VAOVAO MA-TV 09 FEVRIER 2012

1. rijadolly ( 10/02/2012 02:04)
Voatazona eny amin'ny borigadin'ny zandary nanomboka omaly ny CT Razanakoto Marcellin.
novalian'i rijadolly ny 10/02/2012 02:19
2. rijadolly ( 10/02/2012 02:04)
Nitondra fanehoan-kevitra mikasika ny raharaha fisavana ny tranon'ny zanaky ny filoha teo aloha Tojo Ravalomanana, ny jeneraly Randrianazary, sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena.


3. rijadolly ( 10/02/2012 02:06)
Anisan'ny mbola miteraka ady hevitra amin'izao fotoana izao ny mahakasika ny fametrahana ny lalana mikasika ny fahatoniana politika ary tafiditra amin'izany ny lalana momba ny famotsoran-keloka.


4. rijadolly ( 10/02/2012 02:07)
Tokony hahakasika ny rehetra ny famelan-keloka ary zava-dehibe eo amin'ny fivoahana amin'ny krizy ny fandraisan'anjaran'ny ankolafy rehetra raha ny voalazan'andriamatoa Eric Wong, mpiandraiki-draharaha eo anivon'ny masoivoho amerikanina eto amintsika.

5. rijadolly ( 10/02/2012 02:08)
Nisy ny famelabelaran-kevitra notanterahan'ny "révérend docteur" Roger Andriatsira Tahiana, Randriana Rabarioelina ary Tolotra Ratefy tetsy amin'ny résidence Ankerana.


6. rijadolly ( 10/02/2012 02:09)
Ho an-dramatoa Ruffine Tsiranana, minisitry ny Fanapariaham-pahefana, dia mizotra araka ny tokony ho izy ny asan'ny governemanta ary misy tokoa ny firaisankina eo amin'ireo mpikambana ao.

7. rijadolly ( 10/02/2012 02:09)
Nitohy androany ny atrikasam-pirenena mikasika ny fitsarana. Ny zava-misy teny amin'ny fitsarana an-tampony Anosy no entina amin'ity fanadihadihana manaraka ity.

8. rijadolly ( 10/02/2012 02:10)
: Raha nifarana ny alatsinainy lasa teo ny fe-potoana nomen'ny mpianatra eny anivon'ny sekoly ambony polytechnique Vontovorona izay tsy nahazoana valiny mahafa-po hatreto, dia niroso tamin'ny fihetsiketsehana izy ireo tamin'ity androany ity.

9. rijadolly ( 10/02/2012 02:11)
Nitondra ny heviny mikasika ny tontolo ara-toekarena sy ny hainga vaovao avy amin'ny fikambanan'ny fiaraha-monim-pirenena andriamatoa David Rajaon.

10. rijadolly ( 10/02/2012 02:13)
Tsara ny fananana toe-tsaina sahisahy sy tia karokaroka any anivon'ny orinasa raha ny voalaza androany nandritry ny fampizarana traikefa nataon'ny mpikaroka sady mpandraharaha avy eo anivon'ny "Groupement d'Entreprises de Madagascar".

11. rijadolly ( 10/02/2012 02:14)
Nisokatra io maraina io ny atrikasa fampiofanana ho fanamafisana ny traikefan'ireo tompon'andraikitra kaominaly, izay omen'ireo teknisianina avy amin'ny INDDL.

12. rijadolly ( 10/02/2012 02:14)
Nanamarika ny fisiany ny fikambanan'ny injeniera asa vaventy na Fiavama, ny faran'ny herinandro lasa teo. Maherin'ny 90%-n'ny injeniera misahaha ity sehatra ity, dia mahita asa avokoa, ka ny sehatry ny tsy miankina no tena mampiasa azy ireo.

13. rijadolly ( 10/02/2012 02:15)
Niroso tamin'ny fitokanana tamin'ny fobma ofisialy ny magazay TEKNET STORE eny Isoraka ny orinasa Teknet Group tamin'ity androany ity.

14. rijadolly ( 10/02/2012 02:16)
Notokanana tamin'ity androany ity ny ivotoerana antsoina hoe CERVO, na Centre d'Etudes, de Réflexion, de Veille et d'Orientation, izay hisahana ny asa iarahan'ity birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza voajanahary ity sy ireo mpiara-miombon'antoka.

15. rijadolly ( 10/02/2012 02:17)
Samy miezaka manao izay hampandrosoana ny toerana sy ny mponina ao aminy avy ny kaominina ambanivohitra manodidina ny renivohitr'Antananarivo.

16. rijadolly ( 10/02/2012 02:19)
Nahazo fanampiana avy amin'ny fikambanana MDM ny klioban'ny AJESAIA. Natolotra ho an'ireo ekipa izay hiatrika ny famaranan'ny amboaran'ny Ajesaia ny alahady ho avy izao, ireo fanampiana ireo izay ahitana fitaovana sy lelavola.

.................................................................................................................

: Laharana 347 amin'ny gazety Ma-HERY no hivoaka manomboka rahampitso, izay ahitantsika ireo lohahevitra mahazatra antsika mpamaky.
http://www.youtube.com/watch?v=g4eZLb9GdzY&feature=player_embedded
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1553