Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
« [Fananarana sy teny farany ho an'i Timoty] Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema*, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, [* Gr. salama] » (1 Timoty 6:3)
« dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala* amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, [* Gr. marary] » (1 Timoty 6:4)
« fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra. » (1 Timoty 6:5)
Ny tenako no asiako mafy ho mangana aloha, fa raha raisinao dia FALY aho, raha lavinao kosa dia MALAHELO AHO;
Samia tahin'ny Tompo,