Handova ny fanjakan'Andriamanitra tokoa ve isika?

1. maresaka.com ( 21/02/2012 05:55)
Eto ny rohy

Toy izao ny voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny 1 Korintianina 6:9: "Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin' olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra."

Araka izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ireto karazan'olona ireto:

1) Ny olona tsy marina
Anisan'ny olona tsy marina ny "mpandainga". Fakam-panahy sy poizina ny lainga ka tokony toherin'ny mpino amin'ny fo manontolo. Ny fandaingana dia misakana olona tsy hibebaka fa manamari-tena amin'ny lainga. Tsy ny famoronan-dainga no afaka hanamarina antsika fa ny ran'i Kristy irery ihany. "Ray o, aza avela handainga imason'ny olona aho fa ankaherezo hilaza ny marina na dia mampiseho ny fahalemeko aza izany. Mamindra fo amiko ry Tompo, ampio aho hiala amin'ny lainga ary aoka ny ran'i Kristy no hanamarina ahy. Amena!"

2) Ny mpijangajanga
Ny fijangajangana dia efa notsipihin'i Jesoa Kristy mazava tsara fa tsy amin'ny "asa" ihany fa ao am-po indrindra indrindra. Ny fijangajangana dia misy tokoa amin'ny fijerevana fahitalavitra sy aterineto na sarimihetsika sy tsy mihetsika, sns... Ny fitsiriritan'ny maso isan-karazany dia fijangajangana amin'Andriamanitra. Mila vavaka sy fifadian-kanina ny fanoherana an'ireo indrindra amin'izao vaninandro iainantsika izao. Aoka isika tsy ho voasarik'ireny ary aoka ho maotina ihany koa ny fomba fitafy sy firesaka ary ny fisainantsika fa tsy haka fanahy ny hafa.

3) Ny mpanompo sampy
Loza mihatra ity ho an'ny fiarahamonina Malagasy. Vao misy mpangalatra sy mpamaky trano tonga dia any amin'i "dadarabe" ny ankamaroan'ny Malagasy no mandeha. Rehefa hanorina trano na fasana ihany koa dia maka torohevitra any amin'ny mpanao ody, eny fa na dia ireo zokiolona maro ao amin'ny fiangonana aza. Reha misy voina na aretina manjo dia any amin'ireny ihany koa ny olona no midodododo. Maro koa ireo mitady "fahasoavana" any kanefa indrisy fa fahaverezana mandrakizay no hita! Fa lefy nankaiza ny finoana an'ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra no mitady fitahiana amin'ny razana/tromba sy mitady vonjy amin'ny sampy? Loza ho an'ny firenena sy izay olona mpanao izany ka tsy mety mibebaka amin'i Kristy!

4) Ny mpaka vadin'olona
Rehefa tsy vadinao dia "vadin'olona" daholo fa tsy ny olona efa manambady ihany akory no atao hoe "vadin'olona". Noho izany, raha mbola mpisipa sy ny toy izany ianareo dia mbola azo sokajiana ho "vadin'olona" izy fa tsy vadinao mihitsy ka tandremo fatratra! Tsy misy mahafantatra ny ampitso, mety hisaraka ianareo na asa sanatria misy loza tampoka...

5) Ny sodomita
Io aloha eto Madagasikara dia tsy miroborobo be toy ny any ivelany ka angatahina Ny Tompo hiaro antsika amin'io sy hanafaka ireo tafiditra ao.

6) Ny mpangalatra
Halatra ve ny fanaovana dika tsy nahazoan-dalana ny kapila mirakitra hira, sary mihetsika, sns...? Eny. Ny fandikana "Microsoft Windows"? Eny. Ny fandikana "Microsoft Office"? Eny. Ny fividianana "ticket carburant"? Eny. Ny fanaovana kolikoly? Eny.

Tsy ny haro paosy sy vaky trano na fanodikodinam-bolam-panjakana ihany akory no halatra ka aoka hitandrina isika mpino fa Tempolin'ny Fanahy Masina ny vatantsika.

