FANORENANA FIANGONANA

1. vony501 ( 14/06/2012 07:36)
" Fa ny zavatra efa nateriny dia ampy hanaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza" Ekso 36 : 7
- Noho ny "VINA" iaraha-manatontosa,
- Noho izaho sy ianao voafidy hanangana ny tranon'i Jehovah,
- Noho ny lova mampifandray ny Taranaka mifandimby,
Dia manasa antsika ny FJKM KRISTY FEHIZORO TOAMASINA handray anjara izay "ZARA ZORO TANDRIFY" amin'ny fitondrana am-bavaka sy fananganana ny Fiangonan'Andriamanitra.
Andeha hametraka ny dian-tanana ka : "IZAY ANANAKO NO OMEKO"

Toy izao ny endriky ny trano ho aorina
[URL=http://www.casimages.com/img.php?i=1206140924391190619981925.jpg][/URL]

Efa voapetraka ny Vato Fehizoro ary efa mandroso ny asa
[URL=http://www.casimages.com/img.php?i=1206140930341190619981932.jpg][/URL]
novalian'i vony501 ny 09/07/2012 07:42
2. mirananirina ( 15/06/2012 07:47)
ngeza be ilay sary an
3. vony501 ( 18/06/2012 05:41)
ireto le sary fa lasa ngeza be marina le teo fa azafady

[URL=http://www.casimages.com/img.php?i=1206180749531190619996823.jpg][/URL]

[URL=http://www.casimages.com/img.php?i=1206180751131190619996824.jpg][/URL][URL=http://www.casimages.com/img.php?i=1206180751581190619996826.jpg][/URL]
4. vony501 ( 18/06/2012 05:44)
Rehefa mandalo eto Toamasina ianao, dia tsidiho ny toerana hananganana ny Fiangonana ao ambadiky ny Lycée FJKM Thoms Bévan. Tongava manatitra izay anananao, indrindra indrindra manonona vavaka
5. vony501 ( 22/06/2012 07:38)
Amin'ny "Fihaonamben'ny DIAKONA" izay ho tanterahana eto Toamasina, ny 10-11-12-13 juillet ho avy izao, dia manasa antsika Diakona namana rehetra izay ho avy mba hitsidika io toerana io e, mba hametraka dian-tanana, ho fahatsiarovana tsy maty fa isan'ny nanangana izany Tempolin'Andriamanitra izany ianao. Misaotra mialoha amin'ny anaran'I Jesoa Kristy Tompontsika
6. vony501 ( 09/07/2012 07:42)
Miarahaba antsika @ anaran'i Jesoa Kristy Tompo
Mifanindran-dàlana @ fihaonam-ben'ny Diakona FJKM manerana ny Nosy izay atao aty Toamasina manomboka rahampitso ka hatramin'ny zoma, dia manao "porte ouverte" koa ny FJKM KRISTY FEHIZORO. Izany dia ho entina mampahafantatra anao ny asa fanorenana sy angatahana tolo-tanana aminao amin'izany asa izany. Tongava maro fa ny adidy amin'Andriamanitra ho vita sady misy zavatra maro mahasoa aranty amin'izany. Misaotra anao sahady
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0487