VAVAO MA-TV 08 FEVRIER 2011

1. rijadolly ( 09/02/2012 02:48)
: Hivoaka manomboka rahampitso ny laharana 219 amin'ny gazety Soa, izay ahitantsika ireo lahatsoratra inoana fa ahaliana hatrany antsika mpamaky.

novalian'i rijadolly ny 09/02/2012 03:06
2. rijadolly ( 09/02/2012 02:49)
Antony roa mazava raha ny nambaran'ny praiminisitra Omer Beriziky, no tsy nahatongavany teny Ambohitsorohitra, omaly.


3. rijadolly ( 09/02/2012 02:56)
Naneho hevitra mikasika ny fankalazana ny fahatelo taona nisian'ny raharaha 07 Febroary Atoa Rasolo Andr・avy amin'ny fiarahamonim-pirenena CNOSC.


4. rijadolly ( 09/02/2012 02:57)
Ny tsy fisian'ny fahaleovantena no antony lehibe mampisy ny krizy eto Madagasikara, hoy i Dama, ao amin'ny tarika Mahaleo, raha naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena izy.

5. rijadolly ( 09/02/2012 02:58)
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany ny atrikasam-pirenena mikasika ny fitsarana, izay karakarain'ny mpitsara.

6. rijadolly ( 09/02/2012 02:58)
: Naneho ny heviny momba ny raharaha Toliara ny minisitry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa. Tokony azo nosorohana ny zava-nitranga raha araka ny heviny.


7. rijadolly ( 09/02/2012 02:59)
Raha ny nambaran'ny talen'ny kabinetra ny minisiteran'ny Atitany, dia ny 17 Febroary no tokony hanomezan'ny vondron'ny mpiasam-panjakana ny anaran'ny solotenan'izy ireo hikambana amin'ny CENI.

8. rijadolly ( 09/02/2012 03:00)
Taorian'ny fanambarana mikasika ny fampiasana ny dinam-piarahamonina amin'ny toetra mamohetra sy fampihorohoroana ataon'ny lehiben'ny distrikan'i Besalampy, dia nanapa-kevitra ny hitondra fanazavana momba izany ity tompon'andraikitra ity.

9. rijadolly ( 09/02/2012 03:01)
Raha ny tatitra nataon'ny OMH, na ny Office Malgache des Hydrocarbures, dia nahitana fiakarana 34% ny vidin'ny solika nafaran'ny firenena malagasy, tao anatin'ny herintaona.

10. rijadolly ( 09/02/2012 03:02)
Amin'ny 11 ebroary ho avy izao no hotanterahna ny fanondranana omby velona avy eto Madagasikara mankany Comores, tao aorian'ny famoahana didy iraisan'ny minisitra tamin'ny taona 2011, mampiato izany fanondranana izany.

11. rijadolly ( 09/02/2012 03:05)
Maro ny vehivavy tanora miditra amin'ny sehatry ny fivarotan-tena. Raha toa ka miverimberina matetika ny fanatanterahana ity asa ity amin'ireo vehivavy efa ampy taona, mahalana kosa izany ho an'ireo tovovavy tsy ampy taona.

12. rijadolly ( 09/02/2012 03:06)
anterahana manomboka androany ka hifarana ny 10 Febroary ho avy izao ny atrikasa fiaraha-midinika momba ny fametrahana paikady mifanaraka amin'ny zava-misy ifotony amin'ireo toerana hanatanterahana fandaharan'asa Wasup.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0876