mila fanampiana maika

1. milavony ( 21/07/2012 08:47)
za zany vehivay 22 taona mikasa ny hanao masera nefa ny olako dia tena mpamala-kira be mitsy aho efa nisy olona nampianatra hira ahy nefa tsy nety nahay mintsy za fa mba mila vonjy aty aminareo zay nomen'ny Tompo talenta amin'izany e
novalian'i BRIOCHE ny 15/11/2012 04:14
2. hery ( 21/07/2012 09:20)
Sao dia hoe nikasa hanao chorale ianao?
Any amin'ny chorale mantsy no tena mila hoe mahay mihira sy tsy mamalan-kira.
Ny olana ho an'ny hanao masera izany tsy fahaiza-mihira izany.
3. iloinen ( 21/07/2012 09:38)
za ko mitovy hevitra amin'i Hery amzay. ny ankabeazan'ny masera aza toa tsy mahay mihira raha ny fahalalako azy, Ny mompera kosa mifanohitra amzay, sa sao oe takiana mitsy ao anatin' le fikambanana ny fahaizana mihira, raha izay ndray d zavatra hafa mihitsy, otran sister act, :D, Misy tko aloa ny masera amzao otran mi se specialiser am zavatra iray e, sa za no diso, otran fille de St Paul zao momba ny boky, misy ko le miasa any am hopitaly d oe so d otrzay ko io fikambanana tianao idirana io, so d oe mi se specialiser am hira ohatra
4. milavony ( 21/07/2012 11:07)
misaotra anareo namaly e fa ny tena ilaiko zany dia ny vahaolana raha misy aminareo manana izay vahaolana izay dia mba toroy hevitra e
5. andrywui ( 21/07/2012 23:10)

milavony:

misaotra anareo namaly e fa ny tena ilaiko zany dia ny vahaolana raha misy aminareo manana izay vahaolana izay dia mba toroy hevitra e
omeo anah ny email nao ! tonga de pratique ve no hianaranao hihira sa hianatra solfa ?? faharoa : aiza enao no mipetraka mou ?? (firenena misy anao)
6. hery ( 22/07/2012 07:34)
milavony> Tsy olana io ho'aho, donc tsy misy hoe vahaolana.

Fa raha te hianatra hihira fotsiny ianao dia afaka mitady mpampianatra mihira. Fa tsy hoe olana misakana anao tsy hiditra masera ny tsy fahaizana mihira.
7. ledala ( 22/07/2012 23:20)
marina ny an'i Hery sy ireo namana hafa: zavatra roa no tianao ho atao eto
1- hianatra mihira, vahaolana: manantona mpampianatra momba izany any amin'izay toerana misy anao( olona tsotra,toerana fampianarana mozika, groupe mpihira, chorale, sns...)
2-te hanao masera ianao, vahaolana:
a)- misy tokoa ny sehatra manokana araky ny safidin'ny fikambanana, ka inona no manavanana anao kokoa? mampianatra ve, mitsabo, resaka boky sy aino aman-jery, .... de eo no isafidiananao ny fikambanana sahaza anao.
b)-manao masera= lalana iray iainanana ny antso iraisana dia ny fahamasinana, tsy asa fa lalana noho izany tsy dia antony tsy ahafahana manao masera sy mopera ny tsy fahaizana , mbola misy fianarana sy fitsapana lava be vao tafavoka e! izany no mahatonga ireo misy miala eny an-daharana diso lalana.Duc in altum.
8. BRIOCHE ( 15/11/2012 04:14)
Antso io r'isé an, " ka raha hanao masera no safidinao de tsara izany fa tsy olana mihintsy ny tsy fahaizanao mihira, dieny izao dia mihirà foana foana na mamalana aza, mihira mafy na ianao irery aza aloha, ary feo voalohany ihany aloha anaovana azy, afaka ampianariko se fa izaho manana talenta mampianatra ireny mpamala kira ireny , fa atoroy ahy ny misy anao?
Mahereza e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2805