mpiara miasa ts mifankahazo mil hevitra

1. lova26 ( 11/04/2012 11:00)
Miarahaba antsika rehetra, inona nga ntokony atao raha nisy olana nampifanolana tamin'ny mpiara miasa iray birao aminao, ilay olana kosa aloha angamba tsy ho teneniko fa n tsapa aloha izao dia tena mikorontana tanteraka ato amin'ny toerana iasako ary samy mifanilika hadisoana, mahatofoka
novalian'i BAZYLOU ny 24/08/2012 08:11
2. mirananirina ( 11/04/2012 13:36)
Na aiza na aiza dia misy foana io voalazanao io,ilaina ny fitandremana voalohany indrindra satria misy ny mahavita manaratsy sy mandoto ny asanao,ary haka ny toeranao.
Ilaina ihany koa ny fandeferana,nareo moa efa mikorontana ka raha diso ianao dia mahaiza mialatsiny!raha manana ny marina dia miezaha hatrany manaporofo ny mahamarina anao ary tsy manaiky mht.
3. Hagg ( 12/04/2012 05:27)

Ao ampiasana dia ny discipline sy ny procédure voasoratra no ampiharina raha tiana hande ny asa. Izay fifandraisana any dia azo atao raha mety. Tsy voatery hifankatia ny mpiara-miasa fa tokony samy hahalala kosa fa tanjona iraisana no nahatonga tao ka tokony hifanaja. Tsy ilaina ny tezitra, tsy ilaina ny mifamaly...izay diso dia tokony hosazina fotsiny na hampitandremana raha mbola maivana....izay tsy te-hiasa dia mahazo mody na miala.....tsy maninona na tsy miresaka mihitsy aza fa ny asa ntandrify no ataovy dia mody rehefa tonga ny lera.....Ny fifanajana no tena zava-dehibe.
4. LazaDaddy ( 12/04/2012 06:22)

lova26:
Miarahaba antsika rehetra, inona nga ntokony atao
Ny tokony atao dia mivavaka sy manetry tena ary manaiky ny fahadisoana. Tombon-tsoa (ho an'ny tena manokana sy ho an'ny fiasana ary ny mpiara-miasa rehetra) ny miaky fahadisoana rehefa diso fa tsy mahafaty antoka akory. Ny fijoroana amin'ny marina toy izany no mampandroso ny firenena iray raha samy miezaka ny mpitondra sy ny entina
5. lova26 ( 12/04/2012 06:34)
miarahaba anareo, msotra anareo namaly ny fanontaniako, otran soulagée zany saady aho, izaho mantsy izaho vao niasa dia noheveriko ho otran any ampianarana ireny iany oe milamina be kay mitaky zavatra be ilay miasa dia saika sahirana ah.Mirary soa antsika rehetra
6. Hagg ( 12/04/2012 06:48)
..Dia mirary anao hahavita be Lova...
7. lova26 ( 12/04/2012 07:49)
msaotra betsaka an Hagg
8. niryna ( 12/04/2012 16:11)

lova26:

msaotra betsaka an Hagg
fomban-javatra io na aiza aleha na inona no asa atao.Maro ny olona no tsy mitovy hevitra ary misy tokoa ny tena manana toetra fa araka ny filazan'ny namana dia mivavaka foana aloha isaky ny miditra ny toeram-piasana,mivavaka ireny olona tsy mbola mahalala an'Atra ireny,tsy voatery ho tsy mahalala koa izy fa misy aza ny tena mahalala,mitondra ny croix mihitsy no manondrana.Ny fandeferana no tena zava-dehibe ka indraindray tsy mila vakiana loha ilay ataon'ny olona fa mivavaka ho azy no atao.
Hoy ilay pasitera iray izay hoe rehefa mivavaka hianaeo dia mivavaha amin'Atra tokoa ary rehefa miasa dia miasa amin'ny fo tokoa ka ataovy toy ny hianareo irery no miasa ao
9. lova26 ( 13/04/2012 06:29)
slu dol, misaotra betsaka Niryna, ilay mvavaka vao tonga ao ampiasana mbola ts nataoko aloha nefa dia natao anie zany tany ampianarana e, misaotr bestaka fa mety izay mints angamba no tsy ampy
10. ledala ( 19/06/2012 22:52)
Mirary ny soa ho an'i Lova, mety mbola hisy na misy any amin'ny olana hafa ny toy izany ka izao ny fahitako azy:
antony=tsy mahay mametraka amin'ny toerany tena, sy ny manodidina ( mpamafa trano oh lasa mandeha mamoha vavahady), mampifangaro ny resaka asa amin'ny zavatra hafa( fosafosa,safosafo, sipasipa, ....), fialonana ny toeran'ny sasany , fankahalana fotsiny tsotra izao, ....
Vahaolana: mivavaka, mahay manaja ny hasina, mailo tsara rehefa miasa, manaja ny fepetra mifanaraka amin'ilay asa, mitandrina , mahalala fomba, ...
11. BAZYLOU ( 24/08/2012 08:11)
asio blague
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1527