Iza no tsy mino fa Andriamanitra Jesosy ka tokony hivavahana?

21. Tefigasy ( 11/04/2012 13:02)
didi10:

iray ihany dia ilay Jiolahy nifantsika teo anilany, fa iny anie hoy aho amnistié na gracié e!!! aza manantena mihitsy hianao fa hanana vintana hitovy amin'io lehilahy io fa alohan'ny nandehanany Izy dia nanafatra hoe "Ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manaova Batisa azy.." dia tokony harahina izay teniNY izay.

Misy mihevitra indray fa tsy natao ho an'ny olona rehetra ny famelan-keloka !
Tadidio fa ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona (Kor2 3 : 6)

Aleo hajanona hatreo fa lasa mivoaka amin'ny lohahevitra!
22. Miharena ( 11/04/2012 17:00)
Fa aoka tokoa aloha ampidirina tsara ao anaty lohahevitra ilay izy.
Mba azon'i Didi10 resahana ve ilay fomab fivavahana amin'i Kristy?
23. didi10 ( 12/04/2012 07:39)

Miharena:

Fa aoka tokoa aloha ampidirina tsara ao anaty lohahevitra ilay izy.
Mba azon'i Didi10 resahana ve ilay fomab fivavahana amin'i Kristy?


Misaotra Miharena

Tadidinareo ve fa nampianatra ny mpianatra mivavaka i Jesosy?
Fizarana 1: Fanandratana an'Andriamanitra
Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Raha mino ianao fa ny Zanaka ao amin'ny Ray ary ny Zanaka ao amin'ny Ray dia asandrato Jesosy, lazao fa lehibe ny VoninahiNy sy ny FitiavaNY, Masina Izy ka tsy misy mendrika hiankohofana raha tsy Izy ihany.

Fizarana 2: Mangataka
Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

Mangataha izay rehetra mety hahasoa anao, mahaiza mangataka sao dia tsy ho zakanao ny zavatra angatahinao, (Jn 14,14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany. )
Raha marary ianao: Ny dia-kapoka tamiNY no nahasitranana anareo (Isaia 53,15)
Na inona na inona angatahinao dia omeNY anao izay: Jn 16,24 Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo; mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

Fizarana 3 : Mangata-pamelana sy mamela heloka
12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. 13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.

Isaky ny mivavaka ianao dia tokony hifona amin'ny heloka vitanao, antsoy ny Ran'i Jesosy handrakotra sy hanadio anao, diovy ny fonao ka mamelà ny hafa dia ho voavela ny helokao, afaka mandroaka demonia amin'ny anaran'i Jesosy ihany koa ianao.
24. Miharena ( 12/04/2012 13:54)
Ilay fivavahana nampianarin'i Tompo io anie ka mazava tsara hoe : Rainay any an-danitra no nampianarina fa tsy hoe Jesosy Kristy any an-daniitra. Ka vavaka amin'i Jesosy àry ve io sa vavaka amin'ny Ray?
25. didi10 ( 12/04/2012 15:44)

Miharena:

Ilay fivavahana nampianarin'i Tompo io anie ka mazava tsara hoe : Rainay any an-danitra no nampianarina fa tsy hoe Jesosy Kristy any an-daniitra. Ka vavaka amin'i Jesosy àry ve io sa vavaka amin'ny Ray?


Fa nankaiza ilay formule nao f'anga tsy Ray = Zanaka = ??????
26. niryna ( 12/04/2012 16:24)

Miharena:

Marina tsy misy azo lavina kosa ny an'i Vale ry Didi10 fa sa inona no tsy mazava amin'izany? I Kristy no nilaza io fa tsy i Vale.

Tsy ny fanaporofoana fa Andriamanitra i Krsity no zava-dehibe fa ny fahalalàna an'Andriamanitra nampitaiNY tamintsika olombelona.

Jereo ny Jaona 17 dia ho hitanao ny FOTOTRA tiaNY hotanterahana ho an'ny rehetra.
dia mbola azo tohizana ny Jaona 1:1-4 ,14 ihany koa
27. Miharena ( 12/04/2012 18:47)
Didi10:

Fa nankaiza ilay formule nao f'anga tsy Ray = Zanaka = ??????


