tsy azoko mitsy nareo : TORIO NY TGV ....

1. andrywui ( 17/02/2012 22:50)
- Ento le porofo oe nanao tire kroaze le tgv !!ampiakaro amin ambaratonga ambony , ento amin'ny tribunal interantional ,,asehoy le porofo ho jeren'ny UI , UA sy ny sisa sadc ,,, ento le izy de akaro ambony ry zareo aa hihihih...miresaka miliara eny antanimbary !!! ...tsy misy dikany mitsy le porofo itanareo fa de eny amin'ny hidindalamby isotry sy eny ampantsakana no ifampiresahan'ny vehivavy le resaka !! ...

aiza ary iz zan !!
novalian'i locl ny 19/02/2012 15:49
2. rijadolly ( 17/02/2012 23:48)
Alaivo ato no tokony natao fanambarana amin'izao fotoana tao aorian'ny fanaovana sonia ny tondro-zotra. Raha toa ka samy hiziriziry ny fahamarinany avy ny roa tonta dia miverina any amin'ny 2009 indray isika. Marina mihitsy ny filazan'ny Me Hanitra fa tsy misy ny finihavana ara-politika hanaraka sy hanatanteraka ny tondro-zotra ka hivoahana ny Krizy ny vahoaka raha hamerina indray iny raharaha 7 février iny.

Me Hanitra Rakotomavo. (resa-be MA-TV 10/02/2012)





Ka hoy aho foana hoe: "samy mbola tsy manana ny marina." fa mifamela sy mifandraisa tanana fa mijaly ny vahoaka ao anatin'ny Krizy.

" LOZANAO IZAY MIFALY EO AMBONY FIJALIANY "

3. andrywui ( 18/02/2012 00:08)

rijadolly:

Alaivo ato no tokony natao fanambarana amin'izao fotoana tao aorian'ny fanaovana sonia ny tondro-zotra. Raha toa ka samy hiziriziry ny fahamarinany avy ny roa tonta dia miverina any amin'ny 2009 indray isika. Marina mihitsy ny filazan'ny Me Hanitra fa tsy misy ny finihavana ara-politika hanaraka sy hanatanteraka ny tondro-zotra ka hivoahana ny Krizy ny vahoaka raha hamerina indray iny raharaha 7 février iny.

Me Hanitra Rakotomavo. (resa-be MA-TV 10/02/2012)





Ka hoy aho foana hoe: "samy mbola tsy manana ny marina." fa mifamela sy mifandraisa tanana fa mijaly ny vahoaka ao anatin'ny Krizy.

" LOZANAO IZAY MIFALY EO AMBONY FIJALIANY "


rija !! sao de manozona ??

izao le izy e !!isika tsy miaina eo ambonin'ny sentiment rija a ! mifamelah nareo ee , mifandraisa tanana e ,, mihavàna e eee tsy hoe ratsy zany fa misy ny lalana iraisana natao ho ankatoavin'ny rehetra (na ny zanak'olombelona )mihitsy aza akaiky kokoa de ny fanajana ny lalana velona zany !! ka tsy azo odiana tsy hita na oe tsy hita ze meloka aminizy roalahy mihitsy ny resaka !!zay le sentiment sy olon'ny fo zay entin'i rija zay !! lalana dia lalana rehefa diso de tsaraina !!! raha marina de afaka raha diso dia migadra !!

--tsy misy zavatra mandeha mihitsy io oa raha sentiment sy ny fo no entina itondrana firenena !! na tsy firenena akory aza fa ny fiaianana andavan'andro mihitsy !!

- raha diso ny TGV de tsarao gadrao !! fa raha nisy nanao ny tsy mety de tsy vitan'ny oe mifandraisa tanana ,, mihavàna sns izy ty de zay !! hanao ndray izy amn manaraka satria tsy maty manota !! jereo ny nanaovandry zalahy an'i chirac fa naotsandry lerony soamatsara mitsy afabaraka be fa tsisy oe aoaka izy e mifandraisa tanana nonn!! ! refa lalàna de lalana !! azonao ve le resaka eee
4. andrywui ( 18/02/2012 00:12)
zahay tsy manda mitsy oe aza gadraina zahay raha nanao ny tsy mety na nangalatra na namono olona !!! tsarao aradalana zahay de faizo arakin'ny lalana sy ny didy hitsivolana fa mendrika anzay zahay raha nanota !! ...fa raha otrizay no lalana diavina eto aminity firenena aty de samy hitandrina sy tsy hanaonao fona tsony ny rehetra !! marina zao reny tenindry SMM ireny hoe zahay tsy manaiky tsindrina bokotra zany tsony fa aleo zahay ahaleo tena !! tena mety mitsy zany de tazony hatram farany ka iza handrahona sy hamely eo de efa zay de zay !!! - tsisy tsy manota amzay
5. rijadolly ( 18/02/2012 00:42)
" LOZANAO IZAY MIFALY EO AMBONY FIJALIANY "
Adrywui:

rija !! sao de manozona ??


