very ve ny expression hoe "fozalahy atakalo fozavavy" ?

1. fidelite ( 02/03/2012 12:16)
tsy haiko raha mba nahatsikaritra ianareo fa nisy fiantraikany t@fampiasana an'io fomba fiteny io ny lazaratsin'ny "foza". lasa nanana dikany ratsy (tena ratsy) le izy. ho very io fiteny io sy ny fiteny mitovitovy aminy raha tsy mahay mitahiry isika. ny fomba itahirizana azy aloha tsy fantatra e!!!
2. sipagasy ( 10/03/2012 17:56)
mila mitandrina tokoa isika ary manaja ny tenin-drazantsika, fa tsy hahay hiteny Malagasy intsony ny taranaka raha ovaintsika daholo ny hevitry ny teny rehetra!!!!
3. fidelite ( 14/03/2012 12:21)
Hay ve ka fon-jazalahy atakalo fon-jazavavy hono no tena izy fa tsy hoe "fozalahy atakalo fozavavy " e.
hafa mihitsy, lol.
4. reve ( 28/03/2012 19:56)
fo zalahy /coeur masculin io
5. njaraiharana ( 28/01/2013 17:22)
Manamafy aho "Fon-jalahy sy fon-javavy" no tena fiteny ary io no fanoratana azy.
Efa voalazako tany @ theme hafa tery aloa ny hakamoan'ny Malagasy @ fomba fanoratana sy famakiana ary ny fitenenana: manao fanafohizannteny sy manovanova; hany ka diso tanteraka ny tena dikan'ilay teny.
6. sitlo ( 29/01/2013 04:58)
Sao dia fonja lahy antankalo fonja vavy kosa no tena izy?
7. njaraiharana ( 18/02/2013 20:01)
Tsara be ilay fanontaniana, satria efa nahare an'io fonjalahy sy fonjavavy io ihany koa aho.
Fa rehefa tena jerevana sy dinihina tsara ilay teny sy fehezanteny dia:

"fon-jalahy" ( fo an'i zalahy) sy "fon-javavy" (fo an'i zavavy) no izy, satria io no miteny kokoa ilay fehezan-teny hoe:" Fon-jalahy atakalo fon-javavy". Midika oe ny fitiavan'ilay lahy mifanakalo amin'ny fitiavan'ilay vavy, mitovy lenta izany ilay fitiavana.
fa raha toa ka oe :" Fonjalahy atakalo Fonjavavy", dia tsy miresaka fifankatiavana ilay fehezan-teny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2532