tension

1. Ninih80 ( 07/06/2012 06:47)
miarahaba antsik rht ! saik mba anontany hoe inona ny sakafo mampiakatra tension
aingana ! misaotr mialoha !!
novalian'i Jessimi ny 01/10/2013 12:29
2. hery ( 07/06/2012 07:37)
Ny sosokevitra lazain'ny dokotera dia hoe mila misotro rano be dia be (hatramin'ny 2,5 litre isanandro).
Tsy mihafihafy amin'ny sira (fa tsy atao mihoatra ny mety)
Misotro kafe kely (fa tsy betsaka)
Tsy manao reraka loatra fa manao exercices kely
3. nannie ( 07/06/2012 15:32)
Ary ny anamamy ?
Fa ny ahy koa aloha ny voaloboka miasa tsara amiko e !
4. mirananirina ( 08/06/2012 10:05)
Ny ahy mampidina no haiko satria aho be tension be
5. iloinen ( 08/06/2012 13:16)
Anamamy no haingana raha hampiakatra tension. D divay tanehina atao magotraka d avy eo asiana siramamy koa anisany
Tongolo gasy raha hampidina.
6. Ninih80 ( 20/06/2012 10:01)

Ninih80:

miarahaba antsik rht ! saik mba anontany hoe inona ny sakafo mampiakatra tension
aingana ! misaotr mialoha !!


misaotra antsika rht fa nahomby ny toro-hvt d mazoto daôl e !!
7. iloinen ( 20/06/2012 10:38)
tsy misy fisaorana o
8. ratanty ( 27/07/2012 09:38)
miaraba ny namana rehetra! mba mila torohevitra fa miakatra be foana ny tension-ko indraindray ef mahatratra 20mihitsy;inona no ataoko fa za tsy te hizatra fanafody;oh: atao tambavy sns...de mety ko ve ny manao ireny bracelet (power balance) ireny? misaotra anareo ze mamaly; de mirary soa daolo o!
9. iloinen ( 01/08/2012 10:34)
Araka io voalaza eo ambony io dia tongolo gasy na koa jus de grenadelle mety
ratanty:

miaraba ny namana rehetra! mba mila torohevitra fa miakatra be foana ny tension-ko indraindray ef mahatratra 20mihitsy;inona no ataoko fa za tsy te hizatra fanafody;oh: atao tambavy sns...de mety ko ve ny manao ireny bracelet (power balance) ireny? misaotra anareo ze mamaly; de mirary soa daolo o!
10. Jessimi ( 01/10/2013 12:29)

ratanty:

de mety ko ve ny manao ireny bracelet (power balance) ireny?


Vao tamin'ny sabotsy maraina teo ny Société Malgache de Cardiologie no nilaza tao amin'ny Sainte Famille fa tsy mandaitra ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0694