Manozona angaha ny fijerin'se an'io teny io? Samy manana ny fandraisany azy mantsy ny olona izay mamaky an'izy io. Arakarak'izay toetranao indrindra indrindra. Hihihihihi!

Tsy azon'se mihitsy ilay tiana vohizina. Tsy misy mihitsy miteny hoe hitory an-drahanona na i rahanona, fa ny fanatanterahana ny sonia no tokony hapetraka tsara, ary dia tsy miala bala tsy ho tompon'andraikitra iny 7 février iny ka hanosoram-potaka olona iray izay tsy tiana ka anaovana sorona ny vahoaka hiaritra ny krizy ao anatin'ny haitany mandritry ny taona maro noho ny fakahalana olona iray.
Noho izay no antony tsy tokony nanaovana iny fanambarana teny Ambohitsirohitra ny 7/02/2012 iny mba hampihembotra tahaka ny biby mitorona indray makany amin'i taona 2009 nefa tsy mbola manana ny marina akory, izay natao tao anatin'ny fotoam-pivavahana tanteraka, Tsy haiko hoe nanonga tena ve ireo mpitondra fivavahana tena ka mba nanoro an'i Andry izay tsy nety noteneniny sa nanao iny filazana iny " hafatry ny samy variana" fotsiny ihany.
Rhaa mahatsapa izay tiako tenenina izay ka madio fo sy manana finihavana hiala amin'ny Krizy dia mifandray tanana sy mifamela.
6. Miharena ( 18/02/2012 05:08)
Ilay resaka mandrirotra ny maharary ny olona dia efa toetran'ny manipulateur de foule fa tsy ny vahoaka rehetra intsony no azony amin'izany satria efa leom-boananana ka tsy tia zava-boribory. Izay no mahatonga ny désobéissance civile misy ary ireo korontana be ireo ilay izy (mpampianatra mitokona, mpitsara mitokona, polisy sy mpitandro filaminana corrompus).

Fehiny, tsy misy azo itokisana intsony ka ahoana àry no hitondrana raharaha eny amin'ny fitsarana nefa na izy ireo sy ny polisy miara-miasa aminy aza tsy azo itokisana hahay hanadihady sy hitsara araka ny tokony ho izy akory?

Dia mandeha ilay radio troittoir sy gazety ateriineto satria any amin'ny vahoaka indray aloha no andefasana ny fitsarana.

Ilay 4ème pouvoir no miteny sisa dia ho hita eo raha mahay milomano tsara ireo mpanao politika na tsia satria ny vahoaka no mijery dia rehefa tonga eny aminy amin'izay ny fahefana dia hihahaka eo izay tsy manam-pahitsiana amin'ny zavatra atao. Raha tsy hoe angaha ireo vahoaka koa efa nivily lalana daholo ka te-hampanjaka ny fanjakan'ny baroa.
7. hery ( 18/02/2012 07:12)
Andraso fa mbola ho rava io fitondrana io dia hotoriana e.

Amin'izao mbola ry zareo daholo hatramin'ny fitsarana... fa ho avy ny fotoana.

8. andrywui ( 18/02/2012 10:32)

hery:

Andraso fa mbola ho rava io fitondrana io dia hotoriana e.

Amin'izao mbola ry zareo daholo hatramin'ny fitsarana... fa ho avy ny fotoana.


hery !!diso be zany !!

ny SMM efa tsy nanaiky tsony ! tsy misy mpitsara an'ny fanjakana zany tsony zao fa efa mahaleo tena tanteraka reo zao !! mahasahy zahay satria tsy nanao ratsy ry hery a !! ny mpanao ratsy iany no mibodo an'io fitsarana io sao maita angano
9. andrywui ( 18/02/2012 10:40)
sady hotoriana amle inona mo izy io ???? hotoriana fa nanaiky notifitifirina teo Ambohitsorohitra ve ?? ....
10. andrywui ( 18/02/2012 10:46)
hoy rijadolly

Ka hoy aho foana hoe: "samy mbola tsy manana ny marina." fa mifamela sy mifandraisa tanana fa mijaly ny vahoaka ao anatin'ny Krizy.
samy mbola tsy manana ny marina ?????? efa mazava be ny porofo sy ny conclusion nivoaka fa ravalo sy ireo mpiara-dia taminy no nitifitra vahoaka ,nandripaka ny malagasy teo Ambohitsirohitra !!! ka samy tsy mbola manana ny marina aona moa ry ingah roa izy zany
11. locl ( 19/02/2012 15:49)
Mazava angambany ny lazain'i Maitre, Conclusion taiza moa no ahafan'ingahy milaza an'izany. Jäereo ny reportage fa olona indépendant no nanao an'iny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.275