azo faritana ve ny hevitry ny teny Fanahy ?
21. milamm
(
21/06/2012 01:35)
mba omeo fanazavana tokoa oe raha tsy maha-diso sitlo sa nanova ny hevi-teny ny rafitry ny fehezan-teny ?
22. milamm
(
23/06/2012 03:42)
fa zao Miharena a iverenako le oe taiza ika oe be ireo fanahy talohan'ny nahaterahany vatana toa tsy de misy fantatra ny momba an'izany? efa hay manko fa na velona aza de misy very fanahy mbola velona ozy ny fitenindrazantsika ny maty de nisy ambondrombe, afobe, paradisa sns
23. majesty
(
09/07/2012 06:28)
milamm : malalaka be ilay loha-hevitra fa azo soritana mazava ve ny tianao ahatongavana, satria samihafa ny tontolon'ity fanahy ity arakaraka ny kolon-tsaina sy ny finoana amin'ny faritra iray, ohatra hoe teo @ malagasy dia hafa, teo amin-dry zareo kely maso dia hafa toy io hazavain'i Miharena eo ambony io, ary ny voalazan'ny soratra masina ihany koa dia hafa.
24. Miharena
(
16/07/2012 12:12)
fa zao Miharena a iverenako le oe taiza ika oe be ireo fanahy talohan'ny nahaterahany vatana toa tsy de misy fantatra ny momba an'izany? efa hay manko fa na velona aza de misy very fanahy mbola velona ozy ny fitenindrazantsika ny maty de nisy ambondrombe, afobe, paradisa sns
Misy fanontaniana ity izay efa ela no nipetraka fa somary tsy tandrintandrina ka izany no tsy nahavaliana azy.
Ny fanahy talohan'nyn nahaterahan'ny vatana dia misy ireo fahendrena tatsinanana izay milaza fa misy ny réincarnation. Izany hoe fanahy iray ihany isan'olona ka velona amin'ny nofo mifandimby mandra-pahatonga azy ho fanahy tonga lafatra na maha-boudha. Ny ao amin'ny fanazavana moa dia milaza fa fanahy Kristy no avo indrindra. Io no mifandray amin'ny Baiboly milaza ny fiainana mandrakizay izay tsy hiverenan'ny fanahy efa tanteraka no nofo intsony raha tsy hoe angaha fanekena vaovao hiverina eto an-tany indray no ataon'ny fanahy.
Ny ao anaty Baibolu moa dia mazava fa fiaraha-manjaka amin'i Kristy ao an-danitra no voalaza. Izany hoe miara-miasa AMINY amin'ny famoronana no azo ilazana azy kokoa.
Raha ny ankehitriny indray dia misy ireo izay efa mahatsapa fa manana ny fanahy mandrakizay no mampianatra ny olnna fa tsy fanahy mandalo izy fa mandrakizay. Tsy nosy fotoana nipoirany ary tsy hisy fotoana hahafoanany.
Raha io farany io no jerena dia izay tsy nahatsiarovantsika tena no mahadika azy kokoa. Isika izany dia tsy afaka hilaza fa ny fe-potoana maha-nofo antsika fotsiny ihany no fianan'ny fanahintsika, sy ny hoe tsy nisy isika teo aloha ary ho foana rehefa avy mandalo ny maha-nofo, fa mandrakizay hatramin'ny fiorenan'izao tontolo izao dia efa fanahy isika.
Raha mandinika io dia foana avokoa ny finoana fa fahalalàna na évidence no misy ary iainana ka tsy hiherikerehana ets ysy eroa intsony hitady fahamarinana izay tsy takatry ny saina.