7) Ny mpierina
Ny mierina dia sahala amin'ny fanambaniana an'Andriamanitra ankolaka hoe: "tsy ampy ahy Ianao na i Kristy sy ireo rehetra izay nomenao ahy fa mitady misimisy aho". Mampiseho tsy fahatokisana Azy ihany koa izany.

8) Ny mpimamo
Aiza ny toeran'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika?
Rehefa misy ny fifaliana: aoka hidera sy hisaotra an'Andriamanitra fa tsy himamo sanatria
Raha sendra fahoriana: Ny Fanahy Masina no aoka angatahina ankahery antsika fa tsy ny taoka velively

9) Ny mpanaratsy
Iza no hanaratsy olombelona noharian'Andriamanitra "mitovy endrika Aminy?". Fiarovan-tena ve sa politika ve sa fitiavam-bola sy voninahitra no antony hanaratsiana ny noharian'Andriamanitra? Sanatria!

Raha misy ny fananarana tokony atao amin'ny olona iray dia ataovy aminy am-pitiavana ary fadio ny fanaratsiana satria vao maika hahavery azy izany fa tsy ahavonjy azy.

10) Ny mpanao an-keriny
Mpindrana avokoa isika, an'Andriamanitra ny zavatra rehetra no nampindraminy antsika. Izay manao an-keriny dia manao an-keriny an'Andriamanitra.

Ry Ray aman-dReny malala, ry mpiray tanindrazana, ry rahalahy sy anabavy ao amin'i Kristy Tompo. Meloka isika! Aza mety ho fitahina fa avoty ny tenanareo ka mialokalofa ao amin'i Jesoa Kristy! Mandalo avokoa izao rehetra izao fa ny Teniny mitoetra mandrakizay. Amena!
novalian'i bor2lais ny 27/02/2012 13:36
2. LazaDaddy ( 22/02/2012 00:28)
maresaka.com:

6) Ny mpangalatra
Halatra ve ny fanaovana dika tsy nahazoan-dalana ny kapila mirakitra hira, sary mihetsika, sns...? Eny. Ny fandikana "Microsoft Windows"? Eny. Ny fandikana "Microsoft Office"? Eny. Ny fividianana "ticket carburant"? Eny. Ny fanaovana kolikoly? Eny.

Betsaka mihitsy ny zavatra heverina ho madinika kanefa halatra an! Ohatra ny fanaovana copie antivirus sy mi-crack CD ireny na manala verouillage telephone mobile ...
3. bichette ( 23/02/2012 15:46)

LazaDaddy:

maresaka.com:

6) Ny mpangalatra
Halatra ve ny fanaovana dika tsy nahazoan-dalana ny kapila mirakitra hira, sary mihetsika, sns...? Eny. Ny fandikana "Microsoft Windows"? Eny. Ny fandikana "Microsoft Office"? Eny. Ny fividianana "ticket carburant"? Eny. Ny fanaovana kolikoly? Eny.

Betsaka mihitsy ny zavatra heverina ho madinika kanefa halatra an! Ohatra ny fanaovana copie antivirus sy mi-crack CD ireny na manala verouillage telephone mobile ...


ie, misy zavatra kelikely tsy eritreretina anefa halatra ihany, ary eo anatrehan'Andriamanitra tsy misy hoe fahotana kely na fahotana lehibe : ohatra io resaka cd adika io, ny olona mampiasa ny taratasin'ny hafa ahafahana miasa satria tsy manana taratasy -fanaon'ny gasy ao frantsa, ka aza gaga raha tsy tena voatahy - ;-) , na ilay manome na ilay maka dia samy mivelona ao anaty ota daholo, ny olona tsy mandoa ticket rehefa mandeha fiaram-pitanterana, maro dia maro tokoa ny ohatra.
4. bor2lais ( 27/02/2012 13:36)
Na izany aza amiko tsy dia azo raisina toy ny cliché akory io I Kor 6:9 io ka hoe rehefa voa-flash dia izay no izy fa dia maty passeport ! Mitaona fitodihana Aminy ny voalaza raha ny fijeriko : raha tsy izany mantsy Izy ataoko fa tsy niteny hoe "ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no hialoha anareo any amin'ny fanjakan'Andriamanitra" ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2318