Eny marina ny anao ary tsy mivoaka amin'io formule io mihitsy rehefa jerena izay voasoratra tao aminn'y horonamboky Qumram manaraka ity

Mon esprit, tu es omnipotent,
Ton nom est saint,
Que ton royaume s'incarne en moi
Que ta puissance se révèle en moi,
Sur la Terre et dans les Cieux.
Donne-moi aujourd'hui mon pain quotidien.
Permets-moi de reconnaître mes erreurs et je reconnaîtrai la vérité,
Car le royaume à l'intérieur de moi t'appartient,
Ainsi que toute puissance et toute connaissance pour toujours,

Amen.



28. didi10 ( 13/04/2012 10:55)
Ny qumram nao toa mivavaka amin'ny tenanao ihany :-)
Normal satria ianao mihevitra ny tenanao ho andriamanitra.
29. Miharena ( 13/04/2012 16:26)
Satria mihevitra aho fa zanak'Andriamanitra fa tsy hoe Andriamanitra hivavahan'ny olona.

Raha tsy io resaka zanak'Andriamantira io no toriana ao amin'ny fiangonana misy anao dia tokony handinika tsara ianao fa fandrebirebena no atao ao.
30. didi10 ( 14/04/2012 15:40)

Miharena:

Satria mihevitra aho fa zanak'Andriamanitra fa tsy hoe Andriamanitra hivavahan'ny olona.

Raha tsy io resaka zanak'Andriamantira io no toriana ao amin'ny fiangonana misy anao dia tokony handinika tsara ianao fa fandrebirebena no atao ao.


Raha zanaka dia mpandova no voalazan'ny soratra masina fa tsy niteny izy hoe raha zanaka dia mira amin'Andriamanitra. Ny faniriana te hitovy lenta amin'Andriamanitra io no efa nahavoa an'i Adama sy Eva dia mbola hiverina hanao izany hadisoana izany ve ianao?
31. Miharena ( 14/04/2012 17:15)

Raha zanaka dia mpandova no voalazan'ny soratra masina fa tsy niteny izy hoe raha zanaka dia mira amin'Andriamanitra. Ny faniriana te hitovy lenta amin'Andriamanitra io no efa nahavoa an'i Adama sy Eva dia mbola hiverina hanao izany hadisoana izany ve ianao?


Tsy azonao mihitsy ilay voambara. Ny zanaka mandova hoy ianao ary marina izany. Raha olona no miteraka olona dia olona no avoakany. Raha Andriamanitra no miteraka dia Andriamanitra no vokany. Noforonina isika ary fofon'ain'Andriamanitra no ao amintsika. dia ny fikolokoloana io AINY io ao anatintsika no adidintsika mba hitombo araka ny SitrapoNY isika tsirairay avy.

I Jesoa dia niteny mazava hoe : hanao asa lehibe noho Izaho aza ianareo. Ka raha tsy manana an'Andriamanitra tsy mahavita betsaka noho i Krsity araka ny Teniny.

Dia matoky izany teny izany isika rehefa Kristianina ary tsy fireherehana ho Andriamanitra velively izany fa fanetrentena aza satria raha i Kristy dia nanetry tena be dia be fa tsy nanaiky hatao mpanjaka tamin'ny fotoanandrony.

Ka tsy ilàna fanajana manokana na fanomezam-boninahitra manokana ny maha-zanak'Andriamanitra ary mitovy daholo ny rehetra fa tsy misy miavaka ny firafiny nanaovan'Andriamanitra azy. Ny lalam-piainany avy no samihafa noho ny kolontsaina sy ny sedra andalovany avy.
32. didi10 ( 16/04/2012 11:16)
Raha Polisy ny dadanao dia zanaka Polisy ianao fa tsy Polisy akory, rehefa tsy manaraka ny anatry ny rainao ianao eo amin'ny fiainanao dia mety ho lasa tontakely indray aza ka any am-ponja no sahaza anao ka na ny rainao izay polisy aza tsy afaka hanao na inona na inona aminao.
33. Miharena ( 16/04/2012 16:34)
Feno fitsarana be mihitsy ny fomba fijerinao Didi10 ny momba ny zava-panahy ka izany no tsy mampitovy antsika. Ary ilay fitsarana ataonao dia manaraka resaka ara-nofo ihany fa tsy tena ny ara-panahy tokoa.

