Fiainam-panahy
1. Titi22
(
03/02/2012 08:11)
Mba mila torohevitra kely tompoko fa misy olana toizao,
izaho dia tovolahy 21ans manambady tovovavy 23ans, efa vita soratra sy fombafomba fa mbola tsy vita mariage ary efa niteraka zaza iray 6mois.
Izaho dia kristianina katolika mafanafo ary izy dia protestante izay tena mafanafo koa.
Nifanaraka izahay fa manaraka ahy izy ary ny finoana tsy mitovy dia tsy ataonay ho olana mintsy fa noraisinay ho harena ary izany. Tsy manana olana ara-pitiavana izahay fa tena mifankatia tokoa ary mande tsara ny tokatranonay.
Ny olana nefa dia izao, mitaraina amiko ny vadiko fa milatsaka hono ny ara-panahiny ka tsy manana hery hoentina miady @zany izy, dia mandrisika azy hatrany aho hazoto hivavaka fa ny fifandraisana @Jesoa Kristy ihany no itako fa vahaolana ary tsy mitsahatra ny mitondra am-bavaka azy aho. Izy hono lasa tsy mahavita mivavaka isan'andro intsony, itako tena manana olana ara-panahy izy nefa izy tena vonona ny hiala amzany fa tsy vitany irery hono fa mila olona hi-remonter azy izy. Izahay koa samy miasa de tsy de misy fotoana loatra tena hiresahana izany. Ilay zanakay izao mbola tsy vita batemy, nandeha tany @Mompère izahay naika hiresaka ny @mariage-nay sy ny batemin'ilay zaza nefa tsy de nety loatra ny resakay sy ilay Mompère satria izy koa somary nisy fofona alcool ka za indray no menatra ilay vadiko.
Dia mbola tsy hitako izay hatao nefa izahay samy vonona ny hanao mariage sy hanao batemy ilay zaza. mba toroy hevitra tompoko ra mba mahita anampiana anay ianareo fa lasa samy reraka izahay satria mbola tsy mahilta vaha-olana any ka lasa samy manao ny asanay fotsiny de mandeha mivavaka refa alahady. Lasa tsy mandroso intsony ny fiainana ara-panahinay. Zay fa dia misaotra mialoha ny amin'izay vaha-olana atolotrareo.

novalian'i miraj ny 20/02/2012 12:54
2. didi10
(
03/02/2012 09:22)
Tsara ny Tompo
Misaotra anao rahalahy nizara ny olanareo fa ny fahatsapanareo mivady izany tsy fahampian'ny fiainam-panahy izany dia efa fiandohana lehibe amin'ny fiainam-baovao tian'Andriamanitra itondrana ny fiainanareo.
Ny zavatra tokony ho ataonareo voalohany dia ny tokony hiraisan'ny finoanareo ao amin'i Jesosy Kristy, ny finoanareo hoy aho fa tsy ny fiangonanareo, samy manana ny fiangonan-drazana nitaizana anareo ianareo ka samy miziriziry amin'ny fampianarana azon'ny andaniny sy ny ankillany. Miraisa saina ka rahefa isan-kariva alohan'ny hatory dia ajanony alohany série télé sy ny film fa miaraha mamaky baiboly, ny torohevitro dia manomboka eo amin'ny asan'ny Apostoly mba hahafantaranareo ny fotom-pampianarana tena apostolika izay naorin'ny mpianatry ny Tompo eo ambony fanorenan'i Jesosy Kristy, miaraha mivavaka avy eo, aza mangataka zavatra hafa aloha fa ny angataho mafy dia ny fahamarinana sy ny fampianarana tsy misy kilema, mazotoa manao izany isan-kariva, miraisa saina ary miaraha mandalina mba tsy hihevitra ny iray fa hevitrao io fa tsy avy ao anaty Baiboly.
Aza maika hiditra amin'ny sakramenta samihafa aloha fa sady mamato-tena ianao no mamatotra ny vadinao ihany koa, ny fahamarinana ho azonao amin'ny famakiana ny tenin'Andriamanitra no hanoro lalàna anao amin'ny tokony ataonareo. Ny amin'ny zazakely dia aza matahotra ianareo amin'ny fanahiny satria tsy mahay manota izy ary an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra, ny tokony hahamika anareo dia ny momba ny fanahinareo mivady, katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinana satria ny fahamarinana no hanafaka anareo.

3. bichette
(
03/02/2012 14:53)
didi10:

Miombo-kevitra amin'i didi10 aho. Mivavaha directement amin'Andriamanitra Jehovah naharyny lanitra sy ny tany sy izao rehetra izao. tsy misy intermediaire, tsy misy anaram-piangonana, tsy misy fombafomba.
4. niryna
(
05/02/2012 21:09)
bichette:aleloia ,izay irery ihany ny fanalahidin'ny fiainana sy ny fanehoana ilay tena finoana velona miasa ao anatintsika isan'andro isan'andro.izay mbola misy tsy nanandrana dia manandrama miantso Azy mivantana aza asiana mpanelanelana (kristy irery ihany no mpanelanelana antsika amin'ny RaiNY)
Mivavaha directement amin'Andriamanitra Jehovah naharyny lanitra sy ny tany sy izao rehetra izao. tsy misy intermediaire, tsy misy anaram-piangonana, tsy misy fombafomba.
5. titi22
(
06/02/2012 05:15)
bichette:
didi10:
Tsara ny Tompo
Misaotra anao rahalahy nizara ny olanareo fa ny fahatsapanareo mivady izany tsy fahampian'ny fiainam-panahy izany dia efa fiandohana lehibe amin'ny fiainam-baovao tian'Andriamanitra itondrana ny fiainanareo.
Ny zavatra tokony ho ataonareo voalohany dia ny tokony hiraisan'ny finoanareo ao amin'i Jesosy Kristy, ny finoanareo hoy aho fa tsy ny fiangonanareo, samy manana ny fiangonan-drazana nitaizana anareo ianareo ka samy miziriziry amin'ny fampianarana azon'ny andaniny sy ny ankillany. Miraisa saina ka rahefa isan-kariva alohan'ny hatory dia ajanony alohany série télé sy ny film fa miaraha mamaky baiboly, ny torohevitro dia manomboka eo amin'ny asan'ny Apostoly mba hahafantaranareo ny fotom-pampianarana tena apostolika izay naorin'ny mpianatry ny Tompo eo ambony fanorenan'i Jesosy Kristy, miaraha mivavaka avy eo, aza mangataka zavatra hafa aloha fa ny angataho mafy dia ny fahamarinana sy ny fampianarana tsy misy kilema, mazotoa manao izany isan-kariva, miraisa saina ary miaraha mandalina mba tsy hihevitra ny iray fa hevitrao io fa tsy avy ao anaty Baiboly.
Aza maika hiditra amin'ny sakramenta samihafa aloha fa sady mamato-tena ianao no mamatotra ny vadinao ihany koa, ny fahamarinana ho azonao amin'ny famakiana ny tenin'Andriamanitra no hanoro lalàna anao amin'ny tokony ataonareo. Ny amin'ny zazakely dia aza matahotra ianareo amin'ny fanahiny satria tsy mahay manota izy ary an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra, ny tokony hahamika anareo dia ny momba ny fanahinareo mivady, katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinana satria ny fahamarinana no hanafaka anareo.
Miombo-kevitra amin'i didi10 aho. Mivavaha directement amin'Andriamanitra Jehovah naharyny lanitra sy ny tany sy izao rehetra izao. tsy misy intermediaire, tsy misy anaram-piangonana, tsy misy fombafomba.
Izahay tsy mivavaka amin'iza na iza fa amin'i JK ierery ihany, satria efa akaiky ny Tompo isika fa tsy lavitra azy, fa tsy any no olana fa ny hevitra afa hoentiko mamelona indray ny fiainam-panahin'ny vadiko izay itako ho mihena tsikelikely. ok.
6. RBNIR
(
06/02/2012 07:31)
Faly miaraba ny namana rehetra,
Ny zavatra tsy azoko dia ny fandraisana ireo didin'Andriamanitra sasany hoe "fomba fomba"
Raha manaiky anantanteraka ny didim-pitiavana 2 lehibe isika, ka mahatsapa fa tsy "fomba fomba" ny fanantanterahana izany.
Inona no mahafombafomba ny fitandremana ny didy hafa??? moa tsy samy sitrapon'Andriamanitra v izany ry namana isany???
Fiainam-panahy takiana amin-tsika dia fanahy (olona) matahotra an'Andriamanitra ary tsy sahy manao zavatra mifanohitra amin'ny Sitrapony (Mat.7:21).
Samy ho tahin'ny Tompo namana

7. RBNIR
(
06/02/2012 08:05)
Faly miarahaba manokana ny namana nanokatra ity lohahevitra ity,
Ho an-tsika kristianina namana dia izay nampianarina ireo apostoly sy ny mpianatra taloha ihany no mbola mitoetra.
« Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. » (Efesiana 5:22)
« Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia] » (Efesiana 5:23)
« Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia] » (Efesiana 5:24)
« Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia] » (Efesiana 5:25)
« mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; » (Efesiana 5:26)
« mba horaisiny* ho an'ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [* Gr. hatolony] [** Gr. eklesia] » (Efesiana 5:27)
« Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. » (Efesiana 5:28)
« Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana*; [ Gr. eklesia] » (Efesiana 5:29)
« fa momba ny tenany isika. » (Efesiana 5:30)
« Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24). » (Efesiana 5:31)
Na izany aza dia tokony ho tia ny vadi-tsika tahaka ny tenantsika foana isika lehilahy namana (fa tsy hanao didiko fe-lehibe) ka haneho fandeferana eo anolohan'ny vadin-tsika.
Voalaza fa zava-miafina ho an'izao tontolo izao izany namana : « Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia] » (Efesiana 5:32)
« Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra] » (Efesiana 5:33)
Fanampin'ireo mila matahotra an'Andriamanitra isika ary tsy tokony ho sahy manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra.
Samia tahin'ny Tompo namana

8. bor2lais
(
07/02/2012 09:50)
titi22:
Izaho dia kristianina katolika mafanafo ary izy dia protestante izay tena mafanafo koa
Mety eo amin'ilay afanampo no tsy dia mifanandrify angamba ny anareo ! :-)
Toa misy zavatra hitany na nataony taloha no lasa banga ao aminy amin'izao fotoana izao : tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana ihany no ahitanareo ny vahaolana !
Mahereza e ! :-)
9. miraj
(
20/02/2012 12:54)
bjr
misaotra an'Andriamanitra fa miasa aminareo tokoa izy matoa mbola mahatsapa ianareo fa mihena ny fiainam-panahinareo. Tsy vitan'ny herin'ny tenanareo irery tokoa fa mila fanampiana ianareo, nefa tsarovy fa tsy hery avy amin'ny olombelona no hanome anareo izany fa avy amin'izy Andriamanitra mihitsy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Ny olona dia fitaovana ihany hitondra izany teny fampaherezana izany fa Andriamanitra no manome izany. Koa aza mitsahatra fa mivavaha mandrakariva. Mangataha ny hiasan'ny fanahy Masina hiasa ao anatinareo fa manjary manararaotra ny devoly hiditra ao anatinareo. Izaho dia katolika taloha ary ny vadiko protestant . samy nitazona ny antokom-pinoana nisy anay izahay na vita aza ny mariage. Tsapako anefa fa hafa ihany ny miara_mitombo @ finoana ka nanapa-kevitra aho fa hiara-mivavaka aminy sy ny zanakay 3 any amin'ny protestant . Nanomboka teo dia ohatra ireny jamba nahiratra ireny aho satria tsapako fa misy aim-panahy kokoa tao @ protestant noho ny tao @ katolika. Na ny famakiana ny baiboly aza dia nampisokatra ny masoko nahalalako marina izany hoe fiainana kristianina ao amin'i Jesoa Kristy izany, lasa liana ary mangetaheta lava ny tenin'Andriamanitra aho hany ka lasa fiainako tanteraka izany hitondrako ny tokantranoko. Tsy sanatria aho mitsara na manaratsy ny katolika an. Safidy io ary samy manana ny azy fa izao no mba torohevitro aminao. Raiso isan'andro ny Baiboly diniho ary iaino, mialoha izany anefa tsy maintsy mivavaka ianao ary mangataka ny hiasan'ny fanahy masina mba hampisokatra ny masom-panahinao sy ny fona maba ho azonao sy ho hainao izay tiany hambara satria ny devoly koa mahay mamaky Baiboly ka raha tsy mivavaka aloha ianao dia izy no handika ny teny diso ho anao. Raha mbola tsy vitanao izany dia midira fikambanana any am-piangonana izay mety misy fampianarana soratra masina . Izaho izao dia niditra @ SEFALA mihitsy (Sekoly Fanomanana Laika) ary na dia vao efa-bolana aza no nianarako dia efa tsapako lehibe nifivoarana amiko nohon'ny fahasoavan'ny Tompo irery ihany. Mahereza ary mandrosoa amin'ny lalindalina kokoa fa izany no andrasan'ny Tompo aminareo. aza avela ho faty ny finoana fa ampiasao