CYCLONE "Giovanna" EFA TAFIDITRA ANY TOAMASINA

1. rijadolly ( 13/02/2012 14:58)
novalian'i dadabe ny 24/06/2012 15:04
2. rijadolly ( 13/02/2012 15:09)
Tena mivelatra be mihitsy ny velarany, efa tsy mihanatra ny mpianatra ary tsy miasa ny mpiasa fa manomana ny fihatrehana ilay rivo-doza nanomboka androany ny tany Toamasina, Omany ny fasika amin'gony atao amin' tafo sns...ilaina marina tokoa ilay Anti-cyclone nolazain'i Andry Rajoelina, Notam.

3. rijadolly ( 13/02/2012 15:17)
4. rijadolly ( 13/02/2012 23:37)
5. rijadolly ( 15/02/2012 03:40)
Tsy tokony ho tara intsony isika eto amin'ny serasera manaraka ireo sary ireo na ny fiforonany na ny fotoana na ny lalana tokony hizoran'ilay rivo-doza noho ireo sary ireo satria miova manaraka ny andro izy ireo, Hitantsika eo amin'ny sary ny fiavin'ilay rivo-doza izay ao aorian'i GIOVANNA sy ny vinavina momba azy afaka 120ora...THIRTEEN no anarany

Raha izao fizotrany izao dia mety mahazo ny faritra Antsimo antsinanan'i Madagasikara. Sa ahoana hoy Nareo? Sady miha mahazo hery raha ny loko omen'ny sary

dia afaka manaraka tsara ilay fizotrany izany isika eto amin'ny serasera.org, jereo tsara fa misy rivo-doza fahatelo koa manaraka ao "JASMINE" izay mbola halavitra dia halavitra satria mbola any amin'i sudn' océan pacifique, izay hamely ny any amin'ny avaratra antsinanan'i Australie.
Enga anie ka ho rava eny an-dalana ireo rivo-doza roa manaraka ireo. Na izany na tsy izany dia fisaorana ho an'ilay Nahary izao rehetra izao, fa tsara IZY.

http://einstein.atmos.colostate.edu/~mcnoldy/tropics/atcf/
6. Fheno ( 15/02/2012 04:31)
Slt Rijadolly ,HILWA no anarany ilay rivodoza vaovao Rijadolly .
rijadolly:

7. mirananirina ( 15/02/2012 10:56)
Miara mionona @ ireo fianakavian'ny namohy ny ainy.Miara ory @ ireo very fananana samy hafa!Mampalahelo tokoa ireo moro-tsiraka rava2 sasany
8. rijadolly ( 15/02/2012 15:19)
MArina tokoa ny tenin'ny Fheno fa HILWA no anaran'ilay izy. Fa ny tsy azoko inona moa izany no maha samy hafa an''i THIRTEEN sy ny hoe HILWA raha ny eto am'ity sary ity no jerena

9. rijadolly ( 16/02/2012 17:33)
Raha ny vinavina amin'sary dia ny 17 hariva - 18 FEVRIER 2012 izao indray no mety hiverina mahazo an'i FORT-DAUPHIN i GIOVANNA rehefa avy nivoaka ny canal de Mozambique nanaraka ny sisitanintsika Atsimo Andrefana. Somary miomana indray izany ny faritra atsimon'ny nosy iny, mifampilaza.

10. rijadolly ( 16/02/2012 17:36)

rijadolly:

Raha ny vinavina amin'sary dia ny 17 hariva - 18 FEVRIER 2012 izao indray no mety hiverina mahazo an'i FORT-
DAUPHIN i GIOVANNA rehefa avy nivoaka ny canal de Mozambique nanaraka ny sisitanintsika Atsimo Andrefana.
Somary miomana indray izany ny faritra atsimon'ny nosy iny, mifampilaza.

11. rijadolly ( 16/02/2012 17:50)
12. rijadolly ( 17/02/2012 03:21)
Tsara Andriamanitra, ....Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany....

Ny zavatra mahafaly hatreto aloha dia ny tsy fisian'ilay rivo-doza fahatelo atao hoe JASMINE intsony. Levona tanteraka izy io na dia mbola tany atsimon'ny O. Pacifique aza.
Mbola hisaorana an'ilay Mpahary hatreto ihany koa dia nivily lalana ilay THIREEN, izay nivily nian' Atsimo ny O. Indien raha ny vinavinan'sary.
Ny vaovao farany raha manaraka tsara ny sary isika izany dia ny tapany atsimo indrindra ny Nosy no mila mitandrina na dia mbola tsy tafiditra aza i GIOVANNA.

Niara-nivily lalana tampoka i GIOVANNA sy THIRREEN.
enga anie ka ho rava eny an-dalana ireo Rivo-doza roa ireo, Na izany na tsy izany Tsara Andriamanitra,...Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany....
13. rijadolly ( 18/02/2012 04:28)
Tsara Andriamanitra, ....Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany....

Fisaorana ho an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy Zanany fa dia hafaka tanteraka aloha i Madagasikara hatreto satria dia nivily nihan'Atsimo antsinana ny zotran'i GIOVANNA araka ny vinavina amin'ny sary.

Tsara Andriamanitra, ....Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany....
14. dadabe ( 24/06/2012 15:04)
HALELOIA A !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.7586