Inona ny sakafo gasy tsara omena ny zaza 9 volana?

1. fiphie ( 21/03/2012 09:09)
Manaja anareo namana rhetra!
Mba saika anontany aho oe: inona ry reto mba fanampin-tsakafo gasy tsara omena ny zaza 9 volana. Zah aloha efa mba manome azy vary gasy sy toton-kena (avy eo mixer'ko) ihany, fa mba tiko varier'na le izy fa itako leo miintsy ny zanako. ankoatran'sakafo Blédina sy tariny zany anontaniko anareo izany an!, efa manomboka tsy araka manko le sakafom-bazaha ireny!
Misaotra mialoha e!
novalian'i fiphie ny 24/09/2012 09:24
2. hery ( 21/03/2012 10:22)
Raha 9 volana izany efa afaka mihinana sakafo maro ka. Andramo ny legumes (karaoty, ovy, courgette) dia asiana anana koa dia mixer-na.

Izany hoe atao mitovy amin'ny sakafom-bazaha ihany fa ianao no mikarakara azy fa tsy ilay efa vita ireny.

Ny zavatra mavesatra ihany no mbola aza dia omena azy (atody, sns)

Ny voankazo koa no omeo tsikelikely raha tia.
3. manampi67 ( 26/03/2012 16:15)
Bonjour,

Petit Pot Bledina, etc......raha afaka mahandro dia aleo mahandro, rehefa vita vazaha ange tsy midika hoe tsara eh !, na ny vazaha aty an-dafy aza efa manomboka mandao ny "petit pot" !!!
4. milavony ( 21/07/2012 08:50)
omoe varisosoa sy koba izy e
5. vale ( 07/08/2012 23:23)
vary malemy asiana totokena
vary malemy asiana atody masaka nopotipotehana ( ny jaune d oeuf ihany)
courgette sy totokena et beurre
vary malemy sy nofo trondro
lasopy légumes isankarazany asiana vermicelles
carottes atao purées asiana beurre
efa afaka omena frittes de pomme de terre
pâttes bolognaise, etc........
dessert efa afaka mihinana fruits rehetra.
6. ratanty ( 21/08/2012 11:33)
vary sosoa asina siramamy fotsiny ko ndraindray oh @maraina, manao lasopy de le ranony matsiro be iny no andrahoana ny variny atao malemy tsara tandremo ny sira sao be loatra;azo omena vary @anana(anan-drano iany) koa ny zaza 9mois fa atao matsiro tsara sy malemy;totom-boanjo misy sira koa azony atao laoka @vary sosoa; ny ovy koa atao puré + fromage(ny ahy aloh la vache qui rit foana no omeko ny zanako e) afangaro tsara de azony atao gouté;rah malain-komana ny zanakao de anamboary jus de citron mamy tsara de hazoto homana be izy ;tsy mixena fa le citron1 sasana tsara de zaraina 2 de potserina esorina ny voniny de tampohana rano kely(eau vive) fa mahery loatra asio siramamy de andramo kely aloh vao omena le zaza fa mila atao mamy tsara leizy.Zay ary fa mazotoa e!
7. fiphie ( 24/09/2012 09:24)
Misaotra betsaka t@ toro-hevitra nareo ry reto an!, tena nahasoa le izy!

ratanty:

vary sosoa asina siramamy fotsiny ko ndraindray oh @maraina, manao lasopy de le ranony matsiro be iny no andrahoana ny variny atao malemy tsara tandremo ny sira sao be loatra;azo omena vary @anana(anan-drano iany) koa ny zaza 9mois fa atao matsiro tsara sy malemy;totom-boanjo misy sira koa azony atao laoka @vary sosoa; ny ovy koa atao puré + fromage(ny ahy aloh la vache qui rit foana no omeko ny zanako e) afangaro tsara de azony atao gouté;rah malain-komana ny zanakao de anamboary jus de citron mamy tsara de hazoto homana be izy ;tsy mixena fa le citron1 sasana tsara de zaraina 2 de potserina esorina ny voniny de tampohana rano kely(eau vive) fa mahery loatra asio siramamy de andramo kely aloh vao omena le zaza fa mila atao mamy tsara leizy.Zay ary fa mazotoa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1608