Ireto avy ny momba ny fanahy : Ny lalan'Andriamanitra dia tsy lalantsika olobmelona ka isika indray no hilaza fa izay nataon'Andriamanitra hisy dia lazaintsika fa hariaNY indray. Izany no nanaovaNY asam-pamonjena satria tsy tonga hiantso ny marina IZY fa ny mpanota. Ka na manao ratsy aza dia tiaNY matoa natao ny asa fizarana Fitiavana.

Ka ny fanontaniana dia hoe isika Krsitianina ve ao amin'ny côté misy an'Andriamanitra sa eo amin'ny toerana maha-olombelona miaraka amin'ny lalàna nataon'olombelona feno fitsarana ny tsara sy ny ratsy?
Ary koa hoe inona no antony nilazan'i Krsity hoe tiava ny fahavalonarreo?
34. jajajaly ( 20/04/2012 13:00)
Miala tsiny fa nandeha mission kely lavidavitra de izao vao tonga. Misaotra @ tsikera rehetra fa tohizana indray ny dinika.
Ilay lohahevitra hoe :" Iza no tsy mino fa Andriamanitra Jesosy ka tokony hivavahana?"
ilay hoe iza dia manondro anaran'olona na fikambanana.
Valiny :
1-JESOSY
Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 4:10 (Prot.): «Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao [«hivavahanao», Kat.; avy amin’ny hoe prôskyneô], ary Izy irery ihany no hotompoinao.» (Naka teny tao amin’ny Deoteronomia 6:13 i Jesosy teo.) Andriamanitra irery ihany àry no tokony hivavahana.
Hanahaka an'i Jesosy ve ianao sa hanohitra ny teniny?
35. ratsirano ( 13/06/2012 14:05)
[quote=didi10]
Tsy mazava ny valin-teninao.
Andriamanitra ve Jesosy aminao sa tsia!

[/quote = ratsirano]saika mba hamaly ny fanontanianao. Ilaina fantatra tokoa ny momban'i Jesosy Kristy satria izao no voalaza ao amin'ny Jaona 17 : 3 : "koa mba hahazoan'izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany ANDRIAMANITRA marina, SY Jesosy Kristy, ilay nirahinao."
Raha mandinika an'io fe-tsoratra io isika dia hahatsikaritra fa miresaka olona roa (2) samihafa izy io. Ny iray voalohany dia ilay Andriamanitra marina izay naniraka an'ilay iray faharoa dia i Jesosy Kristy.
Na i Jesosy aza dia niteny tamin'ny Rainy ao amin'ny Jaona 17:18 hoe : " Toy ny nanirahanao ahy ho amin'izao tontolo izao, no hanirahako azy koa ho amin'izao tontolo izao.

Na i Jesosy aza izany dia manaiky fa irak'Andriamanitra ; ary raha mbola jerentsika Jaona 14:28 dia izao no lazainy : ".......fa ny Ray dia lehibe noho izaho."
Logique izany satria ny Mpaniraka dia lehibe noho ny irahina, ary ny Ray dia lehibe noho ny zanaka, satria dia araka ny filazan'ny baiboly ihany dia zanak'Andriamanitra lahitokana i Jesosy Kristy.Jaona 3:16, 17.
Conclusion izany, raha ireo fe-tsoratra amin'ny baiboly no arahina dia zanak'Andriamanitra i Jesosy fa kosa noho izy natao sorona ho antsika dia avy amin'ny alalan'i Jesosy no hivavahantsika amin'ny Ray toy izay lazainy ao amin'ny Jaona 14:6 : "Izaho no lalana sy fahamarinana. Tsy misy olona mankany amin'ny Ray afatsy amin'ny alalako."
Mirary soa ho antsika rehetra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.127