Raha toa ka?

1. sitlo ( 02/03/2012 21:06)
Rehefa mba te handambolambo ny malagasy ny politisianina dia hoe:
- ny malagasy ange mahay tsy toy ny afrikanina
- ny vahoaka ange misaina
- ny malagasy ange nahita fianarana
- Madagasikara ange manan-karena...
dia mba mody asiana malagasy nahita fianarana miteny amin'ny RFI...

Fa izao no tena izy, maro eto Afrika no itrangan'izany zavatra izany. Raha ny safira tany Ilakaka izany tsy ampy ny volamena tany Congo, tsy ampy ny diamondra tany Sierra Leone. Sokatra zato izany tsy ampy ny vidin'ny nifin'ny elefanta iray akory...

Ka izao. Efa in-3 no nisy coups d'Etat tao Comores. Mersenera frantsay daholo no nanao azy ireo. Filoham-pirenena voafidim-bahoaka sahy nanohitra ny fratsay izy ireo. Comores moa dia manana nosy maromaro.
Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana ary ny filoha tohanan'ny frantsay, tahaka an'io Andry Rajoelina ao Madagasikara io, dia nalefany ny referendum.

Ny referendum dia hoe "atao mahaleo tena ve ny nosy Mayotte?". Mahagaga ve raha lany io referendum io tamin'izany. Izay prezida rehetra nandà tsy hampanao io referendum io maty daholo.

Ka izao ary. Raha toa ka prezida TGV. Ka alefany, tahaka ny referendum momba ny 4eme republique farany teo, ny referendum hoe "atao mahaleo tena ve ny Nosy Be?. Ataoko fa efa frantsay sy karàna(manana nationalité francaise) daholo no tompon'ny hotely sy ny plage tsara rehetra ao.

hmmmmm
2. Miharena ( 03/03/2012 08:47)
Ny Malagasy anie ka mahay mihafy ary izany no mahatogna ny fandefasany mora ny zava-drehetra ao aminy e! izay ilay tena raharaha eto amintsika eto. Ary ireo vahiny tsy ho menatra mihitsy ny hitsetsitra na inona na inona resahanao aminy ka asa hoe iza no afaka hijoro hanohitra izany zava-drehetra izany.

Izao dia misy ny olona te-hirotsaka eny an-dalambe indray fa tsy mandeha ny zava-drehetra, dia tapenam-bava tsy avela. Na ny resaka conférence aza tohanana izao raha vao mahakasika ny fitondran-draharaha ankehitriny.

Irina fotsiny ny mba hahatsiarovan'ny Gasy tena amin'izao satria raha ny fahitana azy dia tsy mahomb avokoa izany ny andrana rehetra fa dia mbola voageja mafy daholo eo amin'ny fahalalahan-tsaina sy ny fahamatoran-tsaina. Dia izao zava-misy izao no mitranga.

Raha ny resaka fanonganana mivantana indray dia manomboka miala tsikelikely izany eran-tany fa resaka hafa no hanagejana ny firenena misy harena mbola tsy voaroba, dia ny négociation tsy mifandanja fa manambaka. Ka asa aloha hoe maninona tokoa no azo ambakaina ny Gasy sy ny tany mahantra ara-bola.
3. mirananirina ( 10/03/2012 09:48)
Iny aloha dia mahagaga mht fa ny toerana rht amorontsiraka dia sinoa daholo no tompony,ary manana mht ry zalahy ireo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1249