Ambany fahasoavana.....

1. Maranatha ( 08/05/2012 11:07)
Rehefa tafaresaka, na misy adi-hevitra matetika eo amin'ny mpitandrina ny lalana sy ny mahatoky fotsiny fa efa novonjen'i Jesoa ka ambany fahasoavana dia tsy maintsy tafiditra foana ny teny hoe : tsy ambany lalàna fa ambany fahasoavana. Fa ahoana tokoa ary ny tena momba an'io ???

Matetika ireo ambany fahasoavana dia milaza fa tsy tokony ho tandremana intsony ny lalàna. Izay tokoa ve anefa no izy???

Ny olona ambany fahasoavana dia tokony hihoatra lavitra amin'ny fahamasinana noho ireo ambany lalàna. Izay no nolazain'i Jesoa raha niresaka tamin'ireo mpianany izy fa tsy maintsy mihoatra nohony an'i fariseho ny fahamarinanareo vao hahita ny fanjakan'ny lanitra ianareo. Izany hoe tsy maintsy mbola marina noho ny fariseho izany ireo olona ambany fahasoavana.

Rehefa mandray an'i Jesoa tokoa dia tsy mitandrina ny lalàna intsony satria efa eo ambany ny fahasoavany. Omeny hery izy ireo ho tonga zanak'A/tra. Ary izay olona eo ambany fahasoavana dia tsy manota intsony (tsy mandika lalàna I Jaona 3:4). Raha tarafina ny toem-piainan'io olona ambany fahasoavana io dia tsy ahitana ota eo aminy. Izany hoe raha amin'ny fomba hafa no hilazana azy dia mahatandrina ny lalàna izy. Fa tsy amin'ny herin'ny tenany no anaovany izany fa ilay hery izay nomena azy.

Eo no vao maika miha-mitombony ny fahamasinany noho ny mpitandrina ny lalàna Matio 5:27 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14).28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady : raha ny lalàna manao hoe aza... Izaho kosa hoy ny fahasoavana (i Jesoa) manao hoe izay rehetra.... Ny voalazany eo dia mbola sarotra noho izay takian'ny lalàna. Ny lalàna manao hoe aza mijangajanaga izaho kosa hoy Izy manao hoe izay rehetra mijery vehivavy ka mila azy ao am-pony dia efa nijangajanga taminy sahady.
Raha azonareo ny tian'izany lazaina dia vao maika aza sarotra sy henjana izany noho fitandremana ny lalàna satria ny lalàna raha tsy tratra ambody omby tsy azo melohina. fa eto vao ratsy fijery dia efa meloka sahady.

Ny ambany fahasoavana izany dia mazava be fa tokony hahavita makato ny lalàna mihoatra noho ny mpitandrina lalàna fa tsy amin'ny herin'ny tenany tahaka ny mpitandrina ny lalàna fa amin'ilay hery izay homena azy. Romana 6:14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!

Amafisiko fa ny olona ambany fahasoavana izany dia tokony hihoatra lavitra amin'ny fahamasinana noho ny olona mitandrina lalàna. ary rehefa halalinina ny fiainany dia hita fa olona mahatanteraka ny lalàna ihany koa izy . Eo no hametrahana tsara ny fanontaniana hoe tena nadray marina ilay Mpamonjy ve ianao ka nomeny anao ny hery hahatonga anao ho zanakin'i Avoindrindra (Tsy ho mpandika lalàna mihintsy mantsy ny zanany).

Ho an'ireo mpitandrina lalàna indray mandeha amin'ny herin'ny tenanareo ve ianareo sa ilay hery nomeny no hanantanterahanareo izany. Indraindray mantsy tsy hita eo amin-tsika ny vokatry ny fanahy.

Mahereza dia mahaiza mandinika daholo !
novalian'i Ranyah ny 29/08/2012 21:44
2. didi10 ( 09/05/2012 06:35)
Tsara ny Tompo

Misaotra ny namana Maranatha fa tsy misy kianina ny fanazavana momba ny maha ambany fahasoavana ny olona ao amin'ny Tompo fa tsy ambany lalàna intsony; saingy misy fanontaniana tsy voavalin'io fanazavan'ise io hoe: natao ho an'iza ary ny lalàna raha samy ambany fahasoavana avokoa ny Kristiana rehetra?
3. Maranatha ( 09/05/2012 09:54)

didi10:

natao ho an'iza ary ny lalàna raha samy ambany fahasoavana avokoa ny Kristiana rehetra?


Mazava be natao ho an'ny maditra Itim1:8 Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,10 ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema*, [* Gr. salama]

Mahereza ise!!
4. didi10 ( 09/05/2012 12:39)
Mahafinaritra

Mazava fa tsy foana akory ny lalàna sy didin'Andriamanitra fa entina itaizana ireo olona maditra amin'ny antsoin'i Maranatha mba hahafahany mahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra mandrapaha-teraka indray azy amin'ny Batisa ka hahatonga azy ho zanak'Andriamanitra tsy mahay manota ary miditra ao amin'ny fahasoavana.
Gal 3,19-28
19 Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany. 20 Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana. 22 Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an'i Jesosy Kristy.
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. 26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.



Tsarovy fa tsy tonga ho an'ny olo-marina i Jesosy fa ho an'ny mpanota mba hibebaka, Manota izay milaza fa "izahay tsy ambany lalàna noho izany tsy mampianatra ny lalàna ho an'ny Jentilisa." sy ny milaza fa "foana ny lalàna sy ny didy10"

I Kor 8,11
Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana? 12 Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy hianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy hianareo.
5. niryna ( 15/05/2012 16:22)

Maranatha:

Rehefa tafaresaka, na misy adi-hevitra matetika eo amin'ny mpitandrina ny lalana sy ny mahatoky fotsiny fa efa novonjen'i Jesoa ka ambany fahasoavana dia tsy maintsy tafiditra foana ny teny hoe : tsy ambany lalàna fa ambany fahasoavana. Fa ahoana tokoa ary ny tena momba an'io ???

Matetika ireo ambany fahasoavana dia milaza fa tsy tokony ho tandremana intsony ny lalàna. Izay tokoa ve anefa no izy???
fa inona tokoa moa no dikan'izany hoe ambany fahasoavana izany? by the grace of God ,we are saved.... ny fahasoavan'Atra no namonjena antsika .....fa fahasoavan'Atra no nahatoa izaho ahy .Izany hoe tsy nisy takalo ,tsy nisy hoe tsy maintsy manao izao sy izao hianao toy ireo milaza fa ny finoana dia avy amin'ny asa,ny finoana tsy misy asa dia naman'ny maty...kanefa mazava tsara ny hafatra fa ny fahasoavan'Atra no nahatoa izao antsika ,tsy avy amin'ny asa anefa izany fandrao hisy hirehareha..not from the work so no one boast..
Nomena maimaimpoana izany io ka anjaran'ny tsirairay no nandray azy,noraisina maimaimpoana ihany koa izany io ..Satria ahoana? fampisehoany ny fitiavaNy antsika rehetra izany .
Ka amiko dia toa tsy mbola naheno izany aho hoe tsy tokony ho tandremana izany.Isika ihany dia mahalala izany ary na dia mbola vao teraka aza isika eny na tany ambohoka aza dia efa mahalala izany,eny fa na zaza kely aza no tenenina hoe aza mandray anio dia tsy mandray tokoa izy.ka maika fa ny olon-dehibe ,tsy misy izay tsy mahalala hoe mety io na tsy mety saingy mety minia mikimpy sy tsy te ahalala na koa hoe solafaka izay noho ny fakampanahy rehetra mety andavo azy
6. Miharena ( 20/05/2012 05:34)

Gal 3,19-28
19 Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany. 20 Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery fa Andriamanitra dia iray ihany.
21 Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana. 22 Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an'i Jesosy Kristy.
23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. 26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.



Ireo teny ireo ihany no mamintina ny tian'Andriamanitra ambara momba ny fahasoavana sy ny lalàna. Ny lalàna dia fefy, fitaizana izay ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-piaraha-monina fa tsy fitaizam-panahy. Tsy misy afa-tsy ny fahalalàna an'Andriamanitra ao anaty no fitaizam-panahy ary izay no maha-Kristy na zanak'Andriamanitra ny tsirairay.

Mety tsy mahalaza azy aza ny hoe eo ambany fahasoavana satria tsy eo ambany mihitsy ny olona mifoha iray fa miaina araka an'Andriamanitra ao anatiny. Miseho eo amin'y fitondran-tenany sy ny resaka ifanaovany ary ny fahazavan-tsainy ny toetran'Andriamanitra mibitsika ao aminy. Izay no maha-manana ny Fanahy Masina azy avy ary mahay manavaka tsara ny hafatr'ireo anjely izy ireo fa tsy tafaroboka intsony amin'ny fahalalan'ny olombelona izay azo oharina amin'y Fariseo sy ny mpanora-dalàna (pli-vava fa tsy misy teny fiainana).

Ity resaka farany ity dia mbola be dia be ny kristianina sy ny mpitarika no mbola mampiaina ny kristianina ao aminy amin'io ka zary zioga no entin'ny mpivavaka fa tsy fahafahana izay efa nampanantenain'i Krsity sy ireo anjely ary ny mpaminany. Zary lasa honohono sy angano no ampiainan'ny mpitarika ny fitondram-pivavahana ka miondrika ny olona satria tsy mety afa-ketaheta. Mitady fahamarinana amin'ny zavatra ivelany tsy misy ifandraisany amin'ny fanahiny mihitsy indraindray no itarihana azy. Ary matetika dia midona amin'ny rindrina satria tsy mahavaly izay tadiaviny mihitsy ny fiangonana. Izay no azo ilazàna ireo izay manindrahindra ny lalàna eo amin'y fiangonana fa tsy milaza tsotra ny maha-zanak'Andriamanitra ny tsirairay ka hitombo amin'izany.
7. rekinbelo ( 07/06/2012 11:28)
Toa otrany tsy azony didi10 misy na ny and soratany eo ambony eo aza.
gal3:24-28
24 Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. 26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.

Ny lalàna dia mpitaiza (lalàna) antsika ( jiosy teo ambany lalàna)ho amin'i Kristy , fa rehefa tonga ny Finoana (Kristy) dia tsy fehezin'izay mpitaiza (lalàna) intsony isika.
Koa inona indray ary no mbola ho takiana @ kristiana hoy enao, raha io nosoratany iPaoly io mantsy dia hoan'ny Jiosy izay mbola tsy nanaiky fa efa tonga ny Mesia ary TSY MAHAKASIKA NY KRISTIANINA @ izao fotoana izao intsony satria isika efa nanaiky sy nino an'i Kristy ilay mpanefa ny Finoantsika.
Mino aho fa azonao tsara nytiako ho lazaina namana.
Mahereza

8. didi10 ( 08/06/2012 10:13)
Eo ambony ianao milaza fa natao ho an'ny maditra ny lalàna ary marina izany (Tim I 1,9), ka raha manontany ianao hoe inona no takiana amin'ny Kristiana dia tsotra ny valiny.

Aza tia tena!!!!!!
Tsy tonga hiantso ny marina aho hoy Jesosy fa ho an'ny mpanota mba hibebaka, ahoana no hampibebahanao ny mpanota raha tsy ampahafantarinao azy hoe inona ny ota ataony, kanefa mahafantatra ota nga ianao raha tsy nisy ny lalàna (Rom 7,7), aza tia tena rahalahy fa raha fantatrao fa voavonjy ny fanahinao dia ampianarao ny mpanota ny sitrapon'Andriamanitra ny didy sy ny lalàNY hitaiza azy aloha mandra-pa matotra azy amin'ny finoana ka hirosoany amin'ny Batisa, any izy vao tsy ambany lalàna intsony fa mandeha amin'ny fitiavana, ambany fahasoavana.
9. Ranyah ( 29/08/2012 21:44)
Ny ota dia fiainana fa tsy action => tsy mandainga no atao hoe OTA fa efa vokatry ny ota ny mandainga

Ota : Fiainana nolovana tam ADAMA ( autrement le tany am Ray amandreny, tsy miresaka aranofo à eto)

Rehefa nandray anJesoa koa ianao dia mahazo fiainana (Ny mpangalatra tsy tonga raha tsy handrava fa Zà koa avy hanome FIAINANA=> antsoina hoe ZOE) => io le fiainana vy Atra

Rehefa takatrao fa ATRA no ao anatinao ary efa lasa ny zavatra rehetra ( le fianana avant ( OTa) de manome anao force handà ny ratsy. Manana capacité handà ny ratsy ianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2157