HAMPITOVIANA HONO KARAMA MINISITRES-DÉPUTÉS-MAGISTRATS

1. cpd8910 ( 07/02/2012 12:45)

Lahatsoratra nahatalanjona anio.

http://www.madagascar-tribune.com/La-justice-independante-tant-revee,17048.html
novalian'i cpd8910 ny 12/03/2012 01:29
2. milamm ( 07/02/2012 13:51)
ka tedaviny fat ho vidiana toy ny cst sy ct indray ny SMM
3. cpd8910 ( 07/02/2012 22:32)
Tsisy resaka FAT sns mihintsy ao anatin'ilay lahatsoratra d toa resaka FAT no avoakan'i ngà
4. milamm ( 08/02/2012 09:38)
cpd8910, zao zany no tiako lazaina mahafinaritra le analyse-ny A.R resaka ady saosy tsy mitondra tombony na kely aza @ fanatsarana farimpiainany vahoaka ny ady karama, le Législatif et le Judiciaire. Zay tsy manaiky ho vidiana gadraina, zay tsy manaiky ho gadraina miady varotra
karama welcome to fatland asa na misy mahalala marina ireo tombotsoa sy karama ofisialy raisin'ireo mambra cst-ct, ministra sns satria volambahoaka no andoavana izany rehetra zany
5. cpd8910 ( 08/02/2012 21:39)
mazava kosa ny teniny ao hoe raha mitovy tantana ny fahefana mpnao lalàna, fahefana mpitsara, fahefana mpanatanteraka na ara-pahefana (pouvoirs) na araka ny filaharana (considération) na araka ny mari-karama sns...dia ho afaka hifampiambina tsara ka tsy hisy intsony ny gaboraraka toa ny fivarotana tany amin'ny vahiny (daewoo) sy fanaovana varo-boba fananam-Pirenena (bois de rose sy ireo harena ankibon'"ny tany bdb). Raha izay no miseho dia hiova tokoa ny farim-piainan'ny olona satria ny milliards de dollars maro be zay very fotsiny angalarin'ny mpitodnra (fahefana mpanatanteraka) dia hiditra amin'ny kitapombolam-panjakana ka misy hanaovana hopitaly, sekoly, lalana sns...sy hampiroboroboana ny sehatrasa maro mba ho famoronan'asa maro

sady ho tafiditra ny vola no hisy fitsirihana sy fitiliana ireo mety ho fibolilàn'ny mpitondra ka tsy hahafahan'izy ireo hanodikodimbolam-panjakana intsony. Manova fianan'ny vahoaka kosa izany e! mba alefaso lavidavitra kely ilay saina fa tsy hoe refa tsy fizaràna vary amin'ny kapoaka vary mora ihany dia tsy manova fiainan'ny vahoaka. Toa izany no zava-misy any amin'ny tany mandroso rehetra. Maninona isika no tonga dia hoe tsy afaka manao an'izany?maninona no refa isika dia hoe tsy hiantraika amin,ny fiainam-bahoaka....

havela hangalatra foana sy hanao zay danin'ny kibony zany ny mpitondra?
6. milamm ( 09/02/2012 08:45)
hevitra moa terabary tsy laviko io sosokevitra lazainy io nefa mijanona theory dolidoly, ny zvmisy firy zay reo olona mitady seza sy karama no tsy nampanantena zv maro ho an'ny vahoaka (na olotsotra na mpanao politika) in avy nefa no vokatra azo notsoahina (nandritra ny 2009-2012) mifampizara saosy ve sisa zany no atao oe fampandrosoana sy fanatsarana? fa maninona aloha raha lazaina mangarahara ireo vitany nanasoavana ny rehetra sy drafitr'asa tanteraka vao iady varotra karama satria volambahoaka daholo ihany no iadivany eo no olana.
(olana) basy ve no itondrana fanjakana sy itazomana zany fahefana izany, (vahaolana) Mitovy hevitra aho @ obama raha nilaza ny heviny izy momba ny olana @ fitondrampanjakana eraky Afrika (2009) ny tsy fanajana ny Lalana fototra sy ny andrimpanjakana mihitsy aloha no fositry tsy fahombiazana @ zany
7. cpd8910 ( 12/03/2012 01:29)
Ny mba mahagaga ahy amin'ny Gasy dia maro ny toa anao zao. Kivy amin'ireo mpanao politika ireo, dia nefa refa misy tsy mpanao politika manome soso-kevitra hahafahana mifehy an'ireo mpanao politika tahaka ity omen'ny lahatsoratra ity dia tsy ny hevitra ao no dinihina fa variana manasoketa mpanao politika fotsiny indray. Vahaolana anie no omen'ny mpanoratra ao anatin ilay izy e. zay no nahasarika ahy tamin'io lahatsoratra io ka nitondrako azy teto.

Toy ny arrété eo amin'ny criz 2009, TGV, Ra-8 ny fiainana ho an'ny maro. Mazava be ny hevitr'ilay razoky io hoe raha omena ny toerana tokony tena hisy azy ny mpanao lalàna sy ny fitsarana dia tsy ho afaka hanaotao foana tsony ny mpanatanteraka. Moa v tsy io mpanatanteraka afaka manao zay tiany io no nahalatsaka an-davaka an'ity firenena ity hatrizay? tsara alefa lavitra ny eritretitra fa tsy mijanona eo amin'ny akaikin'ny orona foana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2097