona fa NY SITRAPON ANDRIAMANITRA.
Fehiny, ny FIANGONANA dia hitaoman’Andriamanitra ny olony mba hampianary ireo olona ireo ny MARINA izay tsy inona fa ny SITRAPONY, ka hahatonga ireo olona ireo HANOMPO AZY araka ny FAHAMARINANA.
Tsoakevitra: NY FIANGONANA TSY MAHAZO MAMPIANATRA ZAVATRA DISO FA METY HAHATONGA NY OLONA HANAONAO FOANA KA HO RINGANA. MILA MITANDRINA NY OLON ANDRIAMANITRA AMIN IZAY METY HO FAMPIANARAN-DISO. NY BAIBOLY RAHATEO MOA EFA MAMPITANDRINA MAFY NY AMIN IZANY.
Mahereza daholo dia
Samia ho tahin’ny Tompo daholo ry namana isany
10. Miharena ( 25/09/2012 16:45)
Manoasoa:

famanin kay no mipetraka izany fanontaniaina zany hoe fianarana sa fanompoana?Mba hampiorina tsara anao dia aza miditra amina resa be takizany fa ny fanontaniaina dia tokana ihany HO AIZA AHO RAHA MIALA ETY?Dia ny fanontanina rehetra tokony hipetraka dia tokony hampiorina ny tsirairay amin'Andriamanitra indrindra ireo tsy mahalala azy


Marina ny teninao sy ny fanamarihanao.Nefa ny nananganana ilay fanontaniana dia ahafahana mamantatra tsara sy mametraka ny tanjona isian'ny fiangonana sy ny fampianarana ahafahana mahalala hoe inona no manan-danja kokoa sy ilaina amin'ny fivavahana sy ny fahalalàna an 'Andriamanitra Mpahary.

Ny an'i RBNIR moa dia mamehy ilay resaka ho ny fiangonana no sehatra ianarana ny fahalalàna ny Tompo. Raha tsy tao am-piangonana dia tsy nisy ny fifanakalozana sy fampianarana ary ireo soa azon'ny olona maro avy amin'i Kristy.

Fa ankehitriny kosa, noho ny firoboroboan'ny haino aman-jery dia miely ny fampianarana ary maro ny feo sy ny hevitra mivoaka momba ny fampianaran'i Krsity sy ny fijoroana vavolombelona. Ka rehefa tena zohina avokoa izany rehetra izany dia mety misy ihany ny fisafotofotoana ka izany no ametrahana fanontaniana matotra kokoa hamaliana izay fisalasalàna sy tsy fahazoan-kevitra mety hitranga eo amin'ny tsirairay.

Koa raha hoe fanompoana sa fampianarana dia mila valiana ihany ilay izy. Raha ny marina dia izay mizara sy mampianatra no manompo satria io no atao hoe fampielezana ny filazan-tsara sy fampahafantarana ny olona ani' Kristy izay nilazaNY hoe ataovy mpianatro ny firenena rehetra.

Ny vavaka fiderana dia tsy fanompoana raha ny fahalalako azy fa fanomezam-boninahitra. Ka hoy aho hoe mila avahana ny zavatra atao ao am-piangonana mba hitondra mody sy hizara isika rehefa mivoaka ao fa tsy hoe tonga ao hiantso AZY ho Tompoko Tompoko fotsiny ihany.
11. manoasoa ( 26/09/2012 06:42)
Koa raha hoe fanompoana sa fampianarana dia mila valiana ihany ilay izy. Raha ny marina dia izay mizara sy mampianatra no manompo satria io no atao hoe fampielezana ny filazan-tsara sy fampahafantarana ny olona ani' Kristy izay nilazaNY hoe ataovy mpianatro ny firenena rehetra.Mihariharena

Tiako be le valiny
12. didi10 ( 26/09/2012 08:34)
Ny fianarana ny momba ny fahafantarana an'Andriamanitra dia tsy miankina loatra amin'ny fisian'ny fiangonana. Raha tena manam-paniriana hahafantatra an'Andriamanitra ny olona dia tokony tsy hiandry mpampianatra fa mila mamaky ny Tenin'Andriamanitra (Baiboly).
Ny fiangonana dia iray amin'ireo fanantanterahana ireo sitrapon'Andriamanitra voalazan'ny Baiboly.
- Fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, fivoriana masina (Lev 23,4)
- Fikatsahana ny zava-panahy (I Kor 14,12)
- Fitoriana sy fiderana an'Andriamanitra (Salamo 22,22)
- Fanompoana hanehoana ny Voninahitr'Andriamanitra (Jak 5,14)
...
Ny ankizy kely no tokony miandry fahanana vao hihinana kanefa isika na dia efa ela aza no "nivavaka" dia tsy mba manam-piniavana hamaky ny tenin'Andriamanitra fa miandry ny fiangonana foana hampianatra antsika. Hany ka tsy haintsika ny manavaka ny Fampianaran'i Kristy sy ny fampianaran'ny fiangonana izay tokony ho iray ihany kanefa betsaka ny fampianaran'ny fiangonana tsy mifanaraka amin'ny fampianaran'i Kristy.
Cf: Jereo ilay video mitoera ao amin'ny fampianaran'i Kristy.
13. niryna ( 27/09/2012 00:55)
jojo3t:

Fivoriana masina, fiaharaha-miangona, fiaharaha-mivory,... Ny fiangonana dia natao hianarana momba an'Andriamanitra sy ny fikasany, vaofaoka ao daholo rehefa fampianarana avy amin'Andriamanitra, zany hoe fianarana ny teniny, tafiditra ao koa ny hoe toerana hifampaherezan'ny samy kristiana, hiderana an'Andriamanitra. Ny asa fanompoana an'Andriamanitra kosa dia mety mahafaoka toerana maro2 sy samihafa, izany hoe mety ivelan'ny fiangonana.


marina izany ary misy tsy mahazaka ilay hafatra omen'ny pasitera indraindray ka mitady hirika hanonganana azy satria ilay pasitera milaza ny marina araka ny voasoratra aoa naty baiboly.

Misy tantara iray misy ity
Misy fiangonana izao mitady hirika mafy ry zareo hanalana ilay pasitera kely satria mampianatra ny fifonana izy,ny fifamelankeloka(,ny teny ao anaty baiboly amin'ny fiainana andavan'andro, Misy olana ara-bola ao satria vao mirava ny fiangonana dia olona iray irery no asaina mitondra ny vola ary natoky fatratra ny olona fa efa ela teo ilery kanefa dia tsy mitombo ny volam-piangonana ) ,dia tonga ny disadisa rehetra satria manao toetra tsy maontina ilay rangahy antitra ka rehefa nampiantsoan'ny diakonina sy ny lohan'ny fiangonana ilay rangahy dia tsy nahazaka ary dia nanala tena tamin'ny hirahira sy ny fitantanana ny volam-piangonana) .Nanomboka naka namana maromaro izy ka ny olona izay niaraka taminy hatrizay no alainy namana ary dia niaraka tokoa ireo.Ary samy mitady irika hanonganana ny pasitera izy ireo,Ny zavatra nitranga anefa vao niala ilay rahangahy dia niakatra ny volam-piangonana .Nasehon'Atra amin''ny zavatra tsy nampoizina ilay rangahy kanefa tsy tsampany izany .Tsy tsampan'ireo miaraka aminy koa izany fa dia roboka fotsiny.
Ny zavatra tsy fantany anefa dia ity.Andriamanitra no mametraka sy mamolavola olona tendreny izara ny tenin'Atra ary Azy ireny ary Izy koa no miaro sy mitahy ary mitantana azy ireny. Na izany aza dia misy koa ny pasitera izay notendreny no lasa nivadika Aminy.

Ao anatin'ny fiangonana no ahitana karazana olona marary mila fanafody ara-panahy indrindra sy ara-batana, Natao hanompo an'Atra ny fiangonana(olona) fa tsy natao hanompo zavatra (tsangambato na maty mbola hivavahana na zavaboary toy ny hazo na tapatapakazo na omby na elefanta na ny sarivongana) .Misy fianarana maro ao na ara-panahy izany na sosialy na kolon-tsaina ihany koa ary ao anatin'ny fiangonana koa no hizara na ny atao hoe fitiavana -tiavo ny namanao tahaka ny nitiavako anao,tiavo ny fahavalonao,manaova soa ho an'izay nanao ratsy taminao.


Miombon-kevitra amin'ny namana didi10 ny tenako amin'ilay hoe fampiasana an-dinin-teny, lasa misy tsy mahazaka toko sy andininy eto, nefa isika dia ato anatin'ilay hoe fivavahana sy finoana, hany ka lazaina fa manao copie coller sy mitanisa andininy fotsiny no atao eto.


ka misy antony maro no mety mahatonga izany
misy manao pli-vava fotsiny mijery concordances dia rehefa misy resaka mifandraika amin'iny dia alefany ilay izy ka tsy lasa ny heviny no tafiditra fa ilay pli-vava ooops
misy tsy mahazaka ny marina satria ny marina mandratra ka tsy te hihaino na hiova ka ny tenin'Atra no anisany teny ambara ilazana ny marrina izay voasoratra ao anaty baiboly
misy madilo satria tsy mino ny asan'Atra izy fa handrava ny teniny hatrany satria tsy miditra ao an-tsainy sy mankadilo ny sofiny ny mihaino ilay tenin'Atra .
Tsy hinoany ilay izy na koa izy mahita ny fihetsiky ny olona manonina ny tenany hoe kristiana ,miambozona ny hazofijalian'i kristy ohatra kanefa miteny ratsy be na tsy mitovy ilay hazofijaliana hiambozonany iny ny toetrany,
misy koa kristiana anarany fotsiny ,mahay pli-vava fa tsy mampiasa izany pli-vava izany amin'ny fiainany ary dia manalabaraka ny tenany izy aloha ary avy eo Atra.
14. arist ( 28/09/2012 06:38)
Miala tsiny amin'ny namana miharena fa voatery ny tenako hanao HS ny resako. Efa elaela aho izay tsy niditra mivantana teto fa mamaky fotsiny no nataoko satria mikaroka an'Andriamanitra sy ny fahendrena dia mba mijery izay zarain'ny namana hafa e.

Dia talanjona aho mahita ny lazain'ny namana didy10 manao hoe:


didi10 - 24/09/2012 08:30
Afaka manazava amin'ny toko sy andininy ve aloha?
Ny sasany mantsy tsy mahazaka vao misy toko sy andininy mipetraka eto nefa raha hevitra tsy misy tenin'Andriamanitra dia teny ampianarin'ny fahendren'olona ihany.


Dia gaga aho mahita izany, tsy misy mahazaka toko sy andininy izany eto tompoko, ka mipetraka ny fanamarihana manao hoe:
- fihantsiana ve no ataonao?
- mendrika ho anao olona mpitory ve ny manao teny toy izany?
- ny fahanginanay aza raisinao ho faharesena, ny fahanginanay dia mitory fahendrena noho ny fanajana anareo rehetra, fa ianao no tokony handini-tena aloha.
- tsy izaho no manohitra ny toko sy andininy, ianao mampiasa izany no tokony handinika tsara ny hampiasaina izany fa tsy hanao copier/coller be fahatany.

Nisy lohahevitra andrana (essai) tsy nasiana toko sy andininy teto ary nazava ny antony namoronan'ny nanao azy an'izany fa tsy sanatria akory tsy fahazakana toko sy andininy.

Izaho no tezitra taminao satria ny toko sy andininy nampiasainao dia nanehoanao fa kely fahalalana izay ary mankany amin'ny fahaverezana, ary ataoko copier coller eto ambany ny nolazainao sy ny navaliko anao.

Ataoko copier coller eto ambany koa ny nambaran'ny namana Miharena taminao.

Hoy ny namana didy10


didi10 - 06/09/2012 10:54
Aolan'ny kely fahalalana sady tsy miorina tsara ny Tenin'Andriamanitra ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.


Ny namaliako azy


arist - 07/09/2012 10:23
Andriamatoa didy 10

Ny olana anie tompoko dia io fitanisanao be fahatany ny toko sy andininy io. Tsy mandà izay voalazan'ny baiboly aho akory. Fa mba azonao an-tsaina ve ny fotoana sy ny circonstance nitenenan'i Pet II 3,15 io toko sy andininy io, ary vahoaka iza no tena nanolorany an'io teny io tamin'izany fotoana izany?
Sa aminao azo atao copier-coller daholo ny zavatra rehetra. Angaha nisy niteny ratsy an'Andriamanitra teto? Angaha nisy nanambany ny finoan'ny hafa teto? Sa koa nisy nihevitra ny hanangana fiangonana vaovao teto? NY FANONTANIAKO ANIE NO NOVALIN'I TIAFOMBAGASY E Mba manàna tompoko capacité de reflexion sy capacité d'analyse na dia farany izay bitika aza FA AZA MANDRAY TSY RAISINA HOATRAN'NY TSIPOLITRA ANTITRA E.

Misy ohatra nolazain'i tiafombagasy ity haveriko eto indray. Ny antsy hoy izy dia fitaovana ihany, rehefa ampiasaina io antsy io dia mety hahasoa(ampiasaina amin'ny asa ao an-dakozia ohatra) ary mety ahafahana mamono olona koa rehefa ampiasaaina tsy ampiheverana. DIA TENA MITOVY AMIN'IZANY IANAO, MAMPIASA TSY AMPIHEVERANA NY TOKO SY ANDININY. NA NY TENIN'ANDRIAMANITRA METY HAHASOA AZA LASA MAHAMONAMONAINA REHEFA TSY MIFANANDRIFY AMIN'NY ILANA AZY.


Hoy ny namana Miharena


Miharena - 07/09/2012 06:28
Ny olana anie Didi10 dia tsy ny Teny izay tanisainao fa ny fitondran-tenanao eo anatrehan'ilay Teny e! Io ilay atao hoe fitompoan-teny fantatra io no olana.
........
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0483