MITADY TOROHEVITRA MOMBA NY ENERGIE EOLIENNE

1. isambo ( 29/04/2012 17:00)
Mba toroy hevitra re inona no tsara ampiasaina ny plaque solaire ve sa ny eolienne raha ampiasaina amin'ny congelateur tehanokatra varotra aty ambanivohitra mantsy aho dia mitady toky hoe tena afaka mampadeha congelateur 24/24 mihitsy ve izy io ary hoatrinona ny vidiny eto Madagasikara
novalian'i isambo ny 16/04/2013 15:44
2. sitlo ( 30/04/2012 02:04)
Arakarak'ilay ambanivohitra.

Fa amin'ny ankapobeny dia eolienne no tsara kokoa.

Satria izao: ny solaire dia mila masoandro. Noho izany amin'ny alina dia tsy mandeha. Kely rehefa maraina, hariva sy sendra aloka, rehefa mandrahona be, rehefa avy orana... Noho izany mila batterie matanjaka ny solaire. Izany hoe courrant continu no tena iasany. Mbola mila mamadika azy ho alternatif(misy puissance kokoa) raha ho ampiasaina amin'ny congelateur.

Ny eolienne indray dia sarotra stabilizena. Satria ny vitessen'ny rivotra dia miovaova foana. Raha tsy hoe ilay eolienne ngeza lahy be ireny angaha. (million de dollar no vidiny :P). Ilay kelikely ireny dia efa ampy ho an'ny congelateur, ny stabilisateur koa tsy dia lafo loatra.

Raha ny vidiny indray dia ialana tsiny fa tsy dia haiko loatra.

Fa izao, tamin'ny andron-dRatsiraka tamin'ny 2e repoblika dia nisy olon-tsotra nanao barrage kely dia nampiasa alternateur tsotra. Fa tsy niandry ela mihitsy ny JIRAMA tonga nandrava. Tamin'ny andron-dRavalo teo vao nanomboka nanao tsikelikely ny olona. Ka tsy haiko ny hiranga an'izao Fat izao. Mino aho fa tsy koah. Fa anontanio amin'ny mpiasan'ny JIRAMA eny ihany.
3. isambo ( 30/04/2012 15:17)
misaotra betsaka amin'ny valiny fa ny vidy moa tsy dia maninona fa ny tena ilay dia ny fanomezantoky hoe azo ampiasaina tsara izy io raha @ projet hataoko , ny tena mampatahotra ahy dia sao efa azoko le izy nefa tsy mampadeha an'ilay congelateur ,ny vola nefa lany fotsiny izany hoe raha misy olona tena mahay hoe mety io fa alefaso na hoe ajanony fa tsy mahomby io sao dia matiantoka . Izay zany no mba angatahiko koa, misaotra mialoha e
4. sitlo ( 18/05/2012 17:15)
Nisy zavatra hitako kely tamin'ny internet.

http://www.scidev.net/en/climate-change-and-energy/energy-policy/news/experts-question-madagascar-s-bid-to-tap-wind-energy.html

Hoe ho tapahin'ny HAT ho antsasany ny taxe amin'ny eolienne, ary misy foibe speciale natokana hikarakara ny resaka eolienne mihitsy amin'ny ministera. Anontanio any amin-dry zareo.
5. isambo ( 24/06/2012 07:52)
misaotra , fa lafo ny eolien noho ny solaire , ka eny tena tadiviko dia ny sur mampihodina congelateur
6. bazylou ( 11/04/2013 06:55)
diso be nareo ry sitlo

ny solaire no tsara indrindra satria ny hafainganam pandehan'ny rivotra dia sarotra fehezina.
Ny masoandro miposaka isan'andro ary rehefa alina ny andro dia ny batterie no miasa fa tsyhoe rehefa tsy misy masoandro dia maty ny solaire.

Solair eihany no tsara sy haingana ary tsy dia mila fikolokoloana
7. isambo ( 11/04/2013 15:19)
Misaotra anao e fa ny tena tiako ho fantatra anie dia ny hoe mahazaka congelateir marina ve izy io ? Rehefa manotany ny mpivarotra aho dia misy ny milaza hoe mahazaka ary misy miteny hoe tsy mahazaka ka tsy ahiko intsony
bazylou:

diso be nareo ry sitlo

ny solaire no tsara indrindra satria ny hafainganam pandehan'ny rivotra dia sarotra fehezina.
Ny masoandro miposaka isan'andro ary rehefa alina ny andro dia ny batterie no miasa fa tsyhoe rehefa tsy misy masoandro dia maty ny solaire.

Solair eihany no tsara sy haingana ary tsy dia mila fikolokoloana
8. sitlo ( 11/04/2013 22:42)
Ny an'i bazylou io resaka fifanindriana fotsiny fa ny ahy tena nianarana tany ampianarana mihitsy.
Amin'ny 11 atoandro eo vao tena manana puissance ambony ny solaire ary raha misy rahona kely izy vao tena tsara. Mila calcul koa ny inclinaison arakaraky ny ora. Matetika anefa ny an'olon-tsotra apetraka eo amin'ny tafotrano fotsiny, fa raha ilay lehibe be ohatra ny any Californie ireny dia automatique manaraka ny masoandro mihitsy ny fitodiny.
Mbola maro koa ny parametre toy ny toetr'andro nolazaiko teo, ary indrindra ao Antananarivo izay ambony dia ambony ny fatran'ny vovoka eny amin'ny habakabaka izay manakana ny taramasoandro. Manampy izay rehefa mipetaka eo amin'ny panel solaire ireny dia mbola mila diovina matetika.
Raha any amin'ny toera-kafa toy ny faritra antsinana be orana sy malok'andro indray dia azo atao hoe tsy ahazoana puissance ambony mihitsy ny solaire.
Ny fikarohana nataon'ny prof. malagasy dia any amin'ny faritra atsimo ihany no tena ahazoana tombony ny solaire.
Raha te hanontany olona tena nikaroka momba an'io dia Prof. Ramanana ao amin'ny departement de physique, option energetique, ao Ankatso anontaniana fa efa ela izy no nanao fanadihadiana momba an'io.
9. isambo ( 16/04/2013 15:44)

sitlo:

Misaotra anao
Fa mba omeo ahy satria ianao moa efa nandalina ihany ny tanjaky ny battery sy paneau solaire mahazaka congelateur
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.92