TSY MILA FAT TSY MILA FAUX-MAITRE

1. RUZ9 ( 14/05/2012 10:07)
Rehefa tsy afa-po t@ hadalana vitan'ny olona napetrany teo @ "fitondrana" ireo mpanao gazety mpivaro-bava sasany dia miketrika hametraka mpamita-bahoaka hafa indray.

Tsy misy fankahalana olona eto, fa tsy avela atao fanandramana lava izao ny firenena ka rehefa potika nandritry ny 3 taona mahery dia homena hopotehin'olona hafa indray.

Itovizana hevitra @ rehetra fa ny fanonganana ny FAT no dingana voalohany @ famahana ny Krizy, tsy midika nefa izany fa azo apetraka hitondra avokoa izao olona rehetra izao.

Aoka hidaboka any @ izay ity resaka "vedettisme" ity fa efa nanimba ny firenena io.

Olona modely @ fahamarinana sy vonona hitarika ny vahoaka @ izany lalana izany no ilaina hitondra ny firenena fa tsy olona mitondra titre (maitre).
Mpîfehy moa ny atao hoe maître ary ny tenany no tsy maintsy voafehiny voalohany ( mahafehy vava : tsy hiteniteny foana, tsy handainga tsy hiampanga lainga na hampirisika ny hafa hanao an'izany), dingana ihany ireo anaty () ireo ary efa ampy itsarana sahady ny an'iny olona iny.

AMINTINAKO AZY : Tsy ianao ry Ingahy "maître" no ilain'ny firenena ary tsy hoe rehefa malama vava ry zareo dia hekena izay olona tohananareo....
tsy any aminareo hoy aho ny fanahidy hamahana ny krizy sy hampandroso an'ity Firenena ity
fanazavana fanampiny http://cyrius.unblog.fr
novalian'i dadabe ny 26/06/2012 05:27
2. hery ( 14/05/2012 13:14)
tsy misy azoko ilay izy ry RUZ9
3. andrywui ( 14/05/2012 13:21)
hery:

tsy misy azoko ilay izy ry RUZ9
hahahahahahaaa .... sur kosa alou fa tsy mpanamaina otran'ny mpiondana sasany lery fa mety vao maraina be fotsiny no nanoratra an'io de mbola leon-torimaso fotsiny izy ! sa tsy zay RUZ !! hohoh
4. RUZ9 ( 15/05/2012 09:09)
Tsy azonareo ily izy ?
Ny olona voakasika eto koa mety hilaza ho tsy mahazo na inona na inona.
Dieny tsy miitatra ny fery, avy hatrany dia tsaboina.

Raha nanaraka ny kabary nataona radio iray nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taonany ianareo dia hita fa misy olona tiany hapetraka sahady hitondra ny firenena.

Tsy ny fanonganana ny FAT no olana, ekena 100%100 aza izany fa ilay olona tadiavin-dry zareo hapetraka.

Mety hisy ny tsy hahatakatra ny tiany hahatongavana satria teny tsy tena mivantana ilay izy, tahaka izao ihany nahatonga an'ingahy DJ teo @ fitondrana, t@ alalan'ny fitaka sy ambadika.

Noho izany avelao hazava ny resaka, tsy izy iny olon iny ; tsy azo ekena.
5. andrywui ( 15/05/2012 10:04)
Mbola mety tsy Ho azon'ny oul iany ko zao io faharoa io ..maninn ra mkalma tsara vo manoratra ruz a ....avereno ndraipa daolo izy roa teo
6. hery ( 15/05/2012 10:08)
Tsy naheno ny resaky ny ao amin'ny Free FM aho, fantatro fotsiny hoe manomboka mandrodana ny FAT ry Lalatiana amin'izao, fa tsy mbola azoko antsaina aloha ny ao ambadika.

Dia ho Mailhol ve? :-)
7. andrywui ( 15/05/2012 10:13)
---) mailhol efa ok fa hilatsaka izy zany ,, ary mety ho izy no FILOHA eo araky ny vinavinan'ny rehetra satria resaka spirituel koa io tsy de idirako loatra !

---) ny resaka lalatiana : mitandrema iany nareo fa ry lalatiana sy fidele anie ka journalistes sy mpiteny tao amin'ny radio VIVA fa nalaelo seza lasan'ny sasany de io mivouvouvouv etsy sy eroa io e !! alaelontaolana io !!
8. andrywui ( 15/05/2012 10:15)
rehefa voapoka tsy nahazo seza tsaratsra tao amn VIVA tao ry lalatiana sy fidele reo de io nanao FREE FM miteniteny foana efa tafaotra io ! voalaza daolo hatram oe voan'ny sida i rajoelina !! huhuhh de miteniteny fona kahhh !!!

- reo mitsy anefa no tena nanotsana an'i dada fahizay sady 50% ny fositra nahatonga an'i dada niala
9. ded.kitty ( 15/05/2012 14:41)
Izay no naha FREE azy agamba. Araky ny filazan'ny frantsay hoe "langue libre".
10. mirananirina ( 22/05/2012 14:07)
Any @ iza aza ny lakilé amahana ity olana ity??Tsy misy manana angamba
11. RUZ9 ( 23/05/2012 13:41)

mirananirina:

Any @ iza aza ny lakilé amahana ity olana ity??Tsy misy manana angamba


Raha tsy misy manana tokoa dia ho potika ity firenena, tsy misy fanafana, saingy efa voasoratra mialoha ny zavatra rehetra ka tsy maintsy tanteraka izany.

Manao izay ho afany ireo rehetra mbola te hanjakazaka @ famoretana sy fangoronan-karena tsy an-drariny, fitondrana ny firenena any an-kady, satria tamàna mahazo, satria toa tsy nisy olona ireo teo aloha, toa tsy maninona ny efa eo, ary mba te hangorona koa ny hafa.
Tsy hitany ny miandry azy ao afara
Efa voasoratra fa hizaka ny vokatry ny nataony avokoa izy rehetra, tsy ho ela.
Tsy RUZ9 akory no hamaly an-dry zareo fa ilay nanoratra an'izay efa nitranga sy mbola hitranga.
misy ny olona efa nomena ny fanalahidy hamahana ny olan'ity firenena ity sy hampandroso azy ary tsymisy izy na ireo mpanao politika ireo (ny 4 chefs de file sy ny mpomba azy tsirairay, mpanao haiady.....).
Tsy misy izy ireo maneho hevitra @ haino aman-jery....

Efa misy indice maro nomeko ato @ http://cyrius.unblog.fr (pejy tsy mahavaha olana ; cause racial : aoka izay)

12. dadabe ( 26/06/2012 05:27)
tsy misy azoko kleaza